Bokin'i Daniely

Daniely toko 3
Ireo Hebrio telo lahy tao anatin'ny memy - Ilay sariolona tao amin'ny tanilemaka Dora, nasaina nivavahana - Nampangaina izy telo lahy, naman'i Daniely fa tsy nety nivavaka tamin'io; nantsoina ho eo anatrehan'i Nabokodonozora izy ireo, dia nohelohina hatsipy ao amin'ny memy mirehitra - Ny vavaka nataon'ireo tao anaty memy - Novonjen'ilay anjelin'ny Tompo izy ireo - Ny hira fisaoran'izy ireo - Nankalaza ny Andriamanitra marina Nabokodonozora sady nanondro-boninahitra azy ireo.

       1 Ary Nabokodonozora mpanjaka nanao sariolona volamena enimpolo hakiho ny hahavony, enina hakiho ny sakany, natsangany teo amin'ny tanilemaka Dorà ao amin'ny faritanin'i Babilona. 2 Dia nasain'i Nabokodonozora mpanjaka nivory ny solom-panjaka, ny masoivoho, ny governora, ny andriam-baventy, ny mpitahiry volam-panjakana, ny mpahay lalàna, ny mpitsara, ary ny mpifehy rehetra isam-paritany mba ho tonga hanatrika ny fitokanana ilay sariolona natsangan'i Nabokodonozora mpanjaka. 3 Koa nivory ny solom-panjaka, ny masoivoho, ny governora, ny andriam-baventy, ny mpahay lalàna, ny mpitsara, mbamin'ny mpifehy rehetra isam-paritany, ho amin'ny fitokanana ny sariolona natsangan'i Nabokodonozora mpanjaka, ary nitsangana teo anatrehan'ity sariolona natsangan'i Nabokodonozora izy ireo. 4 Nisy mpikabary niantso tamin'ny feo mahery hoe: Izao no ampahalalaina anareo vahoaka amam-pirenena sy samihafa fiteny: 5 Raha vao renareo ny feon'ny anjomara, ny sobaba, ny lokanga, ny samboka, ny valoha, ny farara, mbamin'ny zava-maneno isan-karazany, dia miankohofa hianareo, hitsaoka ny sariolona volamena natsangan'i Nabokodonozora mpanjaka. 6 Na zovy na zovy tsy miankohoka sy tsy mitsaoka, dia hatsipy miarak'amin'izay ao anatin'ny memy mirehitra afo mivaivay. 7 Ka raha vao ren'ny vahoaka rehetra ny feon'ny anjomara, ny sobaba, ny lokanga, ny samboka, ny valiha, mbamin'ny zava-maneno isan-karazany, dia niankohoka avokoa ny vahoaka amam-pirenena sy ny samihafa fiteny, nitsaoka ny sariolona natsangan'i Nabokodonozora mpanjaka. 8 Tamin'izay kosa dia tamin'io fotoana io indrindra, nisy Kaldeana nanatona, nanaratsy ny Jody. 9 Niteny izy ireo ka nanao tamin'i Nabokodonozora mpanjaka, hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie hianao! 10 Hianao, ry mpanjaka, efa namoaka didy, fa ny olona rehetra handre ny feon'ny anjomara, ny sobaba, ny lokanga, ny samboka, ny valiha, ny farara, mbamin'ny zava-maneno isan-karazany, dia tsy maintsy hiankohoka hitsaoka ny sariolona volamena; 11 ary na zovy na zovy tsy hiankohoka hitsaoka, dia hatsipy amin'ny memy mirehitra afo mivaivay. 12 Misy kosa anefa Jody, notendrenao ho tonian'ny raharaha amin'ny fehin'i Babilona, dia Sidraka, Misaka, Abdenegao, ka ireo olona ireo mamotsifotsy anao, ry mpanjaka; tsy manompo ny andriamanitrao ary tsy miankohoka eo anatrehan'ny sariolona volamena natsanganao.
