Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana
Toko faha-15
1 Ampahatsiaroviko anareo, ry rahalahy, ny Evanjely notoriko taminareo, izay noraisinareo, sy niorenanareo,2 ary hahazoanareo famonjena, raha tànanareo araka ny nitoriako azy taminareo; afa-tsy raha hoe ninonino foana hianareo. 3 Izao no zavatra nampianariko anareo ho isan'ny zavatra voalohany indrindra, araka ny nandraisako azy: maty noho ny fahotantsika ny Kristy, araka ny Soratra Masina; 4 dia nalevina izy, sy nitsangana tamin'ny andro fahatelo, araka ny Soratra Masina; 5 ary niseho tamin'i Sefasy, vao tamin'ny roa ambin'ny folo. 6 Manaraka izany dia niseho tamin'ny rahalahy tsy omby diman-jato izy, ary mbola velona mandraka ankehitriny ny ankamaroan'ireny, fa ny sasany ihany no efa nody mandry. 7 Rahefa izany, dia niseho tamin'i Jakoba izy, vao tamin'ny Apostoly rehetra. 8 Ary faran'izy rehetra, mba nisehoany koa aho, dia izaho izay toy ny tsy tonga volana. 9 Fa ambany indrindra amin'ny Apostoly aho, ary tsy mendrika hantsoina hoe Apostoly akory aza, satria nanenjika ny Eglizin'Andriamanitra aho; 10 saingy ny fahasoavan'Andriamanitra no naha-toy izao ahy. Tsy foana tao amiko anefa ny fahasoavana, fa niasa bebe kokoa noho izy rehetra aho; na tsy izaho, fa ny fahasoavan'Andriamanitra niaraka tamiko. 11 Koa izany àry no torinay, na izaho na izy ireo; ary izany koa no ninoanareo. 12 Raha torina ho nitsangana tamin'ny maty àry ny Kristy, ahoana ity ilazàn'ny sasany aminareo hoe: tsy misy fitsanganan'ny maty?
13 Raha tsy misy ny fitsanganan'ny maty, na dia ny Kristy aza tsy nitsangana tamin'ny maty; 14 ary raha tsy nitsangana tamin'ny maty ny Kristy, dia foana ny tori-teninay, foana koa ny finoanareo! 15 Izahay aza dia ho hita fa vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra, satria tombotomboka foana no nilazanay an'Andriamanitra ho nanangana ny Kristy tamin'ny maty, nefa tsy natsangany izy tsinona raha marina fa tsy mitsangana ny maty. 16 Fa na dia ny Kristy aza dia tsy nitsangana tamin'ny maty, raha tsy mitsangana ny maty. 17 Ary raha tsy mitsangana ny maty, dia foana ny finoanareo; mbola ao aminareo ihany ny fahotanareo, 18 ary very ry zareo nody mandry ao amin'ny Kristy. 19 Ka dia isika no ho fara fahoriana indrindra amin'ny olon-drehetra, raha amin'ity fiainana ity ihany no anantenantsika ny Kristy. 20 Tsy izany anefa, fa efa nitsangana tamin'ny maty tokoa ny Kristy, ary izy no santatr'izay efa nody mandry;
21 satria olona iray no nihavian'ny fahafatesan'ny olona ka dia olona iray koa no ihavian'ny fitsanganan'ny maty; 22 ary toy ny ahafatesan'ny olon-drehetra ao amin'i Adama, no hahaveloman'ny olon-drehetra ao amin'ny Kristy, 23 fa manaraka ny laharany avy: ny Kristy no santatra, dia izay an'ny Kristy amin'ny andro hihaviany. 24 Rahefa afaka izany, tonga ny farany, dia rahatrizay hatolony amin'Andriamanitra sy amin'ny Ray ny fanjakana, rahefa levony avokoa ny fanapahana sy ny fahefana ary ny hery rehetra. 25 Satria tsy maintsy manjaka izy ambara-panaony ny fahavalony rehetra eo ambanin'ny tongony. 26 Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena, fa ny zavatra rehetra efa nampanekeny ho eo ambanin'ny tongony. 27 Ary rahefa nataony hoe: Nampanekena ny zavatra rehetra, dia fantatra mazava fa tsy anisan'izany izay nampanaiky azy ny zavatra rehetra. 28 Koa rahefa nampanekena azy ny zavatra rehetra, na izy Zanaka koa aza dia hanaiky izay nampanaiky azy ny zavatra rehetra, mba ho zavatra rehetra amin'izy rehetra Andriamanitra. 29 Raha tsy izany, ahoana ny amin'ireny atao batemy ho an'ny maty ireny? Raha tsy mitsangana velively ny maty, nahoana ireny no atao batemy ho azy?
