Bokin'i Nehemia

Toko faha-7

51 ny taranak'i Gezema, ny taranak'i Azà, ny taranak'i Faseà, ny taranak'i Besea, 52 ny taranak'i Monima, ny taranak'i Nefosima; 53 ny taranak'i Bakboka, ny taranak'i Hakofà; 54 ny taranak'i Harhora, ny taranak'i Beslota, ny taranak'i Mahidà, ny taranak'i Harsà, 55 ny taranak'i Berkosa, ny taranak'i Sisarà, ny taranak'i Temà, 56 ny taranak'i Nasià, ny taranak'i Hatifà. 57 Taranaky ny mpanompon'i Salomona: ny taranak'i Sotai, ny taranak'i Sofereta, 58 ny taranak'i Faridà, ny taranak'i Jahalà, ny taranak'i Darkona, ny taranak'i Jedela, 59 ny taranak'i Safatiasa, ny taranak'i Hatilà, ny taranak'i Fakereta-Asebaima, ny taranak'i Amona. 60 Roa amby sivifolo sy telon-jato no tontalin'ny Natineana sy ny taranaky ny mpanompon'i Salomona. 61 Izao no nandeha niala tany Tel-Melà, Tel-Harsà, Keroba, Adaona, ary Emera, izay tsy nahalaza ny fianakavian-drainy amam-pirazanany, hanamarina ny maha-Israely azy:

62 ny taranak'i Dalaiasa, ny taranak'i Tobia, ny taranak'i Nekodà, roa amby efapolo sy enin-jato. 63 Ary ny tamin'ny mpisorona dia ny taranak'i Hobià, ny taranak'i Akosa, ny taranak'i Berzelaì, izay naka ho vady ny anankiray tamin'ny zanakavavin'i Berzelaì, Galaadita, ka dia nantsoina amin'ny anarany. 64 Nikaroka ny taratasy vavolombelon'ny firazanany izy ireo, fa tsy nahita, ka dia nolazaina ho tsy madio, tsy mahatana ny fisoronana; 65 ary noraran'ny governora tsy hihinana ny zavatra masina indrindra izy ireo, mandra-pitsangan'izay mpisorona, hanontany amin'Andriamanitra, amin'ny Orima sy ny Tomima. 66 Enipolo sy telon-jato amby roa arivo sy efatra alina no tontalin'ny fiangonana rehetra,

67 afa-tsy ny mpanompony, lahy amana vavy, izay nisy fito amby telopolo sy telon-jato sy fito arivo. Nisy mpihira, lahy amana vavy, roan-jato tamin'izy ireo. 68 Ary izao no nananany: soavaly enina amby telopolo sy fiton-jato, mole dimy amby efapolo sy roan-jato, 69 rameva dimy amby telopolo sy efa-jato, ary ampondra roapolo sy fiton-jato sy enina arivo. 70 Maro tamin'ny loham-pianakaviana no nanao fanomezana, hanaovana ny asa. Ny governora nanome darìka volamena arivo, kopy dimampolo, akanjom-pisoronana telopolo sy diman-jato, hatao amin'ny rakitra.

71 Ny sasany amin'ny loham-pianakaviana nanome darìka volamena roa alina, mina volafotsy roan-jato sy roa arivo, hatao amin'ny rakitra hanaovana ny asa. 72 Ny vahoaka sisa kosa nanome darìka volamena roa alina, mina volafotsy roa arivo, ary akanjom-pisoronana fito amby enimpolo. 73 Dia toy izany no nahatafapetraka tamin'ny tanànany avy ny mpisorona sy ny levita, ny mpihira, ny mpiandry varavarana, ny olona amin'ny ankapobem-bahoaka, ny Natineana, ary Israely rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.038