Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-7

5 Fa fony mbola tao amin'ny nofo isika, dia ny filan'ny ota, izay nohetsehin'ny Lalàna, no niasa tao amin'ny rantsam-batantsika, hahavokatra ho an'ny fahafatesana; 6 fa ankehitriny kosa dia afaka amin'ny Lalàna isika fa efa maty ny amin'ny Lalàna izay nifehezana antsika, ka manompo an'Andriamanitra amin'ny fanahy vaovao, fa tsy amin'ny soratra lany taona. 7 Inona àry no holazaintsika: ota va ny Lalàna? Sanatria izany! Fa tsy nahalala ny fahotana aho, raha tsy tamin'ny Lalàna; ohatra, tsy ho nahalala ny fanirian-dratsy aho, raha tsy ny Lalàna no nilaza hoe: Aza maniry ratsy.

8 Dia io didy io no nohararaotin'ny fahotana hampihetsika ny fanirian-dratsy rehetra tato anatiko; satria raha tsy misy Lalàna, dia maty ny fahotana. 9 Izaho dia olon-tsy nanan-dalàna fahiny; fa nony tonga ny didy, dia nahazo aina ny fahotana, 10 ka maty terý aho. Noho izany, ny didy natao hahazoana fiainana no tonga nahazoako fahafatesana, 11 satria nohararaotin'ny fahotana hamitaka sy hamono ahy ny didy. 12 Masina ihany anefa ny Lalàna, ary masina ny didy, sady marina no tsara. 13 Koa zavatra tsara izany nanjary fahafatesana ho ahy? Sanatria izany! fa ny fahotana no nahafaty ahy tamin'ny zavatra tsara, mba hiharihary ny faharatsiany ka ho tonga mpanota erý ny fahotana noho ny didy. 14 Fa fantatsika fa ny Lalàna dia ara-panahy, ary izaho kosa dia ara-nofo, namidy ho andevon'ny fahotana.

15 Satria tsy hitako be ihany izay ataoko; tsy ny tiako no ataoko, fa ny hàlako no anatiko. 16 Koa rahefa ny tsy tiako no ataoko, dia miaiky aho fa tsara ny Lalàna. 17 Ary amin'izany dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny fahotana izay mitoetra ato anatiko. 18 Fa fantatro fa tsy mitoetra ato amiko ny tsara, izany hoe tsy ato amin'ny nofoko: ny fikasana fotsiny no ato amiko, fa tsy ny manatanteraka ny tsara, 19 satria tsy ny tsara izay tiako no ataoko, fa ny ratsy izay tsy tiako; 20 ka rahefa tsy ny tiako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny fahotana izay mitoetra ato amiko. 21 Koa toa misy lalàna toy izao ato amiko: nony te-hanao ny tsara aho, dia ny ratsy no indro misosoka.

22 Satria amin'ny olona ao anaty aho, dia mankasitraka ny lalàn'Andriamanitra ihany, 23 fa ny lalàna hitako amin'ny rantsam-batako sy manohitra ny lalàn'ny saina no manandevo ahy amin'ny lalàn'ny fahotana izay ao amin'ny rantsam-batako. 24 Indrisy! olo-mahantra aho; iza re no hanafaka ahy amin'ity vatam-pahafatesana ity? 25 Isaorana anie Andriamanitra, amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy Tompontsika! Izaho izany, dia sady mpanompon'ny lalàn'Andriamanitra amin'ny saina no andevon'ny lalàn'ny fahotana amin'ny nofo koa.

