Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-6

51 Ary niakatra teo aminy eo an-tsambo kely izy, dia nitsahatra ny rivotra, ka talanjona fatratra izy ireo, 52 fa tsy azony an-tsaina ity fahagagana tamin'ny mofo teo noho ny hadonton'ny fony. 53 Nony tafita izy ireo, dia nitody tao Genezareta ka niantsona teo.

54 Ary rahefa niala tao an-tsambo kely izy ireo, dia nahalala an'i Jesoa niaraka tamin'izay ny olona, 55 ka lasa nitety ny manodidina, ary rafitra nitatitra ny marary tamin'ny fandriana ho any amin'izay reny fa misy azy. 56 Na taiza na taiza nalehany, na tamin'ny vohitra, na tany an-tanĂ na, na tany an-tsaha, dia napetraky ny olona teo an-kianja ny marary, sady niangavy taminy mba havelany hanendry na dia ny sahondran'akanjony ihany aza, ka izay rehetra nanendry azy dia sitrana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1968