Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-23

1 Tamin'izay dia nitsangana izy rehetra ka nitondra an'i Jesoa tany amin'i Pilaty,

2 ary niampanga azy toy izao: Azonay nampiodina ny firenenay ilay io, sy nandrara tsy handoa hetra ho an'i Sezara, ary nilaza ny tenany ho Kristy mpanjaka. 3 Dia nanontany azy Pilaty nanao hoe: Moa mpanjakan'ny Jody va hianao? ka novaliany hoe: Voalazanao. 4 Ary hoy Pilaty tamin'ny lohandohan'ny mpisorona sy ny vahoaka: Tsy hitako izay mahameloka io lehilahy io. 5 Fa vao mainka nanao letrezana izy ireo nanao hoe: Mampiodina ny vahoaka izy, aeliny eran'i Jodea manontolo ny fampianarany, dia hatrany Galilea izay nanombohany ka hatraty. 6 Nony nandre ny teny hoe Galilea Pilaty, dia nanontany raha olona avy any Galilea izy, 7 ka nony fantany fa hoe avy amin'ny tany fehezin'i Heroda izy, dia nampanateriny tany amin'i Heroda, izay tao Jerosalema koa tamin'izany andro izany. 8 Faly dia faly Heroda nony nahita an'i Jesoa, fa ela no naniriany hahita azy, noho ny fandrenesany azy efa maresaka erý, sady nanantena izy fa hahita azy hanao fahagagana.

9 Nanao fanontaniana maro taminy izy, fa tsy namaly na inona na inona kosa Jesoa. 10 Eo izany ny lohandohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna efa nikiribiby erý miampanga azy. 11 Dia notebahin'i Heroda sy ny miaramilany izy, ka nony efa nampiankanjoiny akanjo fotsy sy nolalaoviny, dia naveriny tany amin'i Pilaty indray. 12 Tamin'izay andro izay dia tonga nisakaiza terý Heroda sy Pilaty, ilay efa nifandrafy teo iny. 13 Nasain'i Pilaty novorìna ny lohandohan'ny mpisorona sy ny mpifehy ary ny vahoaka,

14 ka nilazany hoe: Nentinareo tatý io Lehilahy io, fa hoe mandredri-bahoaka hikomy, ary efa nanadina azy teo anatrehanareo aho, nefa tsy hitako velively izay helony amin'izay iampanganareo azy. 15 Tahaka izany koa Heroda, fa namerina azy ho atý amintsika izy; ary indro tsy misy na inona na inona tokony hanamelohana azy ho faty. 16 Koa hofaiziko izy, dia halefako. 17 Fa tsy maintsy mandefa mpifatotra iray ho an'ny vahoaka rahateo izy amin'ny andro fety. 18 Kanjo indray niredona ny vahoaka niantso hoe: Vonoy io, fa Barabasy alefaso ho anay. 19 Barabasy anefa dia natao an-tranomaizina, satria sendra nisy fikomiana tao an-tanàna, ka namono olona izy. 20 Dia mbola niteny ihany Pilaty, fa te-handefa an'i Jesoa;

21 nefa niantso mafy ny vahoaka nanao hoe: Fantsiho! fantsiho amin'ny hazo fijaliana izy! 22 Fa niteny tamin'izy ireo fanintelony indray Pilaty nanao hoe: Inona àry no ratsy nataony? Tsy hitako izay heloka tokony hahafaty azy; koa hofaiziko izy, dia halefako. 23 Nefa nikiry izy ireo niantso mafy nangataka azy hofantsihana amin'ny hazo fijaliana, ka nitombo nitombo ihany ny horakoraka. 24 Dia nasain'i Pilaty hatao izay nangatahiny: 25 ilay notadiviny ho afaka sy natao an-tranomaizina noho ny fikomiana sy vonoana olona moa nalefany, ary Jesoa kosa natolony hanaovany izay sitra-pony. 26 Ary raha nitondra azy izy ireo, dia nisy lehilahy Sireneana anankiray avy any an-tsaha atao hoe Simona notanany, dia nampitondrainy ny hazo fijaliana nanaraka an'i Jesoa.

