Boky Voalohan'ny Makabeo

Toko faha-10

51 Nandefa ambasadaoro ho any amin'i Ptolemea mpanjakan'i Ejipta Aleksandra, nohafarany hilaza aminy hoe:

52 Tafiditra eto amin'ny fanjakako aho, ary tafapetraka amin'ny seza fiandrianan'ny razako; nahazo ny fanjakana indray aho tamin'ny nandreseko an'i Demetriosa, ary mahazo mahazaka ny taninay. 53 Nandrafitra ady taminy aho, dia naharesy azy, izy sy ny tafiny; ka tafasandratra eo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakany. 54 Ary ankehitriny aoka hihavana isika; omeo ahy ho vadiko ny zanakavavinao, dia ho vinantonao aho, ary hanome anao sy azy izay fanatitra mendrika anao. 55 Izao no navalin'i Ptolemea mpanjaka: Sambatra ny andro nidiranao ho eo amin'ny tanindrazanao, sy nipetrahanao eo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakany! 56 Ary ny amin'ny zavatra nosoratanao, dia hotanterahiko! Ary amin'izao dia hataoko ho anao izay nosoratanao, fa tongava hitsena ahy any Ptolemaisa, mba hifankahita tava isika, dia hataoko vinantoko hianao, araka ny faniriana voalazanao. 57 Koa niala tany Ejipta Ptolemea sy Kleopatra zanany vavy, dia nankany Ptolemaisa tamin'ny taona faharoa amby enimpolo amby zato. 58 Tonga nitsena azy Aleksandra mpanjaka, dia nomeny ho vadin'io Kleopatra zanany vavy, ka tao Ptolemaisa no natao malaza sy manetriketrika araka ny fanaon'ny mpanjaka ny fampakarana. 59 Nanoratra taratasy tany amin'i Jonatasa, koa Aleksandra mpanjaka, niantso azy hihaona aminy.

60 Dia nankany Ptolemaisa tamim-boninahitra lehibe Jonatasa, ka nihaona tamin'ireo mpanjaka roa lahy tao; volafotsy sy volamena ary fanatitra betsaka no natolony azy ireo sy ny tandapany, ka nahazo sitraka tamin'izy ireo. 61 Nikambana hamely azy tamin'izay ny olona ratsy fanahy sasany tamin'Isarely, olona mpankahala fivavahana niampanga azy; fa tsy nohenoin'ny mpanjaka. 62 Vao mainka nasain'ny mpanjaka nesorina aza ny fitafiana teny amin'i Jonatasa, dia nasainy nampiakanjoina jaky izy. Nony tanteraka izany didy izany, dia nasain'ny mpanjaka nipetraka teo anilany izy, 63 ary hoy izy tamin'ireo lehiben'ny tandapany: Mandehana hianareo mivoaka miaraka aminy, ho ao afovoan'ny tanàna, ka lazao am-pahibemaso, fa tsy misy olona mahazo mitsangan-kitaraina hamely azy, na amin'inona na amin'inona, ary tsy misy mahazo manorisory azy akory, na inona na inona fialan-tsiny ataony. 64 Nony nahita azy nomem-boninahitra am-pahibemaso sy nampitafina jaky, ireo mpiampanga azy, dia nitsoaka avokoa izy rehetra. 65 Mbola nampian'ny mpanjaka indray aza izany voninahitra izany, fa nosoratany ho isan'ireo filohany amin'ny sakaizany izy, sady nataony jeneraly sy governoram-paritany. 66 Dia niverina ho any Jerosalema tamim-piadanana amam-piravoravoana Jonatasa. 67 Tamin'ny taona fahadimy amby enim-polo amby zato, tonga tao amin'ny tanindrazany avy any Kreta, Demetriosa zanak'i Demetriosa.

