Bokin'i Esdrasa

Toko faha-2

51 ny taranak'i Bakboka, ny taranak'i Hakofà, 52 ny taranak'i Harhora, ny taranak'i Beslota, ny taranak'i Mahidà, ny taranak'i Harsà, 53 ny taranak'i Berkosa, ny taranak'i Sisarà, ny taranak'i Temà, 54 ny taranak'i Nasià, ny taranak'i Hatifà. 55 Taranaky ny mpanompon'i Salomona: ny taranak'i Sotaì, ny taranak'i Sofereta, ny taranak'i Farodà,

56 ny taranak'i Jalà, ny taranak'i Derkona, ny taranak'i Gedela; 57 ny taranak'i Safatià, ny taranak'i Hatila, ny taranak'i Fokoreta-Asebaima, ny taranak'i Ami. 58 Roa amby sivifolo sy telon-jato no tontalin'ny Natineana sy ny mpanompon'i Salomona. 59 Izao no nandeha avy tany Tel-Melà, Tel-Harsà, Keroba, Adona, Emera, ka tsy nahalaza ny fianakavian-drainy amam-pirazanany, hanamarina ny maha-Israely azy:

60 ny taranak'i Dalaiasa, ny taranak'i Tobia, ny taranak'i Nekodà: roa amby dimampolo sy enin-jato. 61 Ary ny tamin'ny taranaky ny mpisorona: dia ny taranak'i Hobià, ny taranak'i Akosa, ny taranak'i Berzelaì, izay naka vady tamin'ny zanakavavin'i Berzelaì, Galaadita, ka dia nantsoina amin'ny anarany. 62 Nikaroka ny taratasy vavolombelon'ny firazanana izy ireo, fa tsy nahita, ka dia nolazaina ho tsy madio tsy mahatana ny fisoronana; 63 ary noraran'ny governora tsy hihinana ny zavatra masina indrindra izy ireo, mandra-pitsangan'izay mpisorona, hanontany amin'Andriamanitra amin'ny Orima sy ny Tomima. 64 Enimpolo sy telon-jato amby roa arivo sy efatra alina no tontalin'ny fiangonana rehetra,

65 afa-tsy ny mpanompony, lahy amana vavy, izay nisy fito amby telopolo sy telon-jato amby fito arivo. Nisy mpihira, lahy amana vavy, roan-jato, tamin'izy ireo. 66 Ary izao no nananany: soavaly enina amby telopolo sy fiton-jato, mole dimy amby efapolo sy roan-jato, 67 rameva dimy amby telopolo sy efa-jato, ary ampondra roapolo sy fiton-jato amby enina arivo. 68 Nony vao tonga tao amin'ny tranon'ny Tompo, tany Jerosalema, dia maro tamin'ny loham-pianakaviana no nanome fanatitra an-tsitra-po ho an'ny tranon'Andriamanitra, mba hananganana azy eo amin'ilay nitoerany indray.

69 Ny nomeny hatao amin'ny rakitra momba izany asa izany, samy araka ny toe-pananany avy, dia darika volamena arivo sy enina alina, mina volafotsy dimy arivo, ary akanjom-pisoronana zato. 70 Toy izany no nahatafapetraka azy tamin'ny tanànany avy, dia ny mpisorona sy ny levita, ny sarambabem-bahoaka, ny mpihira, ny mpiandry varavarana, sy ny Natineana, ary nonina tamin'ny tanànany avy Israely rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0832