Toko faha-8

1 Koa ankehitriny, tsy misy fanamelohana intsony ho an'izay ao amin'ny Kristy Jesoa, sady mandeha ara-nofo,

2 fa ny lalàn'ny Fanahin'aina no nanafaka ahy tamin'ny fahotana sy ny fahafatesana, tamin'ny alalan'ny Kristy Jesoa. 3 Satria izay tsy vitan'ny Lalàna noho izy tsy nanan-kery azon'ny nofo, dia vitan'Andriamanitra tamin'ny nanirahany ny Zanany tao amin'ny endriky ny nofom-pahotana sy noho ny fahotana, ka nanameloka fahotana tao amin'ny nofony, 4 mba ho tanteraka ny fahamarinan'ny Lalàna ao amintsika, izay tsy mandeha ara-nofo, fa ara-panahy. 5 Fa izay ara-nofo dia mankafy ny zavatry ny nofo ary izay ara-panahy dia mankafy ny zava-panahy. 6 Ny fitiavan'ny nofo dia fahafatesana, fa ny fitiavan'ny fanahy kosa dia fiainana amam-piadanana. 7 Satria ny fitiavan'ny nofo dia mifandrafy amin'Andriamanitra, fa tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra izy, sady tsy hainy aza izany. 8 Koa izay ao amin'ny nofo dia tsy mety ho sitrak'Andriamanitra. 9 Fa hianareo dia tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha mitoetra ao anatinareo koa ny Fanahin'Andriamanitra. Raha misy tsy manana ny Fanahin'ny Kristy, dia tsy azy izy; 10 fa raha ao anatinareo ny Kristy; na dia maty aza ny vatana noho ny fahotana, dia miaina kosa ny fanahy noho ny fahamarinana. 11 Ary raha ny Fanahin'izay nanangana an'i Jesoa tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia izay nanangana an'i Kristy Jesoa koa no hamelona ny vatanareo mety maty, noho ny Fanahiny izay mitoetra ao anatinareo. 12 Koa amin'izany, ry rahalahy, tsy mpitrosa amin'ny nofo isika, ka ho velona ara-nofo.

13 Satria raha velona ara-nofo hianareo, dia ho faty; fa raha vonoinareo amin'ny Fanahy ny asan'ny nofo, dia ho velona hianareo; 14 satria izay rehetra tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra dia zanak'Andriamanitra; 15 Ary izany tokoa, satria tsy Fanahim-pahandevozana no noraisinareo, ka hatahotra indray hianareo, fa Fanahim-pananganan-janaka, ka iantsoantsika hoe: Aba! Ray! 16 Ary ny tenan'io Fanahy io ihany no vavolombelona miaraka amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika. 17 Ary raha zanaka dia mpandova, eny sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'ny Kristy, raha miara-mijaly aminy anefa isika, mba hiara-komem-boninahitra aminy koa; 18 satria ataoko fa ny fahorian'izao fiainana izao dia tsy azo oharina amin'ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika. 19 Fa indrakindrafana be ihany ny zava-boary rehetra miandry ny fampisehoana ireo zanak'Andriamanitra;

20 satria izao zava-boary rehetra izao dia natao mpanompo ny zava-poana, tsy araka ny nàhiny, fa noho ilay nampanompo azy, 21 nefa nahazo fanantenana fa izy aza dia ho alana amin'ny fahandevozam-pahalòvana ho amin'ny fahafahana amam-boninahitr'ireo zanak'Andriamanitra. 22 Fa fantatsika fa, mandraka ankehitriny, dia miara-misento sy mijaly toy ny mihetsi-jaza izao zava-boary rehetra izao. 23 Ary tsy izy ihany, fa na isika efa manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy koa aza, dia misento ao anatintsika ao, miandry ny fananganan-janaka amam-panavotana ny vatantsika. 24 Fa vao amin'ny fanantenana fotsiny no nahavoavonjy antsika. Ary ny mahita izay antenaina, dia tsy mba manantena intsony, fa efa hitany ka ahoana indray no hanantenany? 25 Fa raha ny tsy hita no antenaintsika, dia miandry amim-paharetana isika. 26 Manaraka izany, ny Fanahy koa no manohana ny fahalementsika, satria na izay mety hangatahintsika aza tsy fantatsika, fa ny tenan'izy Fanahy ihany no mangataka amin'ny fitarainana tsy azo lazaina;

27 ary izy mikaroka ny fo no mahalala izay irin'ny Fanahy, sy ny fifonany araka an'Andriamanitra ho an'ny olo-masina. 28 Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin'Andriamanitra hahasoa izay tia azy, dia ireo efa voantso araka ny fandaharany.

29 Satria izay fantany rahateo no notendreny hitovy endrika amin'ny Zanany koa, mba ho Lahimatoa amin'ny rahalahy maro izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1737