Ny Detoronomy

Toko faha-28

1 Raha manaiky tsara ny feon'ny Tompo Andriamanitrao hianao, ka manaraka sy mitandrina ny didiny rehetra andidiako anao anio, Iaveh Andriamanitrao hanandratra anao ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany.

2 Izao fitahiana rehetra izao no ho tonga aminao sy ho azonao, raha manaiky ny feon'ny Tompo Andriamanitrao hianao. 3 Ao an-tanàna hianao hotahina; any an-tsaha hianao hotahina.

4 Hotahina ny naloaky ny kibonao, ny vokatry ny taninao, ny ateraky ny biby fiompinao, dia ny teraky ny biby manompo lehibe sy ny madinika. 5 Hotahina ny sobika sy ny vata fitahiriza-mofonao. 6 Miditra hianao hotahina, mivoaka hianao hotahina. 7 Ny fahavalo mitsangan-kiady aminao hataon'ny Tompo vaky mandositra eo anoloanao; làlana iray no nandrosoany hiady aminao, fa làlana fito kosa no handosirany eo anoloanao.

8 Handidy ny fitahiany homba anao Iaveh, amin'ny sompitrao sy amin'ny asan-tànanao rehetra. Hotahiny hianao any amin'ny tany izay omen'ny Tompo Andriamanitrao anao. 9 Hampaharitra anao Iaveh ho vahoaka masina ho azy, araka ny efa nianianany taminao, raha mitandrina ny didin'ny Tompo Andriamanitrao hianao, ka mandeha amin'ny làlany;

10 dia ho hitan'ny firenena rehetra fa antsoina aminao ny anaran'ny Tompo ka hatahotra anao izy ireo. 11 Hofenoin'ny Tompo soa hianao, dia ny aloaky ny kibonao, ny teraky ny biby fiompinao, ary ny vokatry ny taninao, any amin'ny tany efa nianianan'ny Tompo tamin'ny razanao homena anao.

12 Hovohan'ny Tompo ho anao ny raki-tsoany, dia ny lanitra, handatsahany ny ranonorana amin'ny fotoany eo amin'ny taninao, sy hitahiany ny asan-tànanao rehetra. Firenena maro no hampisamboranao, fa hianao kosa tsy mba hisambotra. 13 Halahatry ny Tompo ho lohany hianao, fa tsy ho rambony. Ho ambony mandrakariva hianao, fa tsy ho ambany na oviana na oviana, raha tahiny hianao mitandrina ny didin'ny Tompo Andriamanitrao, izay andidiako anao anio, ka mitandrina sy manaraka izany, 14 fa tsy mivily ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavian'ny didy rehetra andidiako anao anio mba hanaraka sy hanompo andriamani-kafa. 15 Fa raha tsy manaiky ny feon'ny Tompo Andriamanitrao kosa hianao, mba hitandremanao sy hanarahanao ny didiny rehetra sy ny lalàna rehetra andidiako anao anio, dia izao no ozona rehetra ho tonga sy hihatra aminao:

16 Ao an-tanàna hianao hozonina; any an-tsaha hianao hozonina.

17 Hozonina ny sobika amam-bata fitahiriza-mofonoa. 18 Hozonina ny aloaky ny kibonao, ny vokatry ny taninao, ny teraky ny biby fiompinao lehibe sy madinika. 19 Miditra hianao hozonina, mivoaka hianao hozonina. 20 Ozona, horohoro ary fampitahorana no hatsindrin'ny Tompo anao amin'izay raharaha hataonao rehetra mandra-paharingana sy levona faingana anao, noho ny haratsian'ny asa nataonao, izay nahafoizanao ahy.

21 Hopetahan'ny Tompo areti-mandringana ny tenanao, mandra-pahalevona anao tsy eo amin'ny tany vao hidiranao hanananao azy. 22 Iaveh hikapoka anao amin'ny areti-mampitsipozipozy, tazo, fanaintainana, hafanana mahamay, andro mihantona, aretim-bary sy niela, ka hoenjehin'ireo hianao, mandra-pahalevona anao. 23 Ny lanitrao eo ambony lohanao ho varahina, ary ny tany eo ambany tongotrao ho vy. 24 Ny vovoka amam-pasika no ranonorana halatsak'Iaveh amin'ny taninao, ka hidina avy any an-danitra hankaminao, mandra-pahalany ritra anao. 25 Hataon'ny Tompo resy eo anoloan'ny fahavalonao hianao, làlana iray no hivoahanao hiady aminy, fa làlana fito kosa no handosiranao eo anoloany, ary ho zavatra mahatsiravina ho an'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany hianao.

