Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-6

1 Nony niala teo izy dia nankany amin'ny tany nahabe azy, ary nanaraka azy ny mpianany.

2 Ary rahefa sabata ny andro, dia nampianatra tao amin'ny sinagoga izy, ka be tamin'izay nihaino azy no gaga tamin'ny fampianarany sy nanao hoe: Taiza no nahazahoan'izy io izany rehetra izany? Fahendrena manao ahoana izao nomena azy izao, ary ahoana no ahefan'ny tànany izany asa lehibe izany? 3 Moa tsy io va ilay mpandrafitra, zanak'i Maria, rahalahin'i Jakoba sy Josefa ary Joda sy Simona? Moa tsy atý amintsika va ny anabaviny? Dia tafintohina taminy izy ireo. 4 Fa hoy Jesoa taminy: Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin'ny taniny sy amin'ny fianakaviany ary amin'ny havany ihany. 5 Ary tsy nahazo nanao fahagagana akory izy teo, fa marary vitsivitsy monja no nositraniny tamin'ny fametrahan-tànana, 6 ary gaga izy noho ny tsy finoan'ireo. Dia nitety ny vohitra manodidina sy nampianatra izy. 7 Ary niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy izy, ka naniraka azy tsiroaroa, sy nanome fahefana azy handroaka ny fanahy maloto.

8 Ary norarany tsy hitondra na inona na inona eny an-dàlana izy ireo na kitapo, na mofo, na farantsa kely varahina amin'ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany, 9 fa ny tongotra no asiana kapa, ary tsy mitondra akanjo roa. 10 Ary hoy koa izy taminy: Na aiza na aiza halehanareo, dia mitoera amin'izay trano hidiranareo ambara-pialanareo. 11 Ary raha misy tsy mampiantrano na tsy mihaino anareo, dia mialà ao ka ahintsano ny vovoka amin'ny tongotrareo ho fiampangana azy. 12 Dia nandeha izy ireo ka nitory tamin'ny olona fa tsy maintsy mibebaka izy, 13 sy nandroaka demony maro, ary nanosotra diloilo ny marary betsaka sy nanasitrana azy. 14 Nahare ny lazan'i Jesoa Heroda mpanjaka, fa efa nihamalaza ny anarany. Ary hoy ny sasany: Joany Batista nitsangana tamin'ny maty izay, ka izany no iasan'ireo hery mahagaga aminy;

15 fa ny sasany kosa nanao hoe: Elia izay; ary ny hafa indray dia hoe: Mpaminany izay, dia toy ny iray amin'ny mpaminany. 16 Ary nony nandre izany Heroda dia nanao hoe: Joany izay e, dia ilay notapahiko ny lohany, fa efa nitsangana tamin'ny maty izy. 17 Fa Heroda io ihany no naniraka hisambotra sy hamatotra an'i Joany tany an-tranomaizina, noho ny amin'i Herodiada vadin'i Filipo rahalahiny izay nalainy ho vady. 18 Satria Joany nanao taminy hoe; Tsy mahazo manam-bady ny vadin-drahalahinao hianao. 19 Koa tonga halan'i Herodiada izy sy niriny ho faty aza, saingy tsy azony natao izany 20 noho ny tahotr'i Heroda an'i Joany, izay hitany fa lehilahy marina sy masina, ka narovany sady narahiny hevitra tamin'ny zavatra maro, sy nohenoiny tamin-kafaliana. 21 Ary tonga ny andro tsara, dia ilay fitsingerenan'ny taona nahaterahan'i Heroda ka nanaovany fanasana ho an'ny manamboninahiny sy ny tompon'arivo ary ny loholona tany Galilea.

