Bokin'i Esdrasa
Esdrasa toko 2
Isan'Israely niara-niverina tamin'i Zorobabela ho any amin'ny tanin'i Jodà.
1 Ireto ny olona ambanivohitra niverina avy amin'izay nanaovana sesi-tany azy, dia izay nentin'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona ho any Babilona, ka niverina ho any Jerosalema sy Jodà, samy ho any an-tanànany avy; 2 dia niverina niaraka tamin'i Zorobabela, Josoe, Nehemia, Saraiasa, Rahelaiasa, Mardokea, Belsana, Mesfara, Begoai, Rehoma, Baana.
Izao no isan'ny ankapobem-bahoaka tamin'Israely: 3 Roa amby fitopolo amby zato sy roa arivo, ny taranak'i Farosa; 4 rao amby fitopolo sy telon-jato ny taranak'i Safatiasa; 5 dimy amby fitopolo sy fiton-jato ny taranak'i Area; 6 roa ambin'ny folo sy valon-jato sy roa arivo ny taranak'i Fahata-Moaba, avy amin'ny zanak'i Josoe sy Joaba; 7 efatra amby dimampolo sy roan-jato amby arivo ny taranak'i Elama; 8 dimy amby efapolo sy sivin-jato ny taranak'i Zetoà; 9 enimpolo sy fiton-jato ny taranak'i Zakai; 10 roa amby efapolo sy enin-jato ny taranak'i Banì; 11 telo amby roapolo sy enin-jato ny taranak'i Belaì; 12 roa amby roapolo sy roan-jato sy arivo ny taranak'i Azagada; 13 enina amby enimpolo sy enin-jato ny taranak'i Adonikama; 14 enina amby dimampolo sy roa arivo ny taranak'i Begoaì; 15 efatra amby dimampolo sy efa-jato ny taranak'i Adìna; 16 valo amby sivifolo ny taranak'i Atera, avy amin'ny terak'i Ezekiasa; 17 telo amby roapolo sy telon-jato ny taranak'i Besaì; 18 roa ambin'ny folo amby zato ny taranak'i Jorà; 19 telo amby roapolo sy roan-jato ny taranak'i Hasoma; 20 dimy amby sivy folo ny taranak'i Gebara; 21 telo amby roapolo amby zato ny taranak'i Betleema; 22 enina amby dimampolo ny mponina tao Netofà; 23 valo amby roapolo amby zato, ny mponina tao Anatota; 24 roa amby efapolo ny taranak'i Azmaveta; 25 telo amby efapolo sy fiton-jato ny zanak'i Kariatiarima sy Kefirà ary Berota; 26 iraika amby roapolo sy enin-jato ny zanak'i Ramà sy Gabaà; 27 roa amby roapolo amby zato ny mponina tao Makmasa; 28 telo amby roapolo sy roan-jato ny mponina tao Betela sy Haì; 29 roa amby dimampolo ny taranak'i Nebao; 30 enina amby dimampolo amby zato ny taranak'i Megbisa; 31 efatra amby dimampolo sy roan-jato sy arivo ny taranak'ilay Elama anankiray; 32 roapolo sy telon-jato ny taranak'i Harima; 33 dimy amby roapolo sy fiton-jato, ny taranak'i Loda sy Hadida ary Honao; 34 dimy amby efapolo sy telon-jato ny taranak'i Jerikao; 35 telopolo sy enin-jato sy telo arivo ny taranak'i Senaà.
36 Mpisorona: Telo amby fitopolo amby sivin-jato ny taranak'Isaiasa tamin'ny fianakavian'i Josoe; 37 roa amby dimampolo sy arivo ny taranak'i Emera; 38 fito amby efapolo sy roan-jato amby arivo ny taranak'i Fasara; 39 fito ambin'ny folo sy arivo ny taranak'i Harima.
40 Levita: efatra amby fitopolo ny taranak'i Josoe sy Kedmiela, avy amin'ny taranak'i Odoiasa. 41 Mpihira: valo amby roapolo amby zato ny taranak'i Asafa. 42 Taranaky ny mpiandry varavarana: sivy amby telopolo amby zato no tontalin'ny taranak'i Seloma, ny taranak'i Atera, ny taranak'i Telmona, ny taranak'i Akoba, ny taranak'i Hatita, ny taranak'i Sobaì.