       13 Tamin'izay tezitra sy nisafoaka Nabokodonozora, ka nasainy nalaina Sidraka, Misaka, Abdenagao, dia nentina ho eo anatrehan'ny mpanjaka, izy telo lahy ireo. 14 Dia niteny Nabokodonozora, ka nanao tamin'ireo hoe: Fanahy inianareo va, ry Sidraka, Misaka ary Abdenegao, no tsy anompoanareo ny andriamanitro sy tsy itsaoahanareo ny sariolona volamena natsangako? 15 Ankehitriny, raha vonon-kiankohoka hitsaoka ny sariolona nataoko hianareo, raha vao mandre ny feon'ny anjomara, ny sobaba, ny lokanga, ny samboka, ny valiha, ny farara mbamin'ny zava-maneno isan-karazany... Fa raha tsy mitsaoka azy hianareo, dia hatsipy miaraka amin'izay ao anatin'ny memy mirehitra afo mivaivay, ka iza moa no andriamanitra hahavonjy anareo amin'ny tànako? 16 Fa namaly Sidraka sy Misaka ary Abdenegao, ka nanao hoe: Ry Nabokodonozora ô, tsy misy tokony havalinay anao. 17 Raha mahavonjy anay tokoa ny Andriamanitra tomponay, dia hovonjeny amin'ny memy mirehitra afo mivaivay sy amin'ny tànanao izahay, ry mpanjaka ô! 18 Ary na tsy hataony aza izany, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa tsy hanompo izay andriamanitrao izahay, na hiankohoka eo anatrehan'izay sariolona volamena natsanganao.
       19 Dia feno hatezerana Nabokodonozora, ary niova tamin'i Sidraka sy Misaka sy Abdenegao ny tarehany. Nanohy niteny indray izy, ka nasainy nohafanaina ny memy impito mihoatra noho ny niheveran'ny olona ny tokony hanafanana azy; 20 ary ny miaramila sasany izay matanjaka indrindra amin'ny tafiny, no nasainy namatotra an'i Sidraka, Misaka, Abdenegao, sy hanipy ireo ao anatin'ny memy mirehitra afo mivaivay. 21 Tamin'izay ireo lehilahy ireo mbola miakanjo ny akanjo vitiny, ny akanjo lavany, ny kapaotiny, mbamin'ny fitafiany rehetra, dia nafatotra sy natsipy tao anatin'ny memy mirehitra afo mivaivay. 22 Noho ny tenin'ny mpanjaka efa nahamaika, sady tafahoatra loatra ny namanana ny memy, dia matin'ny lelafo ireo lehilahy nanipy an'i Sidraka sy Misaka sy Abdenegao tao. 23 Ary izy telo lahy kosa, Sidraka, Misaka, Abdenegao, dia voatsipy am-patorana tao anatin'ny memy mivaivay.

(izao manaraka izao tsy hitako tao amin'ny boky hebrio)
       24 Tao afovoan'ny lelafo izy ireo, dia nandehandeha, nidera an'Andriamanitra sy nisaotra ny Tompo. 25 Ary Azariasa, nitsangana nanao ity fivavahana ity; ka niloa-bava tao afovoan'ny lelafo nanao hoe:
       26 Isaorana anie hianao, ry Tompo Andriamanitry ny razanay;
mendrika homen-dera amam-boninahitra mandrakizay ny anaranao;
       27 fa marina hianao amin'izay rehetra nataonao taminay,
ary marina avokoa ny asanao rehetra;
mahitsy ny làlanao;
ary an-drariny ny fitsaranao.
       28 Satria fitsarana an-drariny no nataonao,
tamin'ny loza rehetra nentinao namely anay,
sy namely an'i Jerosalema, tanàna masin'ny razanay;
fitsarana an-drariny no nanaovanao izany rehetra izany
noho ny fahotana nataonay.
