Bokin'i Baroka

Toko faha-6

51 Amin'iza indray ary no mbola tsy hazava ihany fa tsy andriamanitra ireo? 52 Izy ireo tsy hahatsangana mpanjaka amin'ny tany na oviana na oviana, na hahalatsaka orana amin'ny olombelona.

53 Tsy hahay hitsara ny raharaha momba ny tenany, na haharo amin'ny tsy rariny; satria tsy mahefa na inona na inona, hoatra ny voronkahaka mihevaheva anelanelan'ny lanitra sy ny tany izy. 54 Ary raha avy izay hianjeran'ny afo amin'ny tranon'ireo andriamanitra hazo, voapetaka volamena sy volafotsy ireo, ny mpisorony ho vaky mandositra sy ho voavonjy; fa izy kosa ho levona toy ny sakamandimby ao fovoan'ny afo. 55 Tsy hahatohitra mpanjaka iray na tafika iray akory izy; ka ahoana no anekena sy iheverana azy ho andriamanitra? 56 Tsy afa-mandositra ny mpangalatra aman-jiolahy ireo andriamanitra hazo, voapetaka volafotsy amam-bolamena ireo.

57 Halain'ny olona mahefa noho izy ireo ny volafotsy amam-bolamena, dia hitsoaka izy mitondra ny fitafiana sarobidy natafin'ny olona an'ireo; ireo andriamanitra ireo kosa tsy hahavonjy tena! 58 Koa aleo ho mpanjaka maneho ny heriny, na vilany nahasoa ao an-trano, ampiasain'ny tompony, toy izay ho izany andriamanitra sandoka izany. 59 Ny masoandro amam-pahazavana mbamin'ny kintana izay mamirapiratra sy alefa hahasoa ny olombelona, dia manaiky an'Andriamanitra. 60 Torak'izany koa, ny helatra raha miseho, maha-te-hijery; ny rivotra koa, mifofofofo amin'ny tany rehetra; 61 ary ny rahona koa, rahefa didian'Andriamanitra hitety ny tany rehetra, manatanteraka izay nandidiana azy. 62 Torak'izany koa ny afo, raha irahina avy any ambony handevona ny tendrombohitra mbamin'ny ala, manefa izay nandidiana azy. Fa ny sampy kosa, tsy mba azo ampitahaina amin'ireo zavatra rehetra ireo akory, na amin'ny hatsaran-tarehy, na amin'ny hery. 63 Koa tsy mety ny mihevitra na milaza an'ireo ho andriamanitra, satria tsy mahay manavaka izay rariny izy, na afa-manisy soa ny olombelona. 64 Koa rahefa fantatrareo àry fa tsy andriamanitra ireny, dia aza matahotra azy. 65 Tsy mahay manozona na mitso-drano ny mpanjaka ireny;

66 tsy maneho famantarana any an-danitra amin'ny firenena, na mamirapiratra hoatra ny masoandro; na mahazava hoatra ny volana. 67 Aleo ny biby, toy izay ireny; satria ny biby mahay mandositra ka hahita fialofana dia hanasoa ny tenany ahay. 68 Koa amin'izany, na avadika atsy na avadika aroa, dia tsy mazava amintsika ny maha-andriamanitra an'ireny; koa aza matahotra azy. 69 Toy ny kiady anaty saham-boatango, tsy maharo na amin'inona na amin'inona, torak'izany koa ny andriamanitra hazon'izy ireo, voasarona volamena amam-bolafotsy.

70 Sahala aminny tsilo milobolobo anaty tanimboly izay itaingenan'ny vorona rehetra; na sahala amin'ny faty voatsipy amin'ny toerana maizimaizina, ny andriamanitra hazon'izy ireo, voasarona volamena amam-bolafotsy. 71 Na ny jaky sy ny lamba mena mangatrakatraka izay mihasimba eny amin'izy ireo aza, maneho fa tsy andriamanitra izy. Ary na ny tenan'izy ireo aza, dia ho levona no hiafarany sy hanjary fahafam-baraka amin'ny tany. 72 Aleo ny olo-marina tsy manan-tsampy, fa tsy mba manan-katahorana ny ho menatra izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0465