Bokin'i Daniely

Toko faha-3

51 Koa indray nidera sy nankalaza ary nisaotra an'Andriamanitra toy ny vava iray ihany izy telo lahy tao anatin'ny memy nanao hoe: 52 Isaorana hianao, ry Tompo, Andriamanitry ny razanay mendrika hoderaina sy homem-boninahitra ary hankalazaina mandrakizay. Isaorana ny anaranao masina sy be voninahitra, mendrika ny fiderana ambony indrindra sy ny fankalazana mandrakizay.

53 Isaorana hianao ao amin'ny tempolin'ny voninahitrao masina mendrika ny dera amam-boninahitra ambony indrindra mandrakizay.

54 Isaorana hianao, ao amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakanao mendrika ny dera amam-pankalazana ambony indrindra mandrakizay.

55 Isaorana hianao, izay maninteraka ny hantsana ny fijerinao mipetraka eo ambonin'ny Kerobima, mendrika ny dera amam-pankalazana ambony indrindra mandrakizay.

56 Isaorana hianao, eo amin'ny habakabaky ny lanitra, mendrika ny dera amam-boninahitra mandrakizay.

57 Isaorinareo rehetra ny Tompo, ry asan'ny Tompo, derao izy, ary ankalazao mandrakizay.

58 Isaory ny Tompo, ry anjelin'ny Tompo, derao izy, ary ankalazao mandrakizay.

59 Isaory ny Tompo, ry lanitra, derao izy, ary ankalazao mandrakizay.

60 Isaory ny Tompo, ry rano, mbamin'izay rehetra eny ambonin'ny lanitra; derao izy ary ankalazao mandrakizay.

61 Isaory ny Tompo, ry fahefan'ny Tompo, derao izy ary, ankalazao mandrakizay.

62 Isaory ny Tompo, ry masoandro amam-bolana, derao izy ary, ankalazao mandrakizay.

63 Isaory ny Tompo, ry kintan'ny lanitra; derao izy, ary ankalazao mandrakizay.

64 Isaory ny Tompo, ry orana aman'ando; derao izy, ary ankalazao mandrakizay.

65 Isaory ny Tompo, ry rivotra alefan'Andriamanitra; derao izy, ary ankalazao mandrakizay.

66 Isaory ny Tompo, ry afo aman-kafanana; derao izy, ary ankalazao mandrakizay.

67 Isaory ny Tompo, ry hatsiaka aman-kafanana; derao izy, ary ankalazao mandrakizay.

68 Isaory ny Tompo, ry ando amam-panala, derao izy, ary ankalazao mandrakizay.

69 Isaory ny Tompo, ry erika mangatsiaka amam-panala; derao izy, ary ankalazao mandrakizay.

70 Isaory ny Tompo, ry ranomandry aman'oram-panala; derao izy, ary ankalazao mandrakizay.

71 Isaory ny Tompo, ry andro aman'alina; derao izy, ary ankalazao mandrakizay.

72 Isaory ny Tompo, mazava sy maizina; derao izy ary, ankalazao mandrakizay.

73 Isaory ny Tompo, ry helatra aman-drahona maizina; derao izy, ary ankalazao mandrakizay.

74 Aoka ny tany hisaotra ny Tompo, aoka izy hidera sy hankalaza azy mandrakizay.

75 Isaory ny Tompo, ry tendrombohitra sy havoana; derao izy, ary ankalazao mandrakizay.

76 Isaorinareo rehetra ny Tompo, ry zava-maniry amin'ny tany, derao izy, ary ankalazao mandrakizay.

77 Isaory ny Tompo, ry loharano; derao izy, ary ankalazao mandrakizay.

78 Isaory ny Tompo, ry ony aman-dranomasina; derao izy, ary ankalazao mandrakizay.

79 Isaory ny Tompo, ry biby ngeza mbamin'izay mihetsiketsika rehetra ao anaty rano, derao izy ary ankalazao mandrakizay.

80 Isaorinareo rehetra ny Tompo, ry voromanidina; derao izy, ary ankalazao mandrakizay.

81 Isaorinareo rehetra ny Tompo, ry bibidia amam-biby fiompy; derao izy, ary ankalazao mandrakizay.

82 Isaory ny Tompo, ry zanak'olombelona; derao izy, ary ankalazao mandrakizay.