       29 Satria nanota sy nanao ratsy izahay nihataka taminao,
ary diso tamin'ny zavatra rehetra.
       30 Tsy nihaino ny didinao izahay
ary tsy nitandrina izany,
sady tsy nanao izay nandidinao anay,
izay hany ho nahasambatra anay.
       31 Izay rehetra nentinao namely anay,
izay rehetra nataonao taminay
dia fitsarana an-drariny no nanaovanao izany.
       32 Nanolotra anay ho eo an-tanan'ny fahavalo ratsy hianao,
dia ireo mpivadika mikiry hamely anay,
sy ny mpanjaka faran'izay ratsy sy loza be indrindra eto an-tany.
       33 Ary ankehitriny izahay tsy sahy miloa-bava,
voan'ny henatra aman-datsa ny mpanomponao,
mbamin'izay rehetra mitsaoka anao.
       34 Aza dia ho voatolotrao mandrakizay anie izahay noho ny amin'ny anaranao,
ary aza dia foananao ny fanekenao.
       35 Aza dia esorinao aminay ny famindram-ponao,
noho ny amin'i Abrahama sakaizanao,
sy Isaaka mpanomponao
ary Israely masinao,
       36 izay nampanantenainao hampitomboin-taranaka
ho toy ny kintana eny an-danitra,
sy ny fasika eny amoron-dranomasina.
       37 Fa efa nahena teo imason'ny firenena rehetra izahay, Tompo ô,
sady voaetry ankehitriny amin'ny tany rehetra,
noho ny fahotana nataonay.
       38 Amin'izao fotoana izao izahay tsy manana mpanapaka na mpifehy, na mpaminany,
na sorona dorana, na sorona fanatitra, na emboka manitra,
na fitoerana hanateranay ny voaloham-bokatray eo anatrehanao ka hahitanay famindram-po.
       39 Nefa Tompo ô, aoka ho voaray ihany anie izahay
amin'izao fonay torotoro sy fanahy manetry tena
       40 toy ny andraisanao ireo sorona ondralahy aman'ombalahy
na zanak'ondry matavy arivo;
aoka ho toy izany ny soronay ankehitriny eo anatrehanao,
mbamin'ny fanekenay anao,
fa tsy hahazo henatra izay mametraka ny fitokiany aminao.
       41 Ankehitriny izahay manaraka anao amin'ny fonay rehetra,
matahotra anao sy mitady ny tavanao.
       42 Aza atao fola-tana-manondro izahay
fa ento araka ny hamoram-ponao
sy araka ny haben'ny famindram-ponao!
       43 Vonjeo amin'ny fahagagana ataonao izahay,
ary omeo voninahitra ny anaranao, Tompo ô!
       44 Aoka ho menatra izay rehetra manisy ratsy ny mpanomponao,
aoka ho safo-kenatra noho ny fahaverezan'ny fahefany rehetra;
ary ho torotoro ny tanjany;
       45 aoka ho fantany fa hianao no Tompo, sy Andriamanitra tokana
ary mpanjaka be voninahitra amin'ny tany rehetra.
       46 Ireo mpanompon'ny mpanjaka izay nanipy azy telo lahy tao anatin'ny memy, izany, tsy nitsahatra ny namana azy tamin'ny solika, vorovoro-drongony, ditin-kazo, aman-dratsam-boaloboka. 47 Nisondrotra efapolo hakiho teo ambonin'ny memy ny lelafo, 48 ka nahamay ireo Kaldeana tratrany teo akaikin'ny memy niantsapazany. 49 Fa nidina nankeo amin'ny memy kosa niaraka tamin-dry Azariasa sy ny namany ilay anjelin'ny Tompo ka nahàtany tsy ho eo amin'ny memy ny lelafo; 50 ary ny teo afovoan'ny memy nataony toy ny nifofofofoan'ny rivotra mandefa ranonando; ary tsy nikasika azy ireo akory ny lelafo, sady tsy nandratra na nampaninona azy kely akory. 51 Koa indray nidera sy nankalaza ary nisaotra an'Andriamanitra toy ny vava iray ihany izy telo lahy tao anatin'ny memy nanao hoe:
       52 Isaorana hianao, ry Tompo, Andriamanitry ny razanay
mendrika hoderaina sy homem-boninahitra ary hankalazaina mandrakizay.
