Eksaody

Toko faha-30

20 Fa hiafana amin'io rano io izy, mba tsy ho faty, na rahefa hiditra amin'ny trano lay fihaonana, na rahefa hanatona ny otely hanao ny raharahany hampanetona sorona amin'ny Tompo. 21 Hanasa ny tongony aman-tànany izy, ka tsy ho faty izy. Lalàna mandrakizay ho azy ireo izany, dia ho an'i Aarona sy ny taranany amin'ny taona mifandimby. 22 Hoy koa Iaveh tamin'i Moizy:

23 Makà amin'ny zava-manitra izay tsara indrindra, mira madio diman-jato sikla, ary ny antsasak'izany, dia sinama mamerovero dimampolo sy roan-jato sikla, veromanitra dimampolo sy roan-jato sikla, 24 kasa diman-jato sikla, araka ny sikla masina, ary diloilon'oliva iray hina; 25 ka amboary izany ho diloilo hanaovana ny fanosorana masina; ho zava-manitra voaharoharo araka ny asan'ny mpahay zava-manitra; dia izany no diloilo hanaovana ny fanosorana masina. 26 Io no hanosoranao ny trano lay fihaonana, ny fiaran'ny vavolombelona, 27 ny latabatra mbamin'ny fanaka momba azy rehetra, ny fanaovan-jiro mbamin'ny fanaka momba azy, ny otely fandoroan-java-manitra, 28 ny otely fanaovan-tsorona dorana mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy varahina mbamin'ny faladiany. 29 Hohamasininao ireo dia ho masina indrindra ary ho masina avokoa izay hikasika azy. 30 Hohosoranao koa Aarona sy ny zanany, ary hohamasininao izy, mba ho mpisorona hanao fanompoana ahy. 31 Mitenena amin'ny zanak'Israely ka lazao hoe: Ho diloilo fanaovana fanosorana masina izany ho ahy, hatrany amin'ny taranaka mifandimby. 32 Tsy hararaka amin'ny tenan'olona izany, ary hamorona hafa tahaka an'io hianareo amin'izay zavatra hamoronana an'io, fa zava-masina izany, ka tsy maintsy hataonareo ho zava-masina. 33 Na zovy na zovy hanamboatra tahaka an'io na hanosotra izany amin'olona tsy fanosotra azy, dia hofongorana tsy ho eo amin'ny fireneny. 34 Hoy Iaveh tamin'i Moizy: Makà zava-manitra, ditin-kazo, ongila mani-pofona, galbanoma, zava-manitra sy emboka tsy mifaho zavatra hafa, izany rehetra izany ampitovio fatra.

35 Dia ireo no hanamboaranao zava-manitra hanaovana ny fanembohana, voaharoharo araka ny asan'ny mpahay zava-manitra; asio sira izy, ary aoka ho madio sy masina. 36 Torotoroy hanjary vovony izy, dia ametraho eo anoloan'ny vavolombelona ao an-trano lay fihaonana izay hihaonako aminao. Ho zava-masina indrindra izany. 37 Izany zava-manitra hataonareo izany dia tsy ho azonareo anaovana mitovy aminy ho anareo, fa hataonareo ho zava-masina ho an'ny Tompo. 38 Ka na zovy na zovy hanao mitovy amin'izany hanamboloany ny haniny, dia hofongorana tsy ho eo amin'ny fireneny.

Toko faha-31

1 Ary Iaveh niteny tamin'i Moizy nanao hoe:

2 Aoka ho fantatrao fa efa nantsoiko tamin'ny anarany Beseleela, zanak'i Orì, zanak'i Hora, avy amin'ny fokon'i Jodà. 3 Efa nofenoiko fanahin'Andriamanitra izy, dia fahendrena amam-pahiratan-tsaina sy fahaizana momba ny taozavatra isan-karazany rehetra hamoronany asa vaovao; 4 hanefeny volamena, volafotsy, varahina, 5 hisokirany vato halatsaka an-tranontranony, handrafetana hazo, ary hanaovana taozavatra isan-karazany. 6 Ary indro nanampiko azy koa Ooliaba, zanak'i Akisemeka, avy amin'ny fokon'i Dana, ary efa nasiako fahendrena ny fon'ny lehilahy mahay rehetra, mba hanaovany an'izay rehetra nandidiako anao, 7 dia ny trano lay fihaonana, ny fiaran'ny vavolombelona, ny fanaovam-panavotana eo amboniny, ny fanaka rehetra amin'ny trano lay; 8 ny latabatra sy ny fanaka momba azy, ny fanaovan-jiro volamena madio sy ny fanaka rehetra momba azy, ny otely fandoroan-java-manitra, 9 ny otely fanaovan-tsorona dorana sy ny fanaka rehetra momba azy, ny tavy sy ny faladiany; 10 ny fanamiana amin'ny fombam-pivavahana, ny fanamiana masina ho an'i Aarona mpisorona, ny fanamiana ho an'ny zanany, amin'ny raharaham-pisoronana; 11 ny diloilo fanosorana, ny zava-manitra fandoro eo amin'ny fitoerana masina. Hotanterahiny avokoa izay rehetra nandidiako anao. 12 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

