Boky Voalohan'ny Makabeo

Toko voalohany

51 hamela ny zanany lahy tsy hoforana, handoto tena amin'ny loto amam-pametavetana isan-karazany, mba hahatonga azy hanadino ny lalàna sy hanova ny didy rehetra. 52 Ka na zovy na zovy tsy hankatò ny didin'ny mpanjaka Antiokosa, dia hohelohin-ko faty. 53 Toy izany no taratasy naeliny eran'ny fanjakany manontolo, sady nanendry olona hitandrina ny vahoaka rehetra izy; 54 nandidy ireo tanànan'i Jodà koa izy, mba samy hanatitra sorona isan-tanàna. 55 Be ny Jody no nikambana tamin'ny Siriana, dia izay rehetra nanary ny lalàna; nanao ny ratsy tamin'ny tany izy ireo; 56 ka hany herin'ny Israelita tsy nivadika, dia nandositra eny amin'ny fitoerana takona sy amin'izao karazam-pierena rehetra izao. 57 Tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana Kasleo, taona fahadimy amby efapolo amby zato, dia naoriny teo ambony otelin'ny sorona dorana, ny fahavetavetana lozan-tany. Nanorenany otely koa teo amin'ny tanànan'i Jodà rehetra, eny amin'ny manodidina.

58 Ary nandoro emboka teny am-baravaran'ny trano sy teny amin'ny kianja izy ireo. 59 Raha mahita ny bokin'ny lalàna eny ho eny izy, rovitiny aloha dia dorany. 60 Izay nahitana bokin'ny fanekena, ary izay niseho ho mbola miraikitra amin'ny lalàna, na zovy na zovy, dia novonoina ho faty, noho ny didin'ny mpanjaka. 61 Toy izany no tsy nitondrany roa an'Israely, ka indray andro isam-bolana, dia novonoiny eny amin'ny tanàna ny Israelita izay trany nandika izany. 62 Ny fahadimy amby roapolon'ny volana izy ireo dia nanatitra sorona teo amin'ilay otely naorina teo ambonin'ny otelin'ny sorona dorana. 63 Araka ny lalàna koa, izay vehivavy nampamora ny zanany dia novonoina ho faty, nahantona teo am-bozony ny zanany; 64 norobaina ny tao an-tranony ary natao maty izay nanao ny fandidiana. 65 Maro anefa ny Israelita no nanohitra tamin-kerim-po sy nanao fikasana mafy tsy hihinana na inona na inona amin'izay maloto. Naleony maty toy izay handoto tena amin'ny hanina, 66 sy hametaveta ny fanekena masina; ka dia maty izy ireny. 67 Hatezerana mafy loatra no niantonta tamin'Israely fahizany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0376