27 Nisy vahoaka betsaka nanaraka azy sy vehivavy koa, izay nandon-tratra nitomany azy. 28 Fa nitodika azy ireo Jesoa ka nanao hoe: Ry zanakavavin'i Jerosalema, aza mitomany ahy foana, fa ny tenanareo sy ny zanakareo no itomanio, 29 fa indro ho avy ny andro hanaovana hoe: Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy niteraka ary ny nono izay tsy ninonoana. 30 Amin'izay ny olona vao hilaza amin'ny tendrombohitra hoe: Mianjerà aminay, sy amin'ny havoana hoe: Sarony izahay; 31 fa raha toy izany no ataony amin'ny hazo lena, hatao ahoana amin'ny maina? 32 Ary nisy olon-dratsy roa lahy koa nentin'ny miaramila, hiara-kovonoina amin'i Jesoa.

33 Nony tonga tany amin'ny fitoerana atao hoe Kalvery izy ireo, dia nofantsihany tamin'ny hazo fijaliana izy, sy ireo mpangalatra ireo, ny iray moa teo an-kavanany ary ny iray kosa teo an-kaviany. 34 Dia hoy Jesoa: Raiko, avelao ny helony, fa tsy fantany izay ataony. Ary nanaovan'izy ireo loka no fizara ny fitafiany. 35 Ny vahoaka nijanona nijery teo, ary ny loholona avy no nandatsa azy nanao hoe: Namonjy ny sasany izy ka aoka hamonjy ny tenany, raha izy no Kristin'Andriamanitra, ilay voafidy. 36 Ny miaramila koa naneso azy ka nanatona nanolotra vinaingitra azy, 37 ary nanao hoe: Raha hianao no mpanjakan'ny Jody, vonjeo ny tenanao. 38 Teo ambonin'ny lohany koa dia nisy soratra tamin'ny teny greka sy latina ary hebrio nanao hoe: ITY NO MPANJAKAN'NY JODY.

39 Ary ny anankiray tamin'ireo mpangalatra izay nihantona teo dia nanevateva azy nanao hoe: Raha hianao no Kristy, vonjeo ny tenanao sy izahay. 40 Fa nanarin'ilay anankiray izy, nataony hoe: Ialahy koa ve tsy matahotra an'Andriamanitra, saingy hoe samy voaheloka ho faty izao? 41 Ny antsika dia rariny izao, satria mandray ny valin'ny ratsy nataontsika isika; fa ny azy kosa tsy mba nanao ratsy na inona na inona izy. 42 Dia hoy izy tamin'i Jesoa: Tompoko, tsarovy aho rahefa mby any amin'ny fanjakanao hianao. 43 Ka hoy ny navalin'i Jesoa azy: Lazaiko marina aminao fa anio dia hihaona amiko any am-paradizy hianao. 44 Ary rahefa tokony ho tamin'ny ora fahenina, dia rakotra aizina ny tany rehetra ka naharitra hatramin'ny ora fahasivy izany,

45 fa nihamaizina ny masoandro; ary triatra nisasaka roa ny efitra lamba tao amin'ny tempoly. 46 Ary niantso tamin'ny feo mahery Jesoa nanao hoe: Raiko! apetrako ao an-tànanao ny fanahiko. Nony voalazany izany, dia niala aina izy. 47 Rahefa nahita ny zava-niseho teo ny kapiteny, dia nankalaza an'Andriamanitra ka nanao hoe: Tena olo-marina tokoa io Lehilahy io. 48 Ny vahoaka rehetra vory teo mba hijery koa, nony nandinika ny zava-niseho, dia lasa niverina nandondona ny tratrany. 49 Fa ny olom-pantatr'i Jesoa rehetra kosa dia nijoro teny lavidavitra omban'ireo vehivavy nanaraka azy avy tany Galilea, ka samy nijery izany. 50 Ary nisy lehilahy tsara fanahy sady marina anankiray atao hoe Josefa izay anisan'ny Sanedrina:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3236