13 Mitenena amin'ny zanak'Israely ka lazao amin'izy ireo hoe: Aza disoina ny fitandremana ny sabatako fa ho ahy sy hianareo dia io no famantarana amin'ny taranakareo rehetra hahafantaranareo fa izaho Iaveh no nanamasina anareo. 14 Hotandremanareo ny sabata, fa zava-masina ho anareo izany. Izay tsy mankamasina azy hohelohin-ko faty; izay manao asa amin'io andro io hofongorana tsy ho eo amin'ny fireneny. 15 Ny andro enina no hiasana fa ny andro fahafito ho andro fitsaharana amin'ny asa rehetra, dia voatokana ho an'ny Tompo. Koa na zovy na zovy hanao asa amin'ny andro sabata dia hohelohin-ko faty. 16 Samy hitandrina sy hankalaza ny sabata ny zanak'Israely mbamin'ny taranaka mandimby azy, ho fanekena mandrakizay. 17 Ho famantarana mandrakizay ho ahy sy ny zanak'Israely izany, satria ny andro enina no nanaovan'ny Tompo ny lanitra sy ny tany fa ny andro fahafito nitsaharany sy nialany sasatra. 18 Nony tapitra niteny tamin'i Moizy Iaveh, tany an-tendrombohitra Sinaia dia natolony azy ny takelaka roan'ny vavolombelona, takelaka vato nosoratan'ny rantsan-tànan'Andriamanitra.

Toko faha-32

1 Nony hitan'ny vahoaka fa efa naharitra ela Moizy nefa tsy mbola nidina avy tany an-tendrombohitra, dia nivory teo amin'i Aarona izy, ka nanao taminy hoe: Ndeha anaovy andriamanitra hialoha làlana anay izahay. Fa raha ny amin'iny Moizy iny, ilay lehilahy nitondra anay niakatra avy tany amin'ny tany Ejipta, tsy fantatray na naninona izy na naninona.

2 Ary hoy Aarona tamin'izy ireo: Esory àry ny kavim-bolamena, eny an-tsofin'ny vadinareo aman-janakareo lahy na vavy, ka ento aty amiko. 3 Dia samy nanesotra ny kavim-bolamena teny an-tsofiny avokoa ny olona ka nitondra izany teo amin'i Aarona. 4 Noraisiny tamin'ny tànan'izy ireo izany, dia namboariny tamin'ny fandraka ny volamena ka namoronany zanak'omby anidina. Ary hoy izy ireo: Ry Israely, io no andriamanitra izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Ejipta. 5 Nony nahita izany Aarona dia nanao otely teo anoloan'ilay sary ka niantso hoe: Hisy fety fankalazana an'ny Tompo rahampitso. 6 Nifoha vao maraina koa izy ireo nony ampitso, ka nanolotra sorona dorana sy nanatitra sorona fisaorana. Dia nipetraka hihinana sy hisotro ny vahoaka, ary nitsangana hilalao. 7 Dia hoy Iaveh tamin'i Moizy: Mandehana midina hianao fa nanao ratsy be vava ilay vahoakanao nentinao niakatra avy any amin'ny tany Ejipta.

8 Nalaky nivily niala tamin'ny làlana nasaiko hombany; nanao zanak'omby anidina ho azy izy ireo, dia niankohoka teo anoloan'io sy nanolotra sorona taminy, ary nanao hoe: Ry Israely, io no andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy any amin'ny tany Ejipta. 9 Hoy Iaveh tamin'i Moizy: Hitako fa vahoaka mafy hatoka io vahoaka io. 10 Koa ankehitriny avelao aho, aoka hirehetan'ny fahatezerako izy ireo, ka horinganiko; fa hianao kosa hataoko firenena lehibe. 11 Nifona tamin'ny Tompo Andriamaniny anefa Moizy ka nanao hoe: Nahoana ny fahatezeranao, Iaveh ô, no dia hirehitra amin'ny vahoakanao, izay navoakanao avy any amin'ny tany Ejipta, tamim-pahefana lehibe aman-tànana mahery? 12 Nahoana no dia hahazoan'ny Ejipsiana hilaza hoe: Ny namoahany azy dia mba hampidi-doza aminy, mba hamono azy any an-tendrombohitra, ary mba handrigana azy tsy ho eto ambonin'ny tany. Koa ialao re ny fahatezeranao mirehitra; aneneno re ny ratsy kasainao hafitsoka ny vahoakanao. 13 Fa tsarovy Abrahama sy Isaaka ary Israely mpanomponao izay nilazanao tamim-pianianana amin'ny tenanao hoe: Hohamaroiko toy ny kintana eny an-danitra ny taranakareo ary homeko ny taranakareo izany tany rehetra nolazaiko taminareo izany, ka hanjakany mandrakizay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.147