Bokin'i Esdrasa

Toko faha-2

1 Ireto ny olona ambanivohitra niverina avy amin'izay nanaovana sesi-tany azy, dia izay nentin'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona ho any Babilona, ka niverina ho any Jerosalema sy Jodà, samy ho any an-tanànany avy;

2 dia niverina niaraka tamin'i Zorobabela, Josoe, Nehemia, Saraiasa, Rahelaiasa, Mardokea, Belsana, Mesfara, Begoai, Rehoma, Baana. Izao no isan'ny ankapobem-bahoaka tamin'Israely: 3 Roa amby fitopolo amby zato sy roa arivo, ny taranak'i Farosa; 4 rao amby fitopolo sy telon-jato ny taranak'i Safatiasa; 5 dimy amby fitopolo sy fiton-jato ny taranak'i Area; 6 roa ambin'ny folo sy valon-jato sy roa arivo ny taranak'i Fahata-Moaba, avy amin'ny zanak'i Josoe sy Joaba; 7 efatra amby dimampolo sy roan-jato amby arivo ny taranak'i Elama; 8 dimy amby efapolo sy sivin-jato ny taranak'i Zetoà; 9 enimpolo sy fiton-jato ny taranak'i Zakai; 10 roa amby efapolo sy enin-jato ny taranak'i Banì; 11 telo amby roapolo sy enin-jato ny taranak'i Belaì; 12 roa amby roapolo sy roan-jato sy arivo ny taranak'i Azagada; 13 enina amby enimpolo sy enin-jato ny taranak'i Adonikama; 14 enina amby dimampolo sy roa arivo ny taranak'i Begoaì; 15 efatra amby dimampolo sy efa-jato ny taranak'i Adìna; 16 valo amby sivifolo ny taranak'i Atera, avy amin'ny terak'i Ezekiasa; 17 telo amby roapolo sy telon-jato ny taranak'i Besaì; 18 roa ambin'ny folo amby zato ny taranak'i Jorà; 19 telo amby roapolo sy roan-jato ny taranak'i Hasoma; 20 dimy amby sivy folo ny taranak'i Gebara; 21 telo amby roapolo amby zato ny taranak'i Betleema; 22 enina amby dimampolo ny mponina tao Netofà; 23 valo amby roapolo amby zato, ny mponina tao Anatota; 24 roa amby efapolo ny taranak'i Azmaveta; 25 telo amby efapolo sy fiton-jato ny zanak'i Kariatiarima sy Kefirà ary Berota; 26 iraika amby roapolo sy enin-jato ny zanak'i Ramà sy Gabaà; 27 roa amby roapolo amby zato ny mponina tao Makmasa; 28 telo amby roapolo sy roan-jato ny mponina tao Betela sy Haì; 29 roa amby dimampolo ny taranak'i Nebao; 30 enina amby dimampolo amby zato ny taranak'i Megbisa; 31 efatra amby dimampolo sy roan-jato sy arivo ny taranak'ilay Elama anankiray; 32 roapolo sy telon-jato ny taranak'i Harima; 33 dimy amby roapolo sy fiton-jato, ny taranak'i Loda sy Hadida ary Honao; 34 dimy amby efapolo sy telon-jato ny taranak'i Jerikao; 35 telopolo sy enin-jato sy telo arivo ny taranak'i Senaà. 36 Mpisorona: Telo amby fitopolo amby sivin-jato ny taranak'Isaiasa tamin'ny fianakavian'i Josoe;

37 roa amby dimampolo sy arivo ny taranak'i Emera; 38 fito amby efapolo sy roan-jato amby arivo ny taranak'i Fasara; 39 fito ambin'ny folo sy arivo ny taranak'i Harima. 40 Levita: efatra amby fitopolo ny taranak'i Josoe sy Kedmiela, avy amin'ny taranak'i Odoiasa.

41 Mpihira: valo amby roapolo amby zato ny taranak'i Asafa. 42 Taranaky ny mpiandry varavarana: sivy amby telopolo amby zato no tontalin'ny taranak'i Seloma, ny taranak'i Atera, ny taranak'i Telmona, ny taranak'i Akoba, ny taranak'i Hatita, ny taranak'i Sobaì. 43 Natineana: ny taranak'i Sihà, ny taranak'i Hasofà, ny taranak'i Tabaota,

44 ny taranak'i Kerosa, ny taranak'i Siaà, ny taranak'i Fadona, 45 ny taranak'i Lebanà, ny taranak'i Hagabà, 46 ny taranak'i Akoba, ny taranak'i Hagaba, ny taranak'i Selmaì, 47 ny taranak'i Hanàna, ny taranak'i Gadela, ny taranak'i Gahera, ny taranak'i Raaià, 48 ny taranak'i Rasina, ny taranak'i Nekodà, ny taranak'i Gazama, 49 ny taranak'i Azà, ny taranak'i Faseà, ny taranak'i Besea, 50 ny taranak'i Azenà, ny taranak'i Monima, ny taranak'i Nefosima,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0848