Isaorana ny anaranao masina sy be voninahitra,
mendrika ny fiderana ambony indrindra sy ny fankalazana mandrakizay.
       53 Isaorana hianao ao amin'ny tempolin'ny voninahitrao masina
mendrika ny dera amam-boninahitra ambony indrindra mandrakizay.
       54 Isaorana hianao, ao amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakanao
mendrika ny dera amam-pankalazana ambony indrindra mandrakizay.
       55 Isaorana hianao, izay maninteraka ny hantsana ny fijerinao
mipetraka eo ambonin'ny Kerobima,
mendrika ny dera amam-pankalazana ambony indrindra mandrakizay.
       56 Isaorana hianao, eo amin'ny habakabaky ny lanitra,
mendrika ny dera amam-boninahitra mandrakizay.
       57 Isaorinareo rehetra ny Tompo, ry asan'ny Tompo,
derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
       58 Isaory ny Tompo, ry anjelin'ny Tompo,
derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
       59 Isaory ny Tompo, ry lanitra,
derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
       60 Isaory ny Tompo, ry rano, mbamin'izay rehetra eny ambonin'ny lanitra;
derao izy ary ankalazao mandrakizay.
       61 Isaory ny Tompo, ry fahefan'ny Tompo,
derao izy ary, ankalazao mandrakizay.
       62 Isaory ny Tompo, ry masoandro amam-bolana,
derao izy ary, ankalazao mandrakizay.
       63 Isaory ny Tompo, ry kintan'ny lanitra;
derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
       64 Isaory ny Tompo, ry orana aman'ando;
derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
       65 Isaory ny Tompo, ry rivotra alefan'Andriamanitra;
derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
       66 Isaory ny Tompo, ry afo aman-kafanana;
derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
       67 Isaory ny Tompo, ry hatsiaka aman-kafanana;
derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
       68 Isaory ny Tompo, ry ando amam-panala,
derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
       69 Isaory ny Tompo, ry erika mangatsiaka amam-panala;
derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
       70 Isaory ny Tompo, ry ranomandry aman'oram-panala;
derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
       71 Isaory ny Tompo, ry andro aman'alina;
derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
       72 Isaory ny Tompo, mazava sy maizina;
derao izy ary, ankalazao mandrakizay.
       73 Isaory ny Tompo, ry helatra aman-drahona maizina;
derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
       74 Aoka ny tany hisaotra ny Tompo,
aoka izy hidera sy hankalaza azy mandrakizay.
       75 Isaory ny Tompo, ry tendrombohitra sy havoana;
derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
       76 Isaorinareo rehetra ny Tompo, ry zava-maniry amin'ny tany,
derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
       77 Isaory ny Tompo, ry loharano;
derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
       78 Isaory ny Tompo, ry ony aman-dranomasina;
derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
       79 Isaory ny Tompo, ry biby ngeza mbamin'izay mihetsiketsika rehetra ao anaty rano,
derao izy ary ankalazao mandrakizay.
       80 Isaorinareo rehetra ny Tompo, ry voromanidina;
derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
       81 Isaorinareo rehetra ny Tompo, ry bibidia amam-biby fiompy;
derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
       82 Isaory ny Tompo, ry zanak'olombelona;
derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
       83 Aoka Israely hidera ny Tompo,
aoka izy hidera sy hankalaza azy mandrakizay.
