Boky Voalohan'ny Makabeo

Toko faha-13

51 Nony tamin'ny andro fahatelo amby roapolon'ny volana faharova, taona faharaika amby fitopolo amby zato izy, niakatra tao tamin-kira fiderana, sampan-drofia, valiha, kipantsona, harpa, nanao hira amam-piderana, fa rava ny fahavaloben'Israely. 52 Nodidiany hankalazaina isan-taona izany andro fifaliana izany. 53 Nohamafisiny ny tendrombohitry ny tempoly, izay eo anilan'ny trano mimanda, dia nonina teo izy sy ny momba azy. 54 Ary hitan'i Simona fa nitsangana ho lehilahy be herim-po Josany zanany; koa dia natolony azy ny fifehezana ny miaramila rehetra, ary Gazara no nataony fonenany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0388