Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-23

51 tsy mba nisy neken'izy io na ny hevi-dratsin'ny sasany na ny nataon'izy ireo; avy any Arimatia tanànan'i Jodea izy, ary mba nanantena ny fanjakan'Andriamanitra koa. 52 Nanatona an'i Pilaty izy, ka nangataka ny vatan'i Jesoa. 53 Dia nampidininy ny faty ka nofonosiny lamba, ary naleviny tao anatin'ny fasana anankiray nolavahana tamin'ny vato, sy tsy mbola nandevenana olona. 54 Andro fiomanana tamin'izay andro izay, sady efa hiantomboka ny sabata. 55 Ary ny vehivavy nanaraka an'i Jesoa avy tany Galilea dia niaraka tamin'i Josefa koa, ka nijery ny tao am-pasana sy izay fomba fametrahana ny vatan'i Jesoa. 56 Rahefa niverina avy any izy ireo, dia namboatra zava-manitra sy menaka manitra; fa nony sabata ny andro vao nitsahatra araka ny Lalàna izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0372