Ny Detoronomy

Toko faha-28

51 Ho laniny ny teraky ny biby fiompinao sy ny vokatry ny taninao mandra-pahalevona anao. Tsy misy hamelàny ho anao, na vary, na divay vaovao, na diloilo, na teraky ny biby fiompinao, na lehibe na kely, mandra-pandringany anao. 52 Hataony fahirano hianao, anatin'ny vavahadinao rehetra, mandra-paharavan'ny manda avo sy mafy amin'ny taninao, izay nitokianao. Hataony fahirano hianao ao amin'ny vavahadinao rehetra sy amin'ny tany rehetra, izay nomen'ny Tompo Andriamanitrao anao. 53 Hohaninao ny naloaky ny kibonao, dia ny nofon'ny zanakao lahy aman-janakao vavy, izay nomen'ny Tompo Andriamanitrao anao, fa ho mafy loatra ny horohoro amam-pahoriana haneren'ny fahavalonao anao. 54 Ny lehilahy fatra-piangentsana sy zatra manao fiainana indrindra aminareo, ho ratsy fijery ny rahalahiny sy ny vady mandry eo am-pofoany ary ny zanany sisa tsy novonoiny, 55 ary tsy misy omeny amin'ny nofon-janany izay hohaniny, satria tsy hisy sisa intsony ao aminy noho ny hamafin'ny horohoro amam-pahoriana haneren'ny fahavalonao anao, anatin'ny vavahadinao rehetra. 56 Ny vehivavy fatra-piangentsana sy zatra manao fiainana indrindra aminareo, izay malemilemy sy sarotsarotiny ka tsy sahy manitsaka ny tany amin'ny faladiany akory, dia ho ratsy fijery ny vady mandry eo am-pofoany, sy ny zanany lahy aman-janany vavy, 57 noho ny amin'ny ahitra izay nivoaka avy eo anelanelan'ny tongony, sy noho ny zanany vao teraka, satria hohaniny mangingina izany, fa tsy manana na inona na inona izy, noho ny hamafin'ny horohoro amam-pahoriana haneren'ny fahavalonao anao, anatin'ny vavahadinao rehetra. 58 Raha tsy tandremanao tsara ny fanarahana ny teny rehetra amin'ity lalàna ity, izay voasoratra amin'ity boky ity, ka tsy atahoranao ity anarana be voninahitra sy mahatahotra ity hoe Iaveh Andriamanitrao,

59 dia hataon'ny Tompo mahatsiravina mihitsy ny loza hamelezany anao sy ny loza hamelezany ny taranakao, loza lehibe sady tsy tapaka, aretina mafy sy sarotra sitranina. 60 Hataony hihatra aminao indray ny aretina rehetra tany Ejipta izay nampangovitra anao, ka hiraikitra aminao izany. 61 Fanampin'izany, hataon'ny Tompo mahazo anao koa, ny aretina amam-pery isan-karazany izay tsy voasoratra amin'ny bokin'ity lalàna ity, mandra-paharinganao.

62 Hianao efa maro toy ny kintana eny an-danitra iny, ka ho olom-bitsy sisa ho tavela aminao, noho hianao tsy nihaino ny feon'ny Tompo Andriamanitrao. 63 Ho toy ny nifalian'ny Tompo tamin'ny nanasoavany sy nampitomboany anao ihany no hifalian'ny Tompo koa amin'ny handringanany sy handravàny anao kosa, ka hofongorana hianareo amin'ny tany hidiranao hanananao azy. 64 Haelin'ny Tompo any amin'ny vahoaka rehetra hatrany amin'ny faravazantany hianao, ary any dia hanompo andriamani-kafa vato aman-kazo tsy fantatrao na fantatry ny razanao akory.

65 Any amin'izany firenena izany hianao, dia tsy ho afaka ahiahy ary tsy misy tany hitsaharan'ny faladianao; fo tebiteby, maso manjambena ary fanahy miferin'aina no homen'ny Tompo anao any. 66 Ny ainao hihevingevina eo anoloanao, hianao hangovitra andro aman'alina, ka tsy hanompo izay ho velona intsony hianao. 67 Maraina hianao hanao hoe: Malakia hariva! Hariva hianao hanao hoe: Malakia maraina! noho ny tahotra hampivadi-po anao sy ny zavatra ho hitan'ny masonao. 68 Haverin'ny Tompo an-tsambo ho any Ejipta hianao, hihazo ny làlana voalazako taminao hoe: Tsy ho hitanao intsony izany, ary any hianareo hivaro-tena ho andevolahy sy andevovavy amin'ny fahavalonareo nefa tsy hisy mpividy. 69 Izao no tenin'ny fanekena nandidian'ny Tompo an'i Moizy hatao amin'ny zanak'Israely, tany amin'ny tany Moaba, afa-tsy ilay fanekena nataony taminy tany Horeba.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0454