Fomba fampiasana ny takelaka

 

Ny fomba mora indrindra hamakiana ny toko sy ny andininy eto amin'ny takelaka dia ny fandehanana ao amin'ny pejy fikarohana. Azo fidina ny boky, ny toko sy ny andininy. Raha ohatra moa ka hitady teny manokana hovakiana dia azo apetraka ny teny.

Azo atao ihany koa ny mamangy ny rohy toa izao

 

http://baiboly.katolika.org/boky/Matio/5:3-6

 

ka toa izao ny fanazavana azy io:

  1. Ilay adiresy voalohany http://baiboly.katolika.org/boky/... dia tsy maintsy apetraka.
  2. Soratana avy eo ny anaran'ny boky (ohatra Matio, Marka, na koa Korintianina I, Piera I) jereo eto ny lisitry ny boky rehetra.
  3. Asiana / dia soratana ny toko (ohatra 5). Raha tsy mametraka toko ianao dia mitranga ny toko rehetra ao amin'ny boky voasoratra eo aloha.
  4. Asiana teboka (.) dia soratana ny andininy (ohatra 3-6). Raha tsy mametraka andininy ianao dia mitranga ny andininy rehetra voalazao eo amin'ny toko eo aloha.

Ny fomba fanoratra ny andininy

Toa izao ireo endrika vitsivitsy fanoratra ny andininy. Hazavaina avy hatrany amin'ny alalan'ny ohatra.

  1. Andininy faha 3: 3
  2. Andininy faha 3 hatramin'ny faha 6: 3-6
  3. Andininy faha 3 sy faha 5: 3,5
  4. Andininy faha 3, dia raisina amin'ny faha dimy ka hatramin'ny faha 6: 3,5-6
  5. Andininy faha 3, faha 6 ary faha 8: 3,6,8
  6. Andininy faha 3 hatramin'ny faha 6, dia raisina amin'ny faha 10 hatramin'ny faha 15: 3-6,10-15

Hapetraka amin'ny takelaka hafa

Raha toa ianao ka te hametraka any amin'ny takelaka hafa (forum, blaogy, takelaka hafa) ny toko sy andininy amin'ny baiboly dia toa izao no fametrahana azy:

Ohatra hametraka ny Lioka 15, 1-9 dia soratana toa izao:

http://baiboly.katolika.org/boky/Lioka/15.1-9

 

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0169