Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Matio toko 25, 31-46

       <31Ary rahefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak'olona otronin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny izy; 32ho vory eo anatrehany ny firenena rehetra, ary izy hanavaka azy tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin'ny osy; 33ny ondry moa hataony eo an-kavanany; ary ny osy kosa eo an-kaviany. 34Amin'izay ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo an-kavanany hoe: Avia hianareo, ry nohasoavin'ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana izao tontolo izao. 35Fa noana aho, nomenareo hanina, nangetaheta aho, nomenareo hosotroina; nivahiny aho, nampiantranoinareo; 36tsy nitafy aho, notafianareo; narary aho, novangianareo, tany an-tranomaizina aho, notsidihinareo. 37Ary dia hamaly azy ny marina ka hanao hoe: Tompo, oviana no hitanay noana hianao ka nomenay hanina; nangetaheta ka nomenay hosotroinao? 38Oviana no hitanay nivahiny hianao ka nampiantranoinay, na tsy nitafy ka notafinay? 39Oviana no hitanay narary hianao na tany an-tranomaizina ka novangianay? 40Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto hianareo, dia nanao izany tamiko.
       41Ary dia hiteny amin'ireo eo an-kaviany kosa indray izy ka hanao hoe: MialĂ  amiko hianareo, ry voaozona, mba ho any amin'ny afo mandrakizay izay voavoatra ho an'ny demony sy ny anjeliny. 42Fa noana aho, tsy nomenareo hanina; nangetaheta aho, tsy nomenareo hosotroina; 43nivahiny aho, tsy nampiantranoinareo; tsy nitafy aho, tsy notafianareo; narary aho sy tany an-tranomaizina, tsy novangianareo. 44Dia hamaly azy koa ireo hanao hoe: Tompo, oviana no hitanay noana hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nitafy, na narary, na tany an-tranomaizina ka tsy namonjy anao izahay? 45Fa hovaliany hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny tsy nanao izany tamin'ny anankiray amin'ireto kely indrindra ireto hianareo, dia tsy nanao izany tamiko koa. 46Dia ho any amin'ny fijaliana mandrakizay ireo, fa ny marina kosa, ho any amin'ny fiainana mandrakizay. >