Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-10

1 Nony niala teo izy dia tonga tany amin'ny sisin-tanin'i Jodea, an-dafin'i Jordany; ary nivory teo aminy indray ny vahoaka, ka nampianariny indray araka ny fanaony.

2 Dia nanatona azy ny Farisiana mba haka fanahy azy ka nanontany hoe: Mahazo misao-bady va ny lehilahy? 3 Ary izao no navaliny azy ireo: Ahoana no nandidian'i Moizy anareo? 4 Dia hoy izy: Nomen'i Moizy làlana hanao taratasy fisaoram-bady sy hisao-bady ny lehilahy. 5 Fa hoy kosa Jesoa: Ny hamafin'ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo. 6 Fa tamin'ny niandohan'izao tontolo izao, dia lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon'Andriamanitra; 7 noho izany dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin'ny vadiny, 8 ary ho nofo iray izy roroa; koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. 9 Koa aoka izay nakamban'Andriamanitra tsy hosarahin'olombelona. 10 Nony mby tao an-trano, dia nanontany azy ny amin'izany indray ny mpianany, 11 ka hoy izy taminy: Na iza na iza misaotra ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga mandika ny lalàm-panambadiana; 12 ary raha ny vavy koa no misaotra ny lahy ka manambady hafa, dia mijangajanga. 13 Ary nisy nitondra zazakely maromaro mba hametrahany tànana, nefa notenenin'ny mpianatra mafy ireo nitondra;

14 ka tezitra Jesoa nony nahita izany sady nanao taminy hoe: Avelao hanatona ahy ny zaza, fa aza raranareo, satria ny toa azy no hanana ny fanjakan'Andriamanitra. 15 Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza tsy handray ny fanjakan'Andriamanitra tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra any. 16 Dia nofihininy izy ireo, sy nametrahany tànana, ary notsofiny rano. 17 Nony nivoaka handeha izy, dia nisy lehilahy anankiray nidodododo nandohalika teo anatrehany ka nanontany azy hoe: Ry Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?

18 Ary hoy Jesoa taminy: Nahoana no ataonao hoe tsara aho? Tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery. 19 Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga; aza mamono olona; aza mangalatra; aza mety ho vavolombelona tsy marina; aza manambaka; manajà ny rainao aman-dreninao. 20 Dia hoy ny navaliny azy: Mpampianatra ô, hatry ny fony kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany. 21 Ary nijery azy Jesoa, dia tia azy ka nanao taminy hoe: Zavatra iray loha no tsy ampy aminao: mandehana, amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra hianao, ary rahefa izany dia avia hanaraka ahy. 22 Nampahory azy izany teny izany fa nanan-karena be izy, ka niala tamin'alahelo. 23 Ary nijerijery manodidina Jesoa ka nanao tamin'ny mpianany hoe: Akory ny hasarotry ny hidiran'ny mpanan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra! 24 Nony gaga tamin'izany teniny izany ny mpianany, dia hoy indray Jesoa taminy: Sarotra, anaka, ny hidiran'izay miankina amin'ny harena amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 25 Moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vody fanjaitra noho ny hidiran'ny mpanan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 26 Vao mainka gaga izy ireo ka nifampilaza hoe: Iza ary no mety ho voavonjy? 27 Fa nojeren'i Jesoa izy ka nilazany hoe: Amin'ny olombelona zava-tsy vitany izany; tsy mba toy izany amin'Andriamanitra, satria mahavita ny zavatra rehetra Andriamanitra. 28 Ary hoy Piera taminy: Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka anao.

29 Dia hoy ny navalin'i Jesoa azy: Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany noho ny fitiavany ahy sy ny Evanjely, 30 ka tsy hahazo zato heny ankehitriny amin'ity fiainana ity, dia trano, rahalahy, anabavy, reny, zanaka, tany, na dia ao anatin'ny fanenjehana aza, ary ny fiainana mandrakizay any amin'ny ho avy. 31 Fa maro amin'izay farany no ho voalohany, ary amin'izay voalohany no ho farany. 32 Ary nony mby teny an-dàlana ho any Jerosalema izy ireo, dia Jesoa no loha làlana, ka sady gaga ny mpianany no natahotra teny am-panarahana azy. Dia nalainy indray ny roa ambin'ny folo lahy ka nilazany ny hanjo azy:

33 Indro fa miakatra ho any Jerosalema isika, ary ny Zanak'olona dia hatolotra amin'ny lohandohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hohelohina ho faty ka hatolony amin'ny jentily; 34 dia hoesoiny, hororany, hokapohiny, ary hovonoiny, fa hitsangana indray amin'ny andro fahatelo. 35 Ary nanatona azy Jakoba sy Joany zanak'i Zebede ka nanao hoe: Ry Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay hangatahinay aminao.

36 Inona, hoy izy, no tianareo hataoko aminareo? 37 Dia hoy ireo: Aoka ny anankiray aminay mba hipetraka eo an-kavananao, ary anankiray mba ho eo an-kavianao any amin'ny voninahitrao. 38 Ary hoy Jesoa taminy: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; moa mahasotro ny kapoaka izay hosotroiko va hianareo, na mahazaka ny batemy izay hanaovana batemy ahy? 39 Zakanay, hoy ireo taminy. Fa hoy kosa Jesoa: Raha ny kapoaka hosotroiko, dia hosotroinareo ihany tokoa, ary ny batemy hanaovana batemy ahy dia hanaovana batemy anareo ihany koa; 40 fa raha ny hipetraka ao an-kavanako na ao an-kaviako kosa, dia tsy ahy ny hanome izany, fa ho an'izay nanamboarana azy ihany izany. 41 Nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra tamin'i Jakoba sy Joany;

42 fa nantsoin'i Jesoa izy ireo ka nilazany hoe: Fantatrareo fa amin'ny fanjakan'izao tontolo izao, dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy, ary ny lehibe no miseho ho mpanapaka manam-pahefana. 43 Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany; fa izay te-ho lehibe indrindra no aoka ho mpanomponareo, 44 ary izay te-ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho andevonareo rehetra. 45 Fa ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro. 46 Dia tonga tao Jerikao izy ireo. Ary tamin'izy sy ny mpianany mbamin'ny vahoaka betsaka niala tao Jerikao, dia nipetraka nangataka teo amoron-dàlana kosa Bartime jamba zanak'i Time.

47 Nony reny fa hoe Jesoa Nazareana izay, dia rafitra niantso izy nanao hoe: Ry Jesoa Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko. 48 Ary maro no nandrahona azy mafy mba hampangina azy, fa vao mainka niantso mafimafy kokoa izy nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko. 49 Dia nijanona Jesoa, ka nampiantso azy. Ary nantsoin'ny olona izy sy nilazany hoe: Matokia! mitsangàna, fa antsoiny hianao. 50 Dia nariany ny lambany, ka niezaka nanatona an'i Jesoa izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0933