68 Nankararirary an'i Aleksandra mpanjaka loatra izany vaovao izany, ary niverina ho any Antiokia izy. 69 Apolloniosa governora tao Sele-Siria no nalain'i Demetriosa ho jeneraly, ary namory tafika lehibe ilay io, ka tonga nitoby teo akaikin'i Jamnia. Teo izy naniraka tany amin'i Jonatasa, mpisorona lehibe, hilaza hoe: 70 Hianao dia hianao irery izao no mitangan-kanohitra anay; ka tonga famazivazy sy fandatsan'ny olona aho, noho ny aminao. Ahoana no dia ahasahianao manao ny tenanao ho mahaleo tena eo anatrehanay, ao an-tendrombohitra ao? 71 Koa ankehitriny, raha matoky ny herinao tokoa hianao, midina ho ety aminay aty amin'ny tany lemaka dia hifanao eo isika, fa momba ahy ny tanàna mafy amin'ny morontsiraka. 72 Fotory ary fantaro ny amiko sy ny amin'ireo manampy ahy, iza aho, iza ireo. Fa milaza izy ireo, fa tsy hahajanona eo anoloanay hianao, satria indroa ny razanao no vaky nandositra any amin'ny tanin'izy ireo. 73 Ary izao, dia tsy ho tantinao akory ny hafitsoky ny mpitaingin-tsoavaliko, sy ny tafika maro dia maro, aty amin'ny tany lemaka, izay tsy misy vato na vatolampy, na toerana azo andosirana akory. 74 Nentin-katezerana mafy Jonatasa, raha nandre ny tenin'i Apolloniosa, ka nifidy miaramila iray alina, dia niala tao Jerosalema, ary Simona rahalahiny koa tonga nihaona taminy, hanohana azy. 75 Dia lasa nitoby teo akaikin'i Jope izy ireo, nihidy teo anoloan'izy ireo ny tanàna, fa tao ny miaramilan'i Apolloniosa, ka dia ny manao fahirano an'io no natombony. 76 Tsiravina ny mponina, ka novohany ny vavahady, dia lasan'i Jonatasa Jope. 77 Vao nilazana izany Apolloniosa dia nalahany hiady ny an-tsoavaly telo arivo sy ny miaramila maro; 78 ka nizotra tamin'ny hitsin'i Azota, toy ny ndeha hihataka izy; ary tamin'izay indrindra ihany anefa, dia nandroso ho eo amin'ny tany lemaka, fa nanana mpitaingin-tsoavaly maro, izay nitokiany. Nozohin'i Jonatasa nankany Azota izy, ka rafitra ny adin'ny tafika roa tonta. 79 Nametraka mpitaingin-tsoavaly arivo teo ivohony amin'ny fitoerana miafina Apolloniosa;

80 nefa nialaza Jonatasa fa misy otrika eo ivohony. Nanodidina ny miaramilany ireo mpitaingin-tsoavaly, ka nandefa zana-tsipika namely ny miaramilany, hatramin'ny maraina ka mandra-paharivan'ny andro. 81 Kanefa nahatoha azy tsara araka ny nandidian'i Jonatasa azy, ny miaramilany, fa nihareraka kosa ny soavalin'ireo mpitaingin-tsoavaly. 82 Dia nampandrosoin'i Simona tamin'izay ny miaramilany, hamely ny antoko miaramila an-tongotra, fa efa lany hery ny mpitaingin-tsoavaly, ka resiny sy vaky nandositra tery ny Siriana. 83 Niparitaka teo amin'ny tany lemaka ny mpitaingin-tsoavaly, ary niditra tao Azota ny mpandositra, dia nitsofoka tao Beta-Dagona, tempolin-tsampin'izy ireo, mba hahita fialofana ao. 84 Nodoran'i Jonatasa Azota mbamin'ireo tanàna manodidina azy, nony avy namaboany; nodorany koa ny tempolin'i Dagona mbamin'izay rehetra nialoka tao. 85 Sahabo ho valo arivo no isan'ny matin-tsabatra sy levon'ny afo tamin'izay. 86 Nony avy teo Jonatasa, dia tonga nitoby teo akaikin'i Askalona, ka tonga nitsena sy nanome voninahitra lehibe azy ny mponina tao. 87 Izay vao niverina ho any Jerosalema Jonatasa mbamin'ny miaramilany, nitondra babo sarobidy. 88 Nony nandre izany zava-niseho izany Aleksandra mpanjaka, dia nomeny voninahitra vaovao indray Jonatasa.

89 Nampitondrainy jaigrafy volamena izy, tahaka izay fanome ny havan'ny mpanjaka, ary nomeny azy ho fananany Akarona mbamin'ny faritaniny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0625