Levitika

Toko faha-25

51 Raha mbola maro ny taona sisa, dia haloany araka izay isan'izany taona izany ny vola avony, atao ara-kevitry ny vola nividianana azy ihany. 52 Ary raha vitsy sisa ny taona hatramin'ny Jobile, dia hisaina izany: hatao arak'izany taona izany ny vola avony haloany. 53 Ho toy ny mpikarama an-taona no ho fitoetrany ao aminy; ary tsy ho an-kalozana no hitondrany azy, eo imasonao. 54 Raha tsy misy hanavotana azy akory, dia ho afaka amin'ny taona Jobile izy mbamin'ny zanany miaraka aminy. 55 Satria amiko ny zanak'Israely no mpanompo; mpanompoko nentiko nivoaka avy any amin'ny tany Ejipta izy. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1207