Bokin'i Nehemia

Nehemia toko 7
Fiambenana ny tanàna - Fanisana ny avy any amin'ny tany nahababoana.

       1 Nony vita ny manda ka efa nalatsako ny lela vavahady, dia ny mpiandry varavarana, ny mpihira, ny levita no napetraka hiambina. 2 Ary Hananì rahalahiko sy Anania lehiben'ny rova no nomeko fahefana amin'i Jerosalema, fa lehilahy mahatoky sy matahotra an'Andriamanitra mihoatra noho ny maro izy. 3 Dia hoy aho tamin'izy ireo: Aza vohana ny vavahadin'i Jerosalema mandra-pahatongan'ny hafanan'ny masoandro, ary ny hariva dia ny mbola eo ny mpiambina no hanidiana ny vavahady sy hametrahana ny barany, ary amin'ny alina, dia hanendrena mpiambina ny mponina eto Jerosalema samy hatao amin'ny anjara toerany sy tandrifin'ny tranony avy.
       4 Sady malalaka no lehibe ny tanàna, nefa vitsy ny mponina eo afovoany, sady mbola tsy voaorina indray ny trano. 5 Ka nomen'Andriamanitra hevitra aho hamory ny lehibe sy ny andriambaventy mbamin'ny vahoaka, mba hakana ny isany. Ary nahita boky nanoratana ny firazanan'izay niakatra voalohany aho, ka izao no hitako voasoratra tao:
       6 Ireto ny ambanivohitra avy nasesi-tany izay nentin'i Nabokodonosora, mpanjakan'i Babilona, ho babo ary niverina ho any Jerosalema sy Jodà, samy any an-tanànany avy; 7 dia ireo niara-niverina tamin'i Zorobabela, Josoe, Nehemia, Azariasa, Raamiasa, Nahamanì, Mardokea, Belsana, Mesfarata, Begoai, Nahoma, Baana.
Izao no isan'ny lehilahy tamin'ny vahoakan'Israely: 8 Roa amby fitopolo amby zato sy roa arivo, ny taranak'i Farsosa; 9 roa amby fitopolo sy telon-jato, ny taranak'i Safatiasa; 10 roa amby dimampolo sy enin-jato, ny taranak'i Areà; 11 valo ambin'ny folo sy valon-jato sy roa arivo, ny taranak'i Fahata-Moaba, avy amin'ny taranak'i Josoe sy Joaba; 12 efatra amby dimampolo sy roan-jato amby arivo, ny taranak'i Elama; 13 dimy amby efapolo sy valon-jato ny taranak'i Zetoà; 14 enimpolo sy fiton-jato, ny taranak'i Zakaì; 15 valo amby efapolo sy enin-jato, ny taranak'i Banaì; 16 valo amby roapolo sy enin-jato ny taranak'i Bebaì; 17 roa amby roapolo sy telon-jato sy roa arivo, ny taranak'i Azgada; 18 fito amby enimpolo sy enin-jato ny taranak'i Adonikama; 19 fito amby enimpolo sy roa arivo ny taranak'i Begoaì; 20 dimy amby dimampolo sy enin-jato ny taranak'i Adìna; 21 valo amby sivy folo, ny taranak'i Atera, zanak'i Ezekiasa; 22 valo amby roapolo sy telon-jato ny taranak'i Hasema; 23 efatra amby roapolo sy telon-jato, ny taranak'i Besaì; 24 roa ambin'ny folo amby zato, ny taranak'i Harefa; 25 dimy amby sivifolo, ny taranak'i Gabaona; 26 valo amby valopolo amby zato, ny mponina tao Betleema sy Netofa; 27 valo amby roapolo amby zato ny mponina tao Anatota; 28 roa amby efapolo ny mponina tao Beta-Azmota; 29 telo amby efapolo sy fiton-jato ny mponina tao Kariatiarima sy Kefirà ary Berota; 30 iraika amby roapolo sy enin-jato, ny mponina tao Ramà sy Gabaà; 31 roa amby roapolo amby zato ny mponina tao Makmasa; 32 telo amby roapolo amby zato ny mponina tao Betela sy Haì; 33 roa amby dimampolo ny mponina tao amin'ny Nebao anankiray; 34 efatra amby dimampolo sy roan-jato sy arivo ny taranak'i Elama anankiray; 35 roapolo sy telon-jato ny taranak'i Harema; 36 dimy amby efapolo sy telon-jato ny zanak'i Jerikao; 37 iraika amby roapolo sy fiton-jato ny zanak'i Loda sy Hadida ary Onao; 38 telopolo sy sivin-jato sy telo arivo, ny zanak'i Senaà.
       39 Mpisorona: telo amby fitopolo sy sivin-jato, ny taranak'Idaiasa, avy amin'ny fianakavian'i Josoe; 40 roa amby dimampolo sy arivo, ny taranak'i Emera; 41 fito amby efapolo sy roan-jato sy arivo, ny taranak'i Fasora; 42 fito ambin'ny folo sy arivo, ny taranak'i Arema.