83 Aoka Israely hidera ny Tompo, aoka izy hidera sy hankalaza azy mandrakizay.

84 Isaory ny Tompo, ry mpisoron'ny Tompo; derao izy, ary ankalazao mandrakizay.

85 Isaory ny Tompo, ry mpanompon'ny Tompo; derao izy, ary ankalazao mandrakizay.

86 Isaory ny Tompo, ry fanahy amam-panahin'ny marina; derao izy, ary ankalazao mandrakizay.

87 Isaory ny Tompo, ry olo-masina sy hianareo manetry tena ao am-po; derao izy, ary ankalazao mandrakizay.

88 Isaory ny Tompo, ry Ananiasa sy Azariasa sy Misaely; derao izy, ary ankalazao mandrakizay. Fa nanesotra antsika tamin'ny seoly izy, ary nanafaka antsika tamin'ny herin'ny fahafatesana; namonjy antsika tamin'ny memin'ny afo mivaivay izy; ary nanesotra antsika teo afovoan'ny afo.

89 Ankalazao ny Tompo, fa tsara fo izy; fa maharitra mandrakaizay ny famindram-pony.

90 Hianareo rehetra, olona tia vavaka; misaora ny Tompo, Andriamanitry ny andriamanitra; derao izy ary ankalazao, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony. (Teny tsy hita tamin'ny hebrio ireo tapitra eto ireo, fa ny dikany nataonay teto dia avy amin'ny boky navoakan'i Teodotiona)

91 Talanjona loatra tamin'izay Nabokodonozora mpanjaka, ka nitsangana faingana. Niteny izy ka nanao amin'ireo mpanolo-tsainy hoe: Tsy olona telo lahy nifatotra va no natsipitsika tao anatin'ny memy? Dia hoy ny navalin'ireo ny mpanjaka: Izany tokoa, ry mpanjaka. Ary hoy izy niteny indray: Izaho anefa, indreo, mahita efa-dahy tsy mifatotra,

92 mandehandeha ao afovoan'ny afo, tsy misy manino-maninona akory, ary ny fijery an'ilay fahefatra hoatra ny zanak'andriamanitra. 93 Dia nanatona ny varavaran'ny memy mirehitra mivaivay Nabokodonozora, ka dia niteny izy nanao hoe: Ry Sidraka sy Misaka sy Adbenegao, mpanompon'Andriamanitra avo indrindra, mivoaha ary avia. Dia nivoaka avy ao afovoan'ny afo, Sidraka sy Misaka ary Abdenegao. 94 Ary nivory ny solom-panjaka, ny masoivoho, ny governora mbamin'ny mpanolo-tsain'ny mpanjaka, nijery ireto olona, ka tsy nahefa na inona na inona tamin'ny vatany ny afo, tsy nisy may ny volon-dohany, tsy niova akory ny akanjony, na nisy fofon'afo akory. 95 Niteny Nabokodonozora ka nanao hoe: Isaorana anie ny Andriamanitr'i Sidraka sy Misaka sy Adbenegao, fa naniraka ny anjeliny hamonjy ny mpanompony izay natoky azy sy nandika ny didin'ny mpanjaka, ary nanolo-tena mba tsy hanompo na hitsaoka andriamani-kafa hafa-tsy ny Andriamaniny ihany.

96 Ka izao no lalàna avoaka amin'ny anarako: Ny olona rehetra na inona fokony, na inona fireneny amam-piteniny, izay miteny ratsy ny Andriamanitr'i Sidraka sy Misaka sy Abdenegao, dia hotetehina madinika, sady hatao fanarian-java maloto ny tranony, satria tsy misy andriamani-kafa mahay mamonjy hoatra izany. 97 Tamin'izay ny mpanjaka, nanambina an'i Sidraka sy Misaka ary Abdenegao, teo amin'ny faritanin'i Babilona.

98 Ho an'ny foko sy firenena amam-piteny samihafa rehetra Nabokodonozora mpanjaka. Homena fiadanam-be anie hianareo.

99 Noheveriko ho mety ny manambara ny famantarana amam-pahagagana nataon'Andriamanitra avo indrindra tamiko. 100 Akory ny halehiben'ny famantarany; akory ny herin'ny fahagagany! Fanjakana mandrakizay ny fanjakany: ary maharitra amin'ny taona mifandimby ny fanapahany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1298