       84 Isaory ny Tompo, ry mpisoron'ny Tompo;
derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
       85 Isaory ny Tompo, ry mpanompon'ny Tompo;
derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
       86 Isaory ny Tompo, ry fanahy amam-panahin'ny marina;
derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
       87 Isaory ny Tompo, ry olo-masina sy hianareo manetry tena ao am-po;
derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
       88 Isaory ny Tompo, ry Ananiasa sy Azariasa sy Misaely;
derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
Fa nanesotra antsika tamin'ny seoly izy,
ary nanafaka antsika tamin'ny herin'ny fahafatesana;
namonjy antsika tamin'ny memin'ny afo mivaivay izy;
ary nanesotra antsika teo afovoan'ny afo.
       89 Ankalazao ny Tompo, fa tsara fo izy;
fa maharitra mandrakaizay ny famindram-pony.
       90 Hianareo rehetra, olona tia vavaka;
misaora ny Tompo, Andriamanitry ny andriamanitra;
derao izy ary ankalazao,
fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.

(Teny tsy hita tamin'ny hebrio ireo tapitra eto ireo, fa ny dikany nataonay teto dia avy amin'ny boky navoakan'i Teodotiona)
       91 Talanjona loatra tamin'izay Nabokodonozora mpanjaka, ka nitsangana faingana. Niteny izy ka nanao amin'ireo mpanolo-tsainy hoe: Tsy olona telo lahy nifatotra va no natsipitsika tao anatin'ny memy? Dia hoy ny navalin'ireo ny mpanjaka: Izany tokoa, ry mpanjaka. Ary hoy izy niteny indray: Izaho anefa, indreo, mahita efa-dahy tsy mifatotra, 92 mandehandeha ao afovoan'ny afo, tsy misy manino-maninona akory, ary ny fijery an'ilay fahefatra hoatra ny zanak'andriamanitra. 93 Dia nanatona ny varavaran'ny memy mirehitra mivaivay Nabokodonozora, ka dia niteny izy nanao hoe: Ry Sidraka sy Misaka sy Adbenegao, mpanompon'Andriamanitra avo indrindra, mivoaha ary avia. Dia nivoaka avy ao afovoan'ny afo, Sidraka sy Misaka ary Abdenegao. 94 Ary nivory ny solom-panjaka, ny masoivoho, ny governora mbamin'ny mpanolo-tsain'ny mpanjaka, nijery ireto olona, ka tsy nahefa na inona na inona tamin'ny vatany ny afo, tsy nisy may ny volon-dohany, tsy niova akory ny akanjony, na nisy fofon'afo akory.
       95 Niteny Nabokodonozora ka nanao hoe: Isaorana anie ny Andriamanitr'i Sidraka sy Misaka sy Adbenegao, fa naniraka ny anjeliny hamonjy ny mpanompony izay natoky azy sy nandika ny didin'ny mpanjaka, ary nanolo-tena mba tsy hanompo na hitsaoka andriamani-kafa hafa-tsy ny Andriamaniny ihany. 96 Ka izao no lalàna avoaka amin'ny anarako: Ny olona rehetra na inona fokony, na inona fireneny amam-piteniny, izay miteny ratsy ny Andriamanitr'i Sidraka sy Misaka sy Abdenegao, dia hotetehina madinika, sady hatao fanarian-java maloto ny tranony, satria tsy misy andriamani-kafa mahay mamonjy hoatra izany.
       97 Tamin'izay ny mpanjaka, nanambina an'i Sidraka sy Misaka ary Abdenegao, teo amin'ny faritanin'i Babilona.
       98 Ho an'ny foko sy firenena amam-piteny samihafa rehetra Nabokodonozora mpanjaka. Homena fiadanam-be anie hianareo. 99 Noheveriko ho mety ny manambara ny famantarana amam-pahagagana nataon'Andriamanitra avo indrindra tamiko. 100 Akory ny halehiben'ny famantarany; akory ny herin'ny fahagagany! Fanjakana mandrakizay ny fanjakany: ary maharitra amin'ny taona mifandimby ny fanapahany.