Levitika

Toko faha-25

1 Ary Iaveh niteny tamin'i Moizy tany an-tendrombohitra Sinaia nanao hoe:

2 Mitenena amin'ny zanak'Israely ka lazao aminy hoe: Rahefa tafiditra any amin'ny tany omeko anareo hianareo, hisy fitsaharana ho an'ny tany; ho sabata fankalazana an'ny Tompo izany. 3 Mandritra ny taona enina no hamafazanao ny sahanao, mandritra ny taona enina no handrantsananao ny voalobokao sy hitoazanao ny vokany. 4 Fa ny taona fahafito kosa dia ho sabata fitsaharana lehibe ho an'ny tany, sabata fankalazana an'ny Tompo, ka tsy hamafy amin'ny taninao hianao na handrantsana ny voalobokao. 5 Aza mijinja izay maniry, avy amin'ny voa nihintsana tamin'ny fijinjana lasa, na hioty ny salohim-boaloboka avy amin'ny voaloboka tsy norantsanana: taona fitsaharana ho an'ny tany izany. 6 Izay ho vokatry ny tany mandritra ny sabatany dia hatao fivelomana ho anao, mbamin'ny ankizilahinao, ny ankizivavinao, ny mpikaramanao, ny vahiny miara-monina aminao; 7 ary ho an'ny biby fiompinao koa sy ny biby dia eo amin'ny taninao, dia hatao fivelomana ny vokany rehetra. 8 Hanisy taon-tsabata fito impito fito taona hianao: fotoana mahalany sivy amby efapolo taona no faharetan'izany taona sabata fito izany.

9 Ny andro fahafolon'ny volana fahafito dia tsofy ataovy manakoako ny feon'ny trompetra; amin'ny andron'ny Fanonerana dia tsofy hatraiza hatraiza eo amin'ny taninareo ny trompetra. 10 Ary ankamasino ny taona fahadimam-polo, ataovy antso avo ny fahafahana ho an'ny mponina rehetra amin'ny tany. Fa Jobile ho anareo izany, ka samia hianareo mody amin'ny taniny avy, samia mody ao amin'ny fianakaviany avy. 11 Jobile ho anareo ny taona fahadimam-polo: tsy hamafy hianareo, tsy hijinja izay maniry ho azy amin'ny tany; ary tsy hioty ny voaloboka tsy norantsanana, 12 fa Jobile izany, ka masina ho anareo. Izay ho vokatry ny taninareo no hohaninareo. 13 Amin'izany taona Jobile izany, samia hianareo mody amin'ny taninareo avy.

14 Raha misy varotra ifanaovanareo amin'ny namanareo, na misy zavatra vidinareo aminy, dia aza misy mamono antoka ny rahalahiny. 15 Araka ny isan-taona isaina hatramin'ny Jobile lasa teo no hividiananao amin'ny namanao, ary araka ny isan'ny fotoam-pahavokarana no hivarotany aminao. 16 Araka ny hamaroan'ny taona mbola ho avy no hanondrotanao ny vidiny, ary araka ny havitsian'ny taona no hampihenanao ny vidiny: satria ny isan'ny vokatra isan-taon-pijinjana no ivarotany aminao. 17 Aza misy mamono antoka ny rahalahinareo hianareo, fa matahora an'Andriamanitra, satria izaho no Iaveh Andriamanitrareo. 18 Araho ny didiko; tandremo ny fitsipiko, ary tanteraho izany, ka handry fahizay amin'ny tany hianareo.

19 Ny tany hahavokatra, hianareo hihinana amim-panaranam-po, ka dia handry fahizay hianareo. 20 Ndrao manao hoe hianareo: Inona no hohaninay amin'ny taona fahafito, fa tsy hamafy izahay, na hampakatra ny vokatray? 21 Hampidina aminareo ny fanambinako amin'ny taona fahenina aho, dia hahavokatra ho ampy anareo telo taona izy; 22 amin'ny taona fahavalo no hamafazanareo, ka hihinana ny tranainy hianareo, ary hatramin'ny taona fahasivy, mandra-pahavokaran'ny taona dia hihinana ny tranainy hianareo. 23 Tsy azo amidy varo-maty ny tany, fa ahy ny tany; ary hianareo hipetraka aty amiko toy ny vahiny sy olona mpihavy fotsiny.

