Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Boky Voalohan'ny Makabeo

1 Makabeo toko 13
Nandimby ny rahalahiny, izay tsy azony novonjena Simona, ka nanosika an'i Trofona, nanao ny fasam-pianakaviana, ary nanamafy an'i Jodea - Nankasitrahan'i Demetrosa izy, ka nitana an'i Gazara sy Akra ao Jerosalema.

       1Ren'i Simona fa namory tafika lehibe Trifona hananika ny tanin'i Jodà, sy handrava azy. 2Nony hitany fa raiki-tahotra sy nivadipo ny fahoaka, dia niakatra tany Jerosalema izy, niantso ny vahoaka hivory, 3sy namporisika azy, nanao hoe: Fantatrareo izay rehetra efa nataon'ireo rahalahiko, sy izaho koa mbamin'ny fianakavian-draiko rehetra, mba hiaro ny lalàna amam-pivavahantsika, ary ny ady notohananay mbamin'ny fahorana niaretanay. 4Fa izany no nahafatesan'ireo rahalahiko rehetra ho an'Israely, ary izaho no hany sisa. 5Koa ankehitriny, sanatria ahy izay hitsitsy ny aiko na oviana na oviana amin'ny androm-pahoriana, satria tsy mihoatra noho ny rahalahiko aho. 6Fa ny tiako dia ny hamaly ny ratsy atao amin'ny fireneko, ny fitoerana masina, ny vady aman-janatsika, satria tafakambana handrava antsika noho ny fialonana ny firenena rehetra. 7Nirehitra ny fon'ny vahoaka, nony nandre izany teny izany, 8ka namaly tamim-pihobiana izy nanao hoe: HIanao no lehibenay, dimbin'i Jodasa sy Jonatasa rahalahinao. 9Tariho izahay amin'ny ady, fa hotovinay avokoa izay holazainao.
       10Dia novorin'i Simona avokoa ny lehilahy mpiady, nohafainganiny ny famitana ny mandan'i Jerosalema ary nohamafisiny io tanàna io, eny amin'ny manodidina azy rehetra. 11Niaraka tamin'izany, nalefany ho any Jope Jonatasa zanak'i Absaloma, nitondra miaramila betsaka, ka noraohin'io ny mponina tao, dia izy no nitoetra tao an-tanàna.
       12Niala tao Ptolemaisa Trifona nitondra tafika lehibe hananika ny tanin'i Jodà; nentiny mifatotra koa Jonatasa niaraka taminy. 13Simona kosa niroin-toby tao Hadida, tandrifin'ny tany lemaka. 14Nony ren'i Trifona fa hoe Simona no nandray ny fanapahana, nisolo an'i Jonatasa rahalahiny, sady efa nivonon-kiady, dia nandefa iraka ho any aminy izy hilaza hoe: 15Noho ny vola tsy maintsy aloan'i Jonatasa rahalinao, amin'ny firaketan'ny mpanjaka, avy amin'ny raharaha nataony, no itananay azy mifatotra. 16Koa mandefasa talenta volafotsy zato, mbamin'ny zanany roa lahy mbola kely koa, atao antoka mba tsy hivadihany hamely anay, rahefa afaka, dia alefanay izy ho afaka.
       17Fantatr'i Simona fa ny hamitahany azy no nitenenan'ireo iraka ireo taminy toy izany, nefa nalefany ihany ny vola mbamin'ireo zaza roa lahy, mba tsy hihatra aminy ny fankahalana lehibe avy amin'ny vahoakan'Israely, izay nety nilaza hoe: 18Ny tsy nandefasan'i Simona ny talenta volafotsy zato sy ireo zaza roa, no nahafaty an'i Jonatasa. 19Koa nalefany ireo zaza sy ny talenta volafotsy zato; kanjo dia nivadi-teny tokoa Trifona, fa tsy nandefa an'i Jonatasa. 20Nanaraka izany, nandroso hanosy sy hanimba ny tany Trifona, nisafelika izy nihazo ny lalan'i Adora; notanahin'i Simona sy ny tafiny anefa izy, na taiza na taiza nalehany. 21Nandefa iraka ho any amin'i Trifona ny olona tao amin'ny trano mimanda, tao Jerosalema, nangataka azy ho tonga faingana hihazo any an'efitra, hitondra hanina ho azy. 22Dia nandahatra ny mpitaingin-tsoavaliny rehetra Trifona hahatongavany ny alin'iny ihany; kanjo latsaka be dia be ny oram-panala, ary tsy afa-ko tonga tao Jerosalema izy, noho ny oram-panala; ka lasa izy nankany Galaada. 23Nony mby teo akaikin'i Baskama izy, novonoiny Jonatasa, dia nalevina tamin'izany tany izany io. 24Niala teo Trifona dia nody ho any amin'ny taniny.
