Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Lioka toko 18, 24-27

       <24Koa hoy Jesoa nony nahita azy nalahelo: Akory ity hasarotry ny hidiran'ny mpanan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra! 25Fa moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vody fanjaitra noho ny hidiran'ny mpanan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 26Dia hoy izay nihaino hoe: Iza àry no ho voavonjy? 27Ka hoy ny navaliny: Izay tsy azon'ny olona atao, dia azon'Andriamanitra atao. >