30 Ary ahoana no dia anaovanay vy very ny ainay mandrakariva? 31 Marina amin'ny reharehako ao amin'ny Kristy Jesoa Tompontsika noho ny aminareo, ry rahalahy, raha tsy isan'andro aho no toa ho faty ihany e! 32 Raha araka izay hevitr'olombelomana fotsiny no niadiako tamin'ny biby dia tany Efezy, dia inona no soa azoko amin'izany? Raha tsy mitsangana ny maty, aoka hihinana sy hisotro isika, fa rahampitso dia ho faty e! 33 Aza mety hofitahina hianareo, fa ny fiarahana amin'ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara. 34 Mifohaza marina, ary aza manota: fa ny sasany izany dia tsy mahalala an'Andriamanitra akory e; hampahamenatra anareo no ilazako izany. 35 Fa hisy hanao hoe: Hatao ahoana no fanangana ny maty? Vatana toy inona no hiverenany?
36 Ry adala, tsy maintsy maty aloha izay afafinao, vao velona indray. 37 Ary raha mamafy hianao, tsy ny tenan'izay ho avy no afafinao, fa ny voa fotsiny ihany, na voam-bary izany, na voan-javatra hafa; 38 dia vao Andriamanitra no manome tena azy araka izay tiany; samy omeny tena manaraka ny karazany avy ny voa rehetra. 39 Tsy mitovy ny nofo rehetra, fa hafa ny an'ny olona, hafa ny an'ny biby; hafa ny an'ny vorona, hafa ny an'ny hazandrano.
40 Misy tenan-javatra any an-danitra, misy tenan-javatra etý an-tany, fa hafa noho ny an'ny etý an-tany ny famirapiratry ny tenan-javatra any an-danitra; 41 hafa ny famirapiratry ny masoandro, hafa ny famirapiratry ny volana, hafa ny famirapiratry ny kintana; ary na ny samy kintana aza, samy manana ny famirapirany. 42 Toy izany koa ny fitsanganan'ny maty; mety lò izy no afafy, fa tsy mety lò no atsangana;
43 tsy misy hajany izy no afafy, fa be voninahitra no atsangana; malemy izy no afafy, fa mahery no atsangana; 44 vatana manana aina fotsiny no afafy, fa vatana ara-panahy no atsangana. Fa misy vatana manana aina fotsiny, ary misy vatana ara-panahy; izany no voasoratra hoe: 45 Adama, lehilahy voalohany, natao aina mahavelona; fa Adama faharoa kosa natao fanahy mahavelona. 46 Tsy ny ara-pahany anefa no natao voalohany, fa ny manana aina fotsiny, vao ny ara-panahy. 47 Avy amin'ny tany ny olona voalohany, ka tany; fa avy amin'ny lanitra kosa ny olona faharoa, ka lanitra. 48 Manahaka ny tany izay rehetra tany; ary manahaka ny lanitra izay rehetra lanitra. 49 Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny tany no nitondrantsika ny endriky ny lanitra koa. 50 Fa izao indrindra no dia lazaiko, ry rahalahy: tsy mahazo mandova ny fanjakan'Andriamanitra ny nofo aman-drà, ary tsy handova ny tsy fahalòvana ny fahalòvana.