       43 Levita: efatra amby fitopolo, ny taranak'i Josoe sy Kedmiela avy amin'ny taranak'i Odoiasa. 44 Mpihira: valo amby efapolo amby zato, ny taranak'i Asafa. 45 Mpiandry varavarana: valo amby telopolo amby zato, ny taranak'i Seloma, ny taranak'i Atera, ny taranak'i Telmona, ny taranak'i Akoba, ny taranak'i Hatita, ny taranak'i Sobaì.
       46 Natineana: ny taranak'i Sohà, ny taranak'i Hasofà, ny taranak'i Tebaota; 47 ny taranak'i Kerosa, ny taranak'i Siaà, ny taranak'i Fadona; 48 ny taranak'i Lebàna, ny taranak'i Hagabà; 49 ny taranak'i Selmaì, ny taranak'i Hanàna, ny taranak'i Gedela, ny taranak'i Gahera, 50 ny taranak'i Raaiasa, ny taranak'i Rasìna, ny taranak'i Nekodà, 51 ny taranak'i Gezema, ny taranak'i Azà, ny taranak'i Faseà, ny taranak'i Besea, 52 ny taranak'i Monima, ny taranak'i Nefosima; 53 ny taranak'i Bakboka, ny taranak'i Hakofà; 54 ny taranak'i Harhora, ny taranak'i Beslota, ny taranak'i Mahidà, ny taranak'i Harsà, 55 ny taranak'i Berkosa, ny taranak'i Sisarà, ny taranak'i Temà, 56 ny taranak'i Nasià, ny taranak'i Hatifà. 57 Taranaky ny mpanompon'i Salomona: ny taranak'i Sotai, ny taranak'i Sofereta, 58 ny taranak'i Faridà, ny taranak'i Jahalà, ny taranak'i Darkona, ny taranak'i Jedela, 59 ny taranak'i Safatiasa, ny taranak'i Hatilà, ny taranak'i Fakereta-Asebaima, ny taranak'i Amona. 60 Roa amby sivifolo sy telon-jato no tontalin'ny Natineana sy ny taranaky ny mpanompon'i Salomona.
       61 Izao no nandeha niala tany Tel-Melà, Tel-Harsà, Keroba, Adaona, ary Emera, izay tsy nahalaza ny fianakavian-drainy amam-pirazanany, hanamarina ny maha-Israely azy: 62 ny taranak'i Dalaiasa, ny taranak'i Tobia, ny taranak'i Nekodà, roa amby efapolo sy enin-jato. 63 Ary ny tamin'ny mpisorona dia ny taranak'i Hobià, ny taranak'i Akosa, ny taranak'i Berzelaì, izay naka ho vady ny anankiray tamin'ny zanakavavin'i Berzelaì, Galaadita, ka dia nantsoina amin'ny anarany. 64 Nikaroka ny taratasy vavolombelon'ny firazanany izy ireo, fa tsy nahita, ka dia nolazaina ho tsy madio, tsy mahatana ny fisoronana; 65 ary noraran'ny governora tsy hihinana ny zavatra masina indrindra izy ireo, mandra-pitsangan'izay mpisorona, hanontany amin'Andriamanitra, amin'ny Orima sy ny Tomima.
       66 Enipolo sy telon-jato amby roa arivo sy efatra alina no tontalin'ny fiangonana rehetra, 67 afa-tsy ny mpanompony, lahy amana vavy, izay nisy fito amby telopolo sy telon-jato sy fito arivo. Nisy mpihira, lahy amana vavy, roan-jato tamin'izy ireo. 68 Ary izao no nananany: soavaly enina amby telopolo sy fiton-jato, mole dimy amby efapolo sy roan-jato, 69 rameva dimy amby telopolo sy efa-jato, ary ampondra roapolo sy fiton-jato sy enina arivo.
       70 Maro tamin'ny loham-pianakaviana no nanao fanomezana, hanaovana ny asa. Ny governora nanome darìka volamena arivo, kopy dimampolo, akanjom-pisoronana telopolo sy diman-jato, hatao amin'ny rakitra. 71 Ny sasany amin'ny loham-pianakaviana nanome darìka volamena roa alina, mina volafotsy roan-jato sy roa arivo, hatao amin'ny rakitra hanaovana ny asa. 72 Ny vahoaka sisa kosa nanome darìka volamena roa alina, mina volafotsy roa arivo, ary akanjom-pisoronana fito amby enimpolo.
       73 Dia toy izany no nahatafapetraka tamin'ny tanànany avy ny mpisorona sy ny levita, ny mpihira, ny mpiandry varavarana, ny olona amin'ny ankapobem-bahoaka, ny Natineana, ary Israely rehetra.