Bokin'i Baroka

Toko faha-6

1 (Kopian'ny taratasy nampitondrain'i Jeremia an'ireo ho entin'ny mpanjakan'ny Babilonia ho babo any Babilona, milaza amin'izy ireo ny nasain'Andriamanitra hambara aminy.) Noho ny fahotana nataonareo teo anatrehan'Andriamanitra, dia heontin'i Nabokodonozora mpanjakan'i Babilona ho babo any Babilona hianareo.

2 Ka rahefa tonga any Babilona hianareo, dia hitoetra any taona maro amam-potoana lava, hatramin'ny taranaka fahafito; fa rahefa afaka izany, no hitondra anareo mivoaka avy any amim-piadanana aho. 3 Ary any Babilona hianareo dia hahita andriamanitra volafotsy na volamena na hazo, izay entin'ny olona an-tsoroka, sady maharaiki-tahotra ny firenena. 4 Koa mitandrema fa aza mba tahaka an'ireo hafa firenena hianareo, na mba mety ho azon-tahotra an'izany andriamanitra izany. 5 Fa rahefa mahita ny vahoaka be mifanizina eo aloha na avy eo aoriana sy manome voninahitra an'ireny hianareo, dia izao no lazao ao am-ponareo: Hianao, ry Tompo, no tsy maintsy hotsaohina! 6 Fa momba anareo ny anjeliko, ka izy no miahy ny ainareo. 7 Fa ny lelan'ireo andriamanitra ireo, nolamboin'ny mpanao taozavatra; petahana volamena sy volafotsy; nefa fitaka ihany izy, fa tsy mahateny akory.

8 Hoatra ny atao amin'ny zazavavy tia haingo, noraisin'olona ny volamena, dia nanamboarany fehiloha hatao eo an-dohan'ireo andriamanitra ireo. 9 Ny mpisorona aza, sahy maka volamena amam-bolafotsy amin'ny andriamaniny, dia entiny ataony amin'izay ilany azy; 10 ny vehivavy janga ao an-tranony aza hanomezany. Ravahan'izy ireo amin'ny fitafiana sarobidy, hoatra ny olona, ireo andriamanitra volafotsy, na volamena, na hazo ireo; 11 nefa tsy maharo tena amin'ny harafesina na ny olitra akory. 12 Rahefa avy notafiana akanjo jaky izy ireny, dia tsy maintsy fafana koa ny tavany, noho ny vovoka ao an-tranony fa mandrakotra azy matevina be. 13 Indro, misy anankiray mitana tehim-panjakana, mova tsy ilay mpanapaka amin'ny faritany iny; nefa tsy hahavono izay nanisy ratsy azy. 14 Misy anankiray hafa koa, mitan-tsabatra na famaky amin'ny tànany; nefa tsy mahay miaro tena amin'izay fahavalo amam-pangalatra velively! Hita mazava amin'izany fa tsy andriamanitra akory ireny; 15 ka aza matahotra azy. Tahaka ny vilany ananan'olona, rahefa vaky dia zary tsinontsinona; toy izany koa ny andriamanitr'izy ireo. 16 Raha apetrakareo ao an-trano izy ireny, dia fenon'ny vovoka avy amin'ny tongotr'izay miditra ao ny masony. 17 Toy ny fanidy tsara ny varavaran'ny trano maizina, izay asiana ny olona nanisy ratsy ny mpanjaka, na ny olona efa ho entin-kovonoina, no fiaron'ny mpisorona ny tranon'ireo andriamaniny, amin'ny varavarana mafy, amin'ny hidim-baravarana aman-karetsaka, fandrao robain'ny mpangalatra ireny. 18 Mandrehitra lalampy izy ireo, sady ataony maro be noho ny ho an'ny tenany, nefa iretsy andriamaniny tsy afa-mahita iray amin'izany akory. 19 Toy ny anankiray amin'ny sakamandimbin-trano izy ireo, ka ny olona milaza fa ny atiny efa lanin'ny bibikely, mivoaka avy amin'ny tany sy mandevona azy mbamin'ny fitafiany, nefa izy tsy mahatsiaro izany akory. 20 Ny tavany, nanjary maintin'ny setroka mipololotra avy ao an-trano. 21 Ny tenany aman-dohany, anidintsidinan'ny vorondolo aman-tsidintsidina, mbamin'ny voron-kafa; hatramin'ny saka avy no mikarenjy toy izany eo. 22 Ho fantatrareo amin'izany fa tsy andriamanitra akory ireny, ka aza matahotra azy. 23 Ny volamena apetaky ny olona handravahana azy, raha tsy misy manesotra ny harafesina aminy, tsy hainy ampamirapiratina akory, satria tsy mandre na inona na inona aza izy, tamin'ny nandrendrehana azy.

