Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

1 Korintiana toko 15
Ny amin'ny fitsanganan'ny maty - Lazainy aloha ny nitsanganan'ny Kristy - Raha nitsangana ny Kristy, dia misy tokoa ny fitsanganan'ny maty - Hain'Andriamanitra atao ny manangana ny maty - Ny ho toetr'izay tafatsangana.

       1Ampahatsiaroviko anareo, ry rahalahy, ny Evanjely notoriko taminareo, izay noraisinareo, sy niorenanareo, 2ary hahazoanareo famonjena, raha tànanareo araka ny nitoriako azy taminareo; afa-tsy raha hoe ninonino foana hianareo. 3Izao no zavatra nampianariko anareo ho isan'ny zavatra voalohany indrindra, araka ny nandraisako azy: maty noho ny fahotantsika ny Kristy, araka ny Soratra Masina; 4dia nalevina izy, sy nitsangana tamin'ny andro fahatelo, araka ny Soratra Masina; 5ary niseho tamin'i Sefasy, vao tamin'ny roa ambin'ny folo. 6Manaraka izany dia niseho tamin'ny rahalahy tsy omby diman-jato izy, ary mbola velona mandraka ankehitriny ny ankamaroan'ireny, fa ny sasany ihany no efa nody mandry. 7Rahefa izany, dia niseho tamin'i Jakoba izy, vao tamin'ny Apostoly rehetra. 8Ary faran'izy rehetra, mba nisehoany koa aho, dia izaho izay toy ny tsy tonga volana. 9Fa ambany indrindra amin'ny Apostoly aho, ary tsy mendrika hantsoina hoe Apostoly akory aza, satria nanenjika ny Eglizin'Andriamanitra aho; 10saingy ny fahasoavan'Andriamanitra no naha-toy izao ahy. Tsy foana tao amiko anefa ny fahasoavana, fa niasa bebe kokoa noho izy rehetra aho; na tsy izaho, fa ny fahasoavan'Andriamanitra niaraka tamiko. 11Koa izany àry no torinay, na izaho na izy ireo; ary izany koa no ninoanareo.
       12Raha torina ho nitsangana tamin'ny maty àry ny Kristy, ahoana ity ilazàn'ny sasany aminareo hoe: tsy misy fitsanganan'ny maty? 13Raha tsy misy ny fitsanganan'ny maty, na dia ny Kristy aza tsy nitsangana tamin'ny maty; 14ary raha tsy nitsangana tamin'ny maty ny Kristy, dia foana ny tori-teninay, foana koa ny finoanareo! 15Izahay aza dia ho hita fa vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra, satria tombotomboka foana no nilazanay an'Andriamanitra ho nanangana ny Kristy tamin'ny maty, nefa tsy natsangany izy tsinona raha marina fa tsy mitsangana ny maty. 16Fa na dia ny Kristy aza dia tsy nitsangana tamin'ny maty, raha tsy mitsangana ny maty. 17Ary raha tsy mitsangana ny maty, dia foana ny finoanareo; mbola ao aminareo ihany ny fahotanareo, 18ary very ry zareo nody mandry ao amin'ny Kristy. 19Ka dia isika no ho fara fahoriana indrindra amin'ny olon-drehetra, raha amin'ity fiainana ity ihany no anantenantsika ny Kristy.
       20Tsy izany anefa, fa efa nitsangana tamin'ny maty tokoa ny Kristy, ary izy no santatr'izay efa nody mandry; 21satria olona iray no nihavian'ny fahafatesan'ny olona ka dia olona iray koa no ihavian'ny fitsanganan'ny maty; 22ary toy ny ahafatesan'ny olon-drehetra ao amin'i Adama, no hahaveloman'ny olon-drehetra ao amin'ny Kristy, 23fa manaraka ny laharany avy: ny Kristy no santatra, dia izay an'ny Kristy amin'ny andro hihaviany. 24Rahefa afaka izany, tonga ny farany, dia rahatrizay hatolony amin'Andriamanitra sy amin'ny Ray ny fanjakana, rahefa levony avokoa ny fanapahana sy ny fahefana ary ny hery rehetra. 25Satria tsy maintsy manjaka izy ambara-panaony ny fahavalony rehetra eo ambanin'ny tongony. 26Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena, fa ny zavatra rehetra efa nampanekeny ho eo ambanin'ny tongony. 27Ary rahefa nataony hoe: Nampanekena ny zavatra rehetra, dia fantatra mazava fa tsy anisan'izany izay nampanaiky azy ny zavatra rehetra. 28Koa rahefa nampanekena azy ny zavatra rehetra, na izy Zanaka koa aza dia hanaiky izay nampanaiky azy ny zavatra rehetra, mba ho zavatra rehetra amin'izy rehetra Andriamanitra.
