Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Matio toko 24, 37-44
<37Fa tahaka ny tamin'ny andron'i Noe, dia ho tahaka izany koa ny fihavian'ny Zanak'olona. 38Fa tamin'ny andro nialoha ny safo-drano, dia nihinana sy nisotro ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy ny olona, mandra-pahatongan'ny andro nidiran'i Noe tao amin'ny sambo fiara, 39ka tsy nahalala izy ireo raha tsy efa tonga tokoa ny safo-drano izay nandringana azy rehetra: dia ho toy izany indrindra ny fihavian'ny Zanak'olona. 40Amin'izany, amin'ny olona roa lahy izay ho sendra eny an-tsaha, dia horaisina ny iray, ary havela ny iray; 41amin'ny vehivavy roa izay hiara-manodina ny fikosohan-dafarina, dia horaisina ny anankiray, ary havela ny iray.
       42Koa miambena ary, fa tsy fantatrareo izay tapak'andro hihavian'ny Tomponareo. 43Hevero tsara fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian'ny mpangalatra, dia hiambina izy fa tsy havelany hotamìna ny tranony. 44Koa aoka ary ho vonona koa hianareo, fa ho avy amin'ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak'olona. >