       25Naniraka olona Simona haka ny taolan'i Jonatasa rahalahiny, dia nandevina azy tao Modìna tanànan-drazany. 26Nisaona azy fatratra Israely, ary naharitra andro maro no nitomaniany azy. 27Nanorenan'i Simona rafi-bato avo tsara mba ho tazan-davitra, teo ambonin'ny fasan-drainy aman-drahalahiny, nataony tamin'ny vato voalama eo anoloany sy any ivohony. 28Dia piramida fito mifanatrika no nasainy natsangana teo amboniny, ho an-drainy aman-dreniny sy ho azy efa-dahy rahalahiny. 29Nasainy nasiana haingo sy nohodidinina andry avo, notaingenana fiadiana, ho fahatsiarovana mandrakizay, ary teo anilan'ny fiadiana nasiany sambo voasokitra natao tazan'izay rehetra miantsambo eny amin'ny ranomasina. 30Toy izany ny fasana nasain'i Simona natsangana tao Modìna izay mbola ao mandrak'androany.
       31Nanaovan'i Trifona hafetsena koa indray Antiokosa, mpanjaka tanora, ka novonoiny. 32Dia izy no nanjaka nandimby azy, sy nitondra ny satro-piandrianan'ny mpanjakan'i Asia, ary nampidi-doza lehibe maro tamin'ny tany.
       33Naorin'i Simona indray ireo trano mimanda tany Jodea, nasiany tilikambo avo, manda avo, vavahady misy hidiny, sady nametrahany hanina fitahiry.
       34Nifidy olona koa Simona nirahiny ho any amin'i Demetriosa mpanjaka, hangataka fanahafana ho an'i Jodea, satria raharahan-tontakely avokoa ny nataon'i Trifona. 35Nasain'i Demetriosa mpanjaka nomena valy mifanaraka amin'izany izy, ka izao no taratasy nosoratany ho azy:
       36Demetriosa mpanjaka, manoratra ho an'i Simona mpisorona lehibe sady sakaizan'ny mpanjaka, sy ho an'ny loholona amam-pirenen'ny Jody: Arahaba! 37Voarainay ny satrok'andriana volamena sy ny palma nampitondrainareo, ka vonona izahay hanao fanekem-pihavanana tanteraka aminareo sy hanoratra amin'ny mpanao raharaham-panjakana hanome fanafahana samihafa anareo. 38Izay rehetra efa voatapakay ny aminareo aloha dia tsy miova, ny trano mimanda naorinareo dia aoka ho anareo. 39Avelanay avokoa ny tsy efanareo taloha sy izay hadisoanareo hatramin'izao andro izao; toy izany koa izay hasin'andriana tsy maintsy haloanareo, ary raha nisy hetra hafa nalaina tao Jerosalema, dia aza halaina intsony izany. 40Raha misy aminareo mazoto hilatsa-tenany ho isan'ny miaramila mpiambina ny tenanay, aoka izy hilatsaka ary aoka hihavana isika.
       41Tamin'ny taona fahafitopolo amby zato Israely afaka tamin'ny jiogan'ny firenena, 42ary ny vahoakan'Israely nanomboka nanoratra tamin'ny soratra amam-panekena hoe: Tamin'ny taona voalohany nanapahan'i Simona mpisorona lehibe, be fiamboniana, sy mpanapaka ny Jody.
       43Tamin'izany andro izany Simona nandroso hamely an'i Gaza; nasainy nosaronan'ny miaramilany io, dia nanangana tilikambo fiadiana izy nasainy hamelezana ny tanàna, ka izany no nahabangany ny tilikambo anankiray, dia lasany io. 44Nirotsahan'ireo tao amin'ny tilikambo fiadiana ny tanàna, ka loza ny hatairana vokatr'izany. 45Niakatra teny ambony manda ny mponina, nomban'ny vady aman-janany, manao fitafiana rovitra, mandefa feo fitarainana mafy, mangataka an'i Simona hanao raharaham-pihavanana aminy, nanao hoe: 46Aza dia mitondra anay araka ny haratsiam-panahinay, fa araka ny indrafonao. 47Nety nifonan'ireo ihany Simona ka tsy nasiany intsony, nefa noroahiny ny mponina tao an-tanàna, nodioviny ny trano nisy sampy, dia niakatra ny tanàna tamin-kira fiderana amam-pisaorana izy. 48Nony voaesony avokoa ny loto tao an-tanàna, dia nametrahany olona mpankatò ny lalàna tao, dia nohamafisiny ary nanoreanany trano ho azy koa.
       49Ireo olona tao amin'ny trano mimandan'i Jerosalema anefa tsy nahazo nivoaka na nandeha tamin'ny tany, na hividy na hivarotra, ka voan'ny mosary mafy, ary maro be no matin'ny hanoanana. 50Niantso mafy izy nangataka an'i Simona hanao raharaham-pihavanana aminy; dia nekeny izany; fa noroahiny hiala tao izy ireo ary nodioviny ho afaka amin'ny loto rehetra ny trano mimanda. 51Nony tamin'ny andro fahatelo amby roapolon'ny volana faharova, taona faharaika amby fitopolo amby zato izy, niakatra tao tamin-kira fiderana, sampan-drofia, valiha, kipantsona, harpa, nanao hira amam-piderana, fa rava ny fahavaloben'Israely. 52Nodidiany hankalazaina isan-taona izany andro fifaliana izany. 53Nohamafisiny ny tendrombohitry ny tempoly, izay eo anilan'ny trano mimanda, dia nonina teo izy sy ny momba azy.
       54Ary hitan'i Simona fa nitsangana ho lehilahy be herim-po Josany zanany; koa dia natolony azy ny fifehezana ny miaramila rehetra, ary Gazara no nataony fonenany. >