24 Avelao ho azo avotana avokoa ny tany ao amin'ny tany rehetra hanananareo.

25 Raha tonga mahantra ny rahalahinao ka ivarotany ny sasany amin'ny taniny, dia ny solony, ny havany akaiky, no ho avy ka hanavotra izay namidin'ny rahalahiny. 26 Raha tsy manana olona ho solony ralehilahy, fa ny tenany ihany no mba mahita izay ampy hanavotany azy; 27 hisainy ny taona hatramin'ny nivarotany azy, ka izay an-kevitry ny taona sisa no haloany amin'ilay nivarotany azy, dia hody amin'ny taniny indray izy. 28 Ary raha tsy mahazo izay ampy handoavany izany onitra izany izy dia hitoetra eo an-tànan'ilay nividy ihany aloha ny tany namidiny, mandra-pahatongan'ny taona Jobile, fa amin'ny Jobile dia afaka izy, ka hody amin'ny fananany indray. 29 Raha misy olona mivarotra trano ao anaty tanàna mimanda dia azony avotana izany, mandritra ny herintaona hatramin'ny nivarotany azy, ka maharitra hetintaona maninjitra no ahazoany manavotra azy.

30 Fa raha tsy voavotra mandra-pahatapitry ny herintaona maninjitra kosa ilay trano ao anaty tanàna mimanda, dia tapaka varo-maty ho an'ilay nividy azy sy ho an'ny taranany, ka tsy ho afaka aminy amin'ny Jobile. 31 Fa ny trano ao amin'ny tanàna tsy voaisy manda manodidina kosa, dia hatao momba ny tany ihany: azo avotana ireny, ary ho afaka amin'ny Jobile. 32 Ny amin'ny tanànan'ny Levita kosa, ny amin'ny trano hananany ao an-tanàna, dia azony avotana hatrany hatrany. 33 Raha misy mividy trano amin'ny Levita, dia ho afaka amin'ny Jobile ny trano namidy ao amin'ny tanàna efa nomena azy ireo; satria ny trano ao an-tanànan'ny Levita dia fananany eo afovoan'ny zanak'Israely. 34 Ny saha manodidina ny tanànan'ny Levita, dia tsy hamidy fa fananany mandrakizay izany. 35 Raha misy rahalahinao mihamahantra sy mihaosa tànana eo akaikinao, na dia izay hafa firenena na vahiny aza, dia tohàny izy, mba hivelona eo akaikinao.

36 Aza maka zana-bola na tombony aminy, fa matahora ny Andriamanitrao, ka aoka hivelona eo akaikinao ny rahalahinao. 37 Aza mampanàna vola aminy, na mampisambotra hanina hilan-tombony aminy. 38 Izaho no Iaveh Andriamanitrao, izay namoaka anareo tany amin'ny tany Ejipta, hanomezako anareo ny tany Kanaana, mba ho Andriamanitrareo. 39 Raha mihamahantra ny rahalahinao eo akaikinao, ka mivaro-tena aminao, aza dia ampanaovina asan'andevo izy,

40 fa ataovy toy ny mpikarama, na vahiny an-trano, ary mandra-pahatongan'ny taona Jobile no hanompoany anao. 41 Amin'io dia ho afaka izy mbamin'ny zanany miaraka aminy, ka hody any amin'ny fianakaviany sy hiverina amin'ny fananan-drazany indray. 42 Fa mpanompoko nentiko nivoaka avy any amin'ny tany Ejipta izy ireo ka tsy hamidy toy ny fivarotra andevo. 43 Tsy hizaka azy amin-kalozana hianao, fa hatahotra ny Andriamanitrao. 44 Ireo firenena manodidina anao no azonao angalana andevo lahy na vavy, mba ho anao; amin'ireo no hividiananareo ankizilahy aman'ankizivavy. 45 Ireo zana-bahiny mitoetra eo aminareo koa no azonareo hividianana, na ireo fianakavian'izy ireo, izay miara-monina aminareo, sy naterany teo amin'ny taninareo; ka dia ho fanananareo ireny. 46 Havelanareo ho lovan'ny zanakareo mandimby anareo ireny, mba hizakany azy ireo toy ny fananana; ho andevonareo mandrakizay izy. Fa raha ny amin'ny rahalahinareo, ny zanak'Israely kosa, dia aza misy aminareo mizàka ny rahalahiny amin-kalozana. 47 Raha misy olon-kafa firenena na vahiny tonga nanan-karena teo akaikinao ary misy rahalahinao nihanahantra teo akaikiny, ka nivaro-tena tamin'ilay hafa firenena vahiny eo akaikinao, na amin'ny taranaky ny fianakaviana hafa firenena,

48 dia azo avotana izy, rahefa nivaro-tena; ny iray amin'ny rahalahiny mahazo manavotra azy; 49 na ny rahalahin-drainy, na ny zanadrahalahin-drainy mahazo manavotra azy; na ny iray amin'ny havany akaiky mahazo manavotra azy; na ny tenany, rahefa mba mahazo harena izy, dia hiavo-tena. 50 Izy sy ilay nividy azy no hiara-manisa ny taona hatramin'ny nivarotany tena tamin'izy io, ka hatramin'ny taona Jobile; dia hatao araka izay isan'ny taona ny vola nivarotany ny tenany; hotombanana toy ny fanao amin'ny mpikarama izay andro niasany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.119