Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Matio toko 24
Ny handravana an'i Jerosalema sy ny amin'ny farandro.
1Nony nivoaka avy tao amin'ny tempoly Jesoa ka lasa nandeha, dia nanatona azy ny mpianany hampijery azy ny rafitry ny tempoly; 2fa namaly izy ka nanao taminy hoe: Hitanareo va ireo rehetra ireo? Lazaiko marina aminareo fa tsy hisy vato havela hifanongoa eo izay tsy horavana. 3Ary raha nipetraka teo an-tendrombohitry ny Oliva izy, dia nanatona azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Lazao anay izay andro hahatongavan'izany, sy ny famantarana ny hahiavianao mbamin'ny hahataperan'izao tontolo izao. 4Ary hoy Jesoa taminy: Tandremo sao hisy hamitaka anareo, 5fa maro no ho ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ary maro no ho voafitany. 6Handre ady sy filazana ady hianareo; aza taitra, fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola izany no ho farany. 7Ho hita fa hitsanga-kiady amin'ny firenena ny firenena, ary amin'ny fanjakana ny fanjakana; hisy areti-mifindra sy mosary ary horohoron-tany amin'ny tany samihafa; 8fa vao ho fiantombohan'ny fahoriana fotsiny izany rehetra izany.
9Amin'izany, dia hatolony hampijaliana sy hovonoina hianareo, ary ho hàlan'ny firenena rehetra noho ny anarako. 10Amin'izany andro izany koa, dia maro no ho tafintohina ka hifampiampanga sy hifankahala be ihany. 11Ary hisy mpaminany sandoka maro hiseho, ka hamitaka olona maro. 12Ary noho ny habetsahan'ny faharatsiana, dia hihamangatsiaka ny fitiavan'ny maro; 13fa izay haharitra hatramin'ny farany no ho voavonjy. 14Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity Evanjelin'ny fanjakan'Andriamanitra ity, mba ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany. 15Rahefa hitanareo voatsangana amin'ny fitoerana masina ny fametavetana lozan-tany nolazain'i Daniely mpaminany (aoka hihevitra ny mpamaky), 16dia aoka izay any Jodea handositra any an-tendrombohitra, 17ary izay any ambony tafontrano aoka tsy hidina haka ny zavany ao an-tranony, 18ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny fitafiany. 19Loza no hanjo ny bevohoka sy ny mitaiza kely, amin'izany andro izany. 20Mivavaha ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina na amin'ny sabata no handosiranareo. 21Fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe izay tsy mbola nisy toa azy hatramin'ny nahariana izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, ary tsy hisy toy izany intsony; 22ary raha tsy nohafohezina izany andro izany, dia tsy hisy olona ho voavonjy; fa noho ny olom-pinidy dia hohafohezina izany andro izany. 23Koa raha misy milaza aminareo hoe: Indro atý ny Kristy, na hoe: arý izy, aza mino hianareo. 24Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hiseho, ary hanao famantarana lehibe sy zava-mahatalanjona, ka raha azo atao, na dia ny olom-pinidy aza dia ho voafitany. 25Indro voalazako aminareo rahateo izany. 26Koa raha misy milaza aminareo hoe: Indro any an'efitra izy, aza mankany hianareo; indro any amin'ny efi-trano mangingina izy, aza mino izany. 27Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona. 28Fa na aiza na aiza hitoeran'ny faty, any no hiangonan'ny voromahery.
29Ary raha vao afaka izany andron'ny fahoriana izany, dia hihamaizina ny masoandro, tsy hahazava ny volana, hiraraka avy eny an-danitra ny kintana, ary hihozongozona ny herin'ny lanitra. 30Amin'izany dia hiseho eny an-danitra ny famantaran'ny Zanak'olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe. 31Haneno mafy ny trompetra, dia haniraka ny anjeliny izy, ary ireo hanangona ny olom-pinidiny avy amin'ny vazan-tany efatra, hatramin'ny fara vodilanitra rehetra. 32Makà fanoharana amin'ny aviavim-bazaha; raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina izy, dia fantatrareo fa efa antomotra ny fahavaratra. 33Dia toy izany koa, rahefa hitanareo izany rehetra izany, fantaro fa efa antomotra mby eo am-baravarana ny Zanak'olona. 34Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany ity taranaka ity, ambara-pahatongan'izany rehetra izany. 35Ny tany aman-danitra ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
36Fa ny amin'izay andro sy ora dia tsy misy mahalala, na ny anjelin'ny lanitra aza, afa-tsy ny Ray ihany. 37Fa tahaka ny tamin'ny andron'i Noe, dia ho tahaka izany koa ny fihavian'ny Zanak'olona. 38Fa tamin'ny andro nialoha ny safo-drano, dia nihinana sy nisotro ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy ny olona, mandra-pahatongan'ny andro nidiran'i Noe tao amin'ny sambo fiara, 39ka tsy nahalala izy ireo raha tsy efa tonga tokoa ny safo-drano izay nandringana azy rehetra: dia ho toy izany indrindra ny fihavian'ny Zanak'olona. 40Amin'izany, amin'ny olona roa lahy izay ho sendra eny an-tsaha, dia horaisina ny iray, ary havela ny iray; 41amin'ny vehivavy roa izay hiara-manodina ny fikosohan-dafarina, dia horaisina ny anankiray, ary havela ny iray.
42Koa miambena ary, fa tsy fantatrareo izay tapak'andro hihavian'ny Tomponareo. 43Hevero tsara fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian'ny mpangalatra, dia hiambina izy fa tsy havelany hotamìna ny tranony. 44Koa aoka ary ho vonona koa hianareo, fa ho avy amin'ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak'olona. 45Iza moa no mpanompo mahatoky sy hendry izay notendren'ny tompony ho mpifehy ny ankiziny, mba hanome hanina azy amin'ny fotoany? 46Sambatra izany mpanompo izany raha tonga ny tompony ka mahita azy manao izany; 47lazaiko marina aminareo fa hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy. 48Fa raha ratsy fanahy kosa ilay mpanompo ka manao anakampo hoe: Mbola ho ela ny tompoko vao ho avy, 49ka mikapoka ny mpanompo namany izy sy miara-mihinana sy misotro amin'ny mpimamo, 50dia ho avy amin'ny andro tsy ampoiziny sy amin'ny ora tsy fantany ny tompon'izany mpanompo izany, 51ka hotapahiny roa izy ary haraikiny ho any amin'ny mpihatsaravelatsihy ny anjarany: any no hisy fitoamaniana sy fikitroha-nify. >