26 Hohanin'ny voromanidina rehetra sy ny biby dia ny fatinao, ary tsy hisy hanaitra an'ireny. 27 Iaveh hikapoka anao amin'ny dridran'i Ejipta, fivontosam-body, anakandro, ary hatina tsy laitram-panafody.

28 Iaveh hikapoka anao amin'ny firediredena, fahajambana, ary fahaverezan-tsaina, 29 hitsapatsapa amin'ny mitatao-vovonana, toy ny jamba amin'ny aizim-pito hianao; tsy hahomby amin'ny làlana alehanao, hampahoriana isan'andro hianao, ary hobaboina, nefa tsy hisy hamonjy anao. 30 Hifamofo amim-behivavy hianao, fa olon-kafa no hahazo azy; hanao trano hianao fa tsy honina aminy; hamboly voaloboka hianao, fa tsy hahazo ny vokany. 31 Hovonoina eo imasonao ny ombinao, fa tsy hihinana amin'izany hianao, hotsoahana eo anatrehanao ny ampondranao, fa tsy haverina aminao izy, ary hatolotra ny fahavalonao ny ondrinao, fa tsy hisy hamonjy anao akory. 32 Hatolotra ny firenena hafa ny zanakao lahy aman-janakao vavy, ka ny masonao foana no hipitrapitra sy ho valalanina tontolo andro noho ny alahelo azy, fa ny tànanao tsy hahefa na inona na inona. 33 Ny vokatry ny taninao, ny vokatry ny asanao rehetra, hohanin'olon-kafa tsy fantatrao akory, ary hianao hampahoriana sy homongoin'ny sasany isan'andro. 34 Hanjary adala hianao amin'ny fijerena ny zavatra ho hitan'ny masonao. 35 Hasian'ny Tompo fery ratsy tsy laitra-panafody ny lohalikao sy ny fenao, hasiany hatrany am-paladianao ka hatrany an-tampon-dohanao.

36 Hampandehanin'ny Tompo hianao sy ny mpanjaka natsanganao ho lohanao, ho any amin'ny firenena tsy fantatrao sy tsy fantatry ny razanao, dia hanompo andriamani-kafa vato aman-kazo any hianao, 37 ka hanjary figagan'ny olona sy fanao angano amam-pihomehezana hianao, any amin'izay vahoaka rehetra hitondran'ny Tompo anao any. 38 Be no voan-javatra hoentinao any an-tsahanao fa kely no hakarinao, satria ho lanin'ny valala ireny. 39 Hamboly voaloboka hianao, sy hanolokolo azy koa, fa tsy hisotro ary tsy hioty na inona na inona akory, satria hohanin'ny fositra ireny. 40 Hanana fototr'oliva hianao amin'ny faritaninao rehetra, fa tsy hihosotra diloilo akory, satria hihintsana ny olivanao. 41 Hiteraka zazalahy aman-jazavavy hianao, nefa tsy ho anao ireny, fa ho lasan-ko babo. 42 Ho lanin'ny bibikely ny hazonao rehetra sy ny vokatry ny taninao. 43 Ny vahiny monina eo aminao hisondrotra hatrany ho ambony noho hianao; fa hianao kosa hietry mandrakariva ho ambany; 44 izy hampisambotra anao, fa hianao kosa tsy mba hampisambotra azy, izy ho lohany, fa hianao kosa ho rambony. 45 Hianjera aminao avokoa ireo ozona rehetra ireo, ary hanenjika sy hahatratra anao tokoa, mandra-paharinganao mihitsy, noho hianao tsy nanaiky ny feon'ny Tompo Andriamanitrao, hitandremanao ny didy aman-dalàny nandidiany anao.

46 Ary ho famantarana amam-pahagagana ho anao sy ny taranakao mandrakizay izany. 47 Noho hianao tsy nanompo an'ny Tompo Andriamanitrao an-kafaliana sy an-jotom-po ho valin'ny fananam-be amin'ny zavatra rehetra;

48 dia amin'ny hanoanana sy hetaheta, ary amin'ny fitanjahana sy tsy fananana na inona na inona kosa no hanompoanao ny fahavalonao, izay halefan'ny Tompo hamely anao; hanisy jioga vy ny vozonao mandra-pandringany anao izy. 49 Firenena avy lavitra, avy any amin'ny faravazantany, faingam-pandeha hoatra ny fanidin'ny voromahery, firenena tsy azonao veroka akory no hampandehanin'ny Tompo hamely anao; 50 firenena mahatsiravina endrika, tsy handala ny antitra na hangoraka ny tanora akory.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.128