       29Raha tsy izany, ahoana ny amin'ireny atao batemy ho an'ny maty ireny? Raha tsy mitsangana velively ny maty, nahoana ireny no atao batemy ho azy? 30Ary ahoana no dia anaovanay vy very ny ainay mandrakariva? 31Marina amin'ny reharehako ao amin'ny Kristy Jesoa Tompontsika noho ny aminareo, ry rahalahy, raha tsy isan'andro aho no toa ho faty ihany e! 32Raha araka izay hevitr'olombelomana fotsiny no niadiako tamin'ny biby dia tany Efezy, dia inona no soa azoko amin'izany? Raha tsy mitsangana ny maty, aoka hihinana sy hisotro isika, fa rahampitso dia ho faty e! 33Aza mety hofitahina hianareo, fa ny fiarahana amin'ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara. 34Mifohaza marina, ary aza manota: fa ny sasany izany dia tsy mahalala an'Andriamanitra akory e; hampahamenatra anareo no ilazako izany.
       35Fa hisy hanao hoe: Hatao ahoana no fanangana ny maty? Vatana toy inona no hiverenany? 36Ry adala, tsy maintsy maty aloha izay afafinao, vao velona indray. 37Ary raha mamafy hianao, tsy ny tenan'izay ho avy no afafinao, fa ny voa fotsiny ihany, na voam-bary izany, na voan-javatra hafa; 38dia vao Andriamanitra no manome tena azy araka izay tiany; samy omeny tena manaraka ny karazany avy ny voa rehetra.
       39Tsy mitovy ny nofo rehetra, fa hafa ny an'ny olona, hafa ny an'ny biby; hafa ny an'ny vorona, hafa ny an'ny hazandrano. 40Misy tenan-javatra any an-danitra, misy tenan-javatra etý an-tany, fa hafa noho ny an'ny etý an-tany ny famirapiratry ny tenan-javatra any an-danitra; 41hafa ny famirapiratry ny masoandro, hafa ny famirapiratry ny volana, hafa ny famirapiratry ny kintana; ary na ny samy kintana aza, samy manana ny famirapirany.
       42Toy izany koa ny fitsanganan'ny maty; mety lò izy no afafy, fa tsy mety lò no atsangana; 43tsy misy hajany izy no afafy, fa be voninahitra no atsangana; malemy izy no afafy, fa mahery no atsangana; 44vatana manana aina fotsiny no afafy, fa vatana ara-panahy no atsangana.
Fa misy vatana manana aina fotsiny, ary misy vatana ara-panahy; izany no voasoratra hoe: 45Adama, lehilahy voalohany, natao aina mahavelona; fa Adama faharoa kosa natao fanahy mahavelona. 46Tsy ny ara-pahany anefa no natao voalohany, fa ny manana aina fotsiny, vao ny ara-panahy. 47Avy amin'ny tany ny olona voalohany, ka tany; fa avy amin'ny lanitra kosa ny olona faharoa, ka lanitra. 48Manahaka ny tany izay rehetra tany; ary manahaka ny lanitra izay rehetra lanitra. 49Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny tany no nitondrantsika ny endriky ny lanitra koa.
       50Fa izao indrindra no dia lazaiko, ry rahalahy: tsy mahazo mandova ny fanjakan'Andriamanitra ny nofo aman-drà, ary tsy handova ny tsy fahalòvana ny fahalòvana. 51Indro, milaza zava-miafina aminareo aho: tsy hody mandry avokoa isika rehetra, fa hovana isika rehetra. 52Rahefa maneno ny trompetra farany, fa hotsofina ny trompetra, dia hitsangana miaraka amin'ny vava ny maty tsy ho lò intsony, ary hovàna indray mipy maso monja isika. 53Fa ity mety lò ity, tsy maintsy hitafy ny tsy fahalòvana; ary ity mety maty ity, hitafy ny tsy fahafatesana.
       54Ary rahefa mitafy ny tsy fahalòvana ity mety lò ity, ka mitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka amin'izay ny teny voasoratra hoe: Efa noresena ny fahafatesana ka levona. 55Ry fahafatesana ô! aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô! aiza ny fanindronanao? 56Fa ny fahotana no fanindronan'ny fahafatesana; ary ny Lalàna no herin'ny fahotana. 57Isaorana anie Andriamanitra, izay nanome antsika ny fandresena, amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy Tompontsika!
       58Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, aoka hianareo hiorina mafy, tsy hiova, hahefa be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, fa fantatrareo fa tsy foana ao amin'ny Tompo tsy akory ny fisasaranareo. >