Ny Salamo
Salamo toko 145
Hira fankalazana ny Mpahary noho ny hery amam-pamindram-pony tsy misy fetra.
1Hira fiderana. Nataon'i Davida.
ALEPH
Sitrako ny mankalaza anao, ry Andriamanitro, Mpanjaka ô,
sy ny misaotra ny anaranao mandrakizay doria.
2BETH
Sitrako ny misaotra anao isan'andro,
sy ny mankalaza ny anaranao mandrakizay doria!
3GHIMEL
Lehibe Iaveh ka mendrika ny fiderana rehetra,
ary tsy takatry ny saina ny fahalehibeazany!
4DALETH
Ny taona rehetra samy hilaza amin'izay mandimby azy ny fiderana ny asanao;
hitory ny fahagagana nataonao ny olona.
5HE
Hihira ny famirapiratan'ny fiandriananao be voninahitra aho,
sy ny asanao mahagaga.
6VAV
Horesahin'ny olona ny herinao mahatahotra;
ary hotantaraiko ny fahalehibeazanao.
7ZAIN
Hambaran'ny olona ny fahatsiarovana ny hatsaram-ponao lehibe indrindra,
ary hankalazaina ny fahamarinanao.
8HETH
Mamindra fo sy miantra Iaveh,
ary mahari-po sy feno hatsaram-po.
9TETH
Tsara fo amin'ny olona rehetra Iaveh,
ary mihatra amin'ny zava-boahariny rehetra ny famindram-pony.
10YOD
Midera anao avokoa ny asanao rehetra, ry Iaveh,
ary misaotra anao ny mpino anao.
11KAPH
Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy,
ary mitory ny fahefanao;
12LAMED
mba hampahalalany ny zanaky ny olona ny asany mahagaga,
sy ny famirapiratry ny fanjakany be voninahitra.
13MEM
Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao,
ary maharitra amin'ny taona rehetra ny fanapahanao.
14SAMECH
Manohana an'izay rehetra lavo Iaveh,
ary mampitraka an'izay rehetra mitanondrika.
15AIN
Mitodika miandry anao ny mason'ny zavatra rehetra,
ary omenao izay haniny amin'ny fotoany izy.
16PHE
Sokafanao ny tànanao,
dia vokisanao soa avy aminao ny miaina rehetra.
17TSADE
Marina amin'ny làlany rehetra Iaveh,
ary mamindra fo amin'ny asany rehetra.
18KOPH
Eo akaikin' izay rehetra miantso azy Iaveh,
dia izay rehetra miantso azy amin'ny fony tokoa.
19RESCH
Manatanteraka ny fanirian'izay matahotra azy izy,
mihaino ny fitarainany sy mamonjy azy.
20SCHIN
Miambina izay rehetra tia azy Iaveh,
ary mandringana ny ratsy fanahy rehetra.
21THAV
Aoka ny vavako hitory fiderana an'ny Tompo,
ary ny nofo rehetra hisaotra ny anarany masina
mandrakizay doria! >