22 Fa niditra nandihy tao an-trano fanasana ny zanakavavin'i Herodiada ka nahafaly an'i Heroda sy izay niara-nihinana taminy; dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: Angataho amiko izay tianao, fa homeko anao, 23 sady nampiany tamim-pianianana hoe: Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao, na dia ny antsasaky ny fanjakako aza. 24 Dia nivoaka razazavavy ka nanontany an-dreniny hoe: Inona no angatahiko? Ary hoy reniny: Ny lohan'i Joany Batista. 25 Dia nidodododo faingana nankao amin'ny mpanjaka izy, ka nangataka hoe: Tiako raha homenao ahy an-dovia izao ankehitriny izao ny lohan'i Joany Batista. 26 Nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy noho ireo olona niara-nihinana taminy dia tsy sahy nandà an-drazazavavy izy, 27 fa nirahiny faingana ny mpiambina anankiray nasainy hitondra ny lohan'i Joany amin'ny lovia. Dia nandeha nanapaka ny lohan'i Joany tao an-tranomaizina ilay mpiambina, 28 ka nitondra azy tamin'ny lovia, ary nomeny an-drazazavavy dia nomen-drazazavavy an-dreniny kosa. 29 Nony nandre izany ny mpianany, dia tonga naka ny fatiny ka nandevina azy. 30 Nony niverina teo amin'i Jesoa ny Apostoly, dia nilaza taminy ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny.

31 Ary hoy izy taminy: Avia hianareo, ndeha mitokana any amin'ny tany mangingina, ka mialà sasatra kely; fa maro ny olona nifamoivoy ka tsy nisy hihinanany akory. 32 Dia niara-niondrana an-tsambo kely izy ireo ka lasa nitokana any amin'ny tany mangingina. 33 Fa hitan'ny olona ny nandehanany ary maro no nahalala ny halehany, ka nidodododo nandeha an-tongotra avy amin'ny tanàna rehetra, sy tonga tany talohany. 34 Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo Jesoa dia nahita ireto vahoaka betsaka ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy manam-piandry izy ireo, dia nampianatra azy zavatra maro izy. 35 Nony hariva ny andro dia nanatona azy ny mpianany nanao hoe: Ny tany efitra; ny andro efa hariva,

36 ka alefaso ny olona handeha hividy hanina any amin'ny tanàna sy ny vohitra manodidina. 37 Fa izao no navaliny azy ireo: Omeonareo hanina izy; ka hoy ireo taminy: Handeha hividy mofon-denie roan-jato va izahay ka homenay azy hohaniny? 38 Ary hoy izy taminy: Manana mofo firy hianareo? Mandehana hoe zahao. Ary rahefa nozahany, dia hoy izy: Mofo dimy sy hazandrano roa. 39 Dia nasainy hampipetraka ny olona rehetra hatao antokotokony eny amin'ny ahi-maitso izy ireo; 40 ka nipetraka mitsitokotoko izy, ny sasany zato, ary ny sasany dimam-polo. 41 Dia noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, ary niandrandra ny lanitra izy, ka nitso-drano. Rahefa izany, novakiny ny mofo dia nomeny ny mpianany mba harosony eny anoloan'ny olona, ary nozarainy tamin'izy rehetra koa ny hazandrano roa. 42 Dia nihinana izy rehetra ka voky; 43 ary ny sombintsombin'ny mofo sy ny hazandrano sisa tsy lany nahafeno sobiky roa ambin'ny folo ka nentiny nody. 44 Dimy arivo lahy anefa no isan'ny nihinana tao. 45 Dia noteren'i Jesoa hiondrana an-tsambo kely niaraka tamin'izay ny mpianany, mba hialoha azy eny am-pita ho any Betsaida, ambara-pandràvany ny vahoaka; 46 ary rahefa avy nanao veloma ny olona izy, dia nankany an-tendrombohitra mba hivavaka. 47 Nony hariva ny andro, ny sambo kely dia efa mby teny ampovoan'ny ranomasina, ary Jesoa irery no teny an-tanety.

48 Ary hitany izy ireo sahirana nivoy mafy erý fa notohain'ny rivotra, ka tokony ho tamin'ny fiambenana fahefatra tamin'ny alina, dia nandeha teny ambonin'ny ranomasina izy nankeo aminy, ka saika handalo azy. 49 Kanjo nony nahita azy nandeha teny ambony rano izy ireo, dia nataony ho matoatoa ihany ka niantsoantso mafy izy; 50 fa nahita azy avokoa izy rehetra ka raiki-tahotra erý. Niaraka tamin'izay dia niteny taminy izy nanao hoe: Matokia, fa izaho ihany, ka aza matahotra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.133