43 Natineana: ny taranak'i Sihà, ny taranak'i Hasofà, ny taranak'i Tabaota, 44 ny taranak'i Kerosa, ny taranak'i Siaà, ny taranak'i Fadona, 45 ny taranak'i Lebanà, ny taranak'i Hagabà, 46 ny taranak'i Akoba, ny taranak'i Hagaba, ny taranak'i Selmaì, 47 ny taranak'i Hanàna, ny taranak'i Gadela, ny taranak'i Gahera, ny taranak'i Raaià, 48 ny taranak'i Rasina, ny taranak'i Nekodà, ny taranak'i Gazama, 49 ny taranak'i Azà, ny taranak'i Faseà, ny taranak'i Besea, 50 ny taranak'i Azenà, ny taranak'i Monima, ny taranak'i Nefosima, 51 ny taranak'i Bakboka, ny taranak'i Hakofà, 52 ny taranak'i Harhora, ny taranak'i Beslota, ny taranak'i Mahidà, ny taranak'i Harsà, 53 ny taranak'i Berkosa, ny taranak'i Sisarà, ny taranak'i Temà, 54 ny taranak'i Nasià, ny taranak'i Hatifà.
55 Taranaky ny mpanompon'i Salomona: ny taranak'i Sotaì, ny taranak'i Sofereta, ny taranak'i Farodà, 56 ny taranak'i Jalà, ny taranak'i Derkona, ny taranak'i Gedela; 57 ny taranak'i Safatià, ny taranak'i Hatila, ny taranak'i Fokoreta-Asebaima, ny taranak'i Ami. 58 Roa amby sivifolo sy telon-jato no tontalin'ny Natineana sy ny mpanompon'i Salomona.
59 Izao no nandeha avy tany Tel-Melà, Tel-Harsà, Keroba, Adona, Emera, ka tsy nahalaza ny fianakavian-drainy amam-pirazanany, hanamarina ny maha-Israely azy: 60 ny taranak'i Dalaiasa, ny taranak'i Tobia, ny taranak'i Nekodà: roa amby dimampolo sy enin-jato. 61 Ary ny tamin'ny taranaky ny mpisorona: dia ny taranak'i Hobià, ny taranak'i Akosa, ny taranak'i Berzelaì, izay naka vady tamin'ny zanakavavin'i Berzelaì, Galaadita, ka dia nantsoina amin'ny anarany. 62 Nikaroka ny taratasy vavolombelon'ny firazanana izy ireo, fa tsy nahita, ka dia nolazaina ho tsy madio tsy mahatana ny fisoronana; 63 ary noraran'ny governora tsy hihinana ny zavatra masina indrindra izy ireo, mandra-pitsangan'izay mpisorona, hanontany amin'Andriamanitra amin'ny Orima sy ny Tomima.
64 Enimpolo sy telon-jato amby roa arivo sy efatra alina no tontalin'ny fiangonana rehetra, 65 afa-tsy ny mpanompony, lahy amana vavy, izay nisy fito amby telopolo sy telon-jato amby fito arivo. Nisy mpihira, lahy amana vavy, roan-jato, tamin'izy ireo. 66 Ary izao no nananany: soavaly enina amby telopolo sy fiton-jato, mole dimy amby efapolo sy roan-jato, 67 rameva dimy amby telopolo sy efa-jato, ary ampondra roapolo sy fiton-jato amby enina arivo.
68 Nony vao tonga tao amin'ny tranon'ny Tompo, tany Jerosalema, dia maro tamin'ny loham-pianakaviana no nanome fanatitra an-tsitra-po ho an'ny tranon'Andriamanitra, mba hananganana azy eo amin'ilay nitoerany indray. 69 Ny nomeny hatao amin'ny rakitra momba izany asa izany, samy araka ny toe-pananany avy, dia darika volamena arivo sy enina alina, mina volafotsy dimy arivo, ary akanjom-pisoronana zato.
70 Toy izany no nahatafapetraka azy tamin'ny tanànany avy, dia ny mpisorona sy ny levita, ny sarambabem-bahoaka, ny mpihira, ny mpiandry varavarana, sy ny Natineana, ary nonina tamin'ny tanànany avy Israely rehetra.