24 Novidin-dafo loatra ireo sampy ireo, nefa tsy misy fofon'aina kely akory. 25 Tsy manan-tongotra izy ireo, fa olona no milanja azy an-tsoroka, ka maneho amin'ny olona izy amin'izany ny tsy fahefany mahamenatra. Aoka hiara-menatra aminy koa izay manompo azy. 26 Raha potraka amin'ny tany izy, tsy afa-miarina ho azy; ary raha hatsangan'olona izy, tsy afa-mijoro ho azy. Toy ny atao eo anatrehan'ny maty ny fanatitra atao eo anatrehany. 27 Amidin'ny mpisorona ny sorona aterin'ny olona aminy, ka entiny manasoa ny tenany; ny vadin'ireo no manao omby sira amin'izany, sady tsy mba misy omeny na ny mahantra na ny kilemaina. 28 Na ny vehivavy vao avy niteraka, na izay mbola amin'ny toetra maloto, samy mikasika ny sorony. Koa rahefa fantatrareo amin'izany fa tsy andriamanitra ireny, dia aza atahoranareo. 29 Ary ahoana ary no hiantsoana an'ireny hoe andriamanitra? Fa vehivavy no tonga manolotra ny fanatiny amin'ireo andriamanitra volafotsy, na volamena, na hazo ireo. 30 Ny mpisorona, ao an-tempolin'izy ireo, dia mipetraka, ny ankanjony rovitra, ny lohany aman-tavany voaharatra; ary ny lohany tsy misatroka. 31 Minaonaona mikiakiaka eo anatrehan'ny andriamaniny izy ireo, mova tsy ny any amin'ny fihinanam-be raha misy maty. 32 Esorin'ny mpisorony ny fitafian'izy ireny, dia atafiny ny vadiny aman-janany. 33 Na asian-dratsy na asian-tsoa, samy tsy hisy voavaliny izany; tsy mahay manangana mpanjaka izy, na manongana azy. 34 Tsy mahay manome harena koa izy, na dia variraiventy aza. Raha misy nanao voady taminy, ka tsy manefa izany, dia tsy mitaraina izy. 35 Tsy hanafaka olona iray akory amin'ny fahafatesana izy, na hanatsoaka ny osa eo an-tanan'ny manam-pahefana. 36 Tsy hampihiratra jamba izy, na hahafaka olona amin'ny fahoriana manjo azy. 37 Tsy hamindra fo ny mpitondratena izy, na hanisy soa ny kamboty. 38 Manahaka ny vatolampy miendaka avy amin'ny tendrombohitra ireny sampy hazo voapetaka volamena sy volafotsy ireny; ka izay manompo azy no hahazo henatra. 39 Ahoana ary no hinoana na hilazana fa andriamanitra ireny? 40 Ny Kaldeana aza, manala baraka azy ireny; fa nony mahita olona tsy mahateny izy ireo, dia manolotra azy an'i Bela, sady mangataka mba ho afa-miteny ilay moana, mova tsy ny mahare zavatra iny ilay andriamanitra. 41 Ary na dia fantany aza izany, dia tsy mety mahafoy ny sampiny izy; satria tsy manam-pandrenesana ireny. 42 Ny vehivavy mietra tady, mandeha hipetraka eny an-dàlam-be any, mandoro lafarina ratsiratsy foana; 43 nony misy mpandalo mitarika ny iray amin'izy ireo, ka nandry taminy, dia maneso ny namany eo akaikiny izy, fa tsy mba noheverina ho mendrika izany haja izany; ka tsy mba nahita ny randran-jozorony tapaka. 44 Fitaka avokoa izay rehetra atao momba ny sampy; ka ahoana no hinoana na hilazana fa andriamanitra izy? 45 Ny mpanao taozavatra amam-panefy volamena no nanao azy ireny; tsy mety ho hafa toetra afa-tsy arak'izay itiavan'ny mpanao azy izy.

46 Ary ireo mpiasa namorona azy tsy manana andro lava hiainana; ka aiza indray no haharetan'izay asa nataony? 47 Fitaka sy latsa no hany sisa navelany ho an'ny taranany. 48 Nony injay misy ady, na loza hafa, dia miara-midinika ny mpisorona, hahitany izay hieren'izy sy ireo andriamaniny. 49 Ahoana ange no tsy hahalalan'ny olona fa tsy andriamanitra ireo izay tsy maharo tena amin'ny ady, na ny loza hafa? 50 Ho hita any aoriana any fa fitaka fotsiny ireo sampy hazo voapetaka volamena sy volafotsy ireo; hiharihary amin'ny firenena rehetra sy ny mpanjaka rehetra fa tsy andriamanitra izy ireo, fa asan-tanan'olombelona ihany; ary tsy misy ao aminy izay asan'Andriamanitra akory.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0956