Boky Voalohan'ny Makabeo

Toko faha-2

51 Tsarovy ny asa nataon'ny razantsika tamin'ny androny, ary hahazo voninahitra sy anarana tsy mety maty hianareo. 52 Moa va tsy niseho ho nahatoky Abrahama, tamin'ny fizahan-toetra, ary moa ve tsy nekena ho fahamarinana ho azy ny finoany? 53 Nitandrina ny didy Josefa tamin'ny andron'ny fahoriany, ka tonga tompon'i Ejipta izy. 54 Nirehi-pahazotoana hiaro ny zon'Andriamanitra Finea razantsika, ka nahazo antoka ny fisoronana masina. 55 Nahatanteraka ny teny nomeny Jesoasa, ka tonga mpitsara tamin'Israely. 56 Nitsangan-ko vavolombelona nilaza teo anatrehan'ny fiangonana Kaleba, ka nahazo zaratany anankiray teo amin'ny tany. 57 Ny fitiavam-bavak'i Davida no nahazoany seza fiandrianana ho amin'ny taona mandrakizay. 58 Ny nirehetan'ny fahazotoan'i Elia hiaro ny lalàna no nipaoahana azy any an-danitra. 59 Ny toky nananan'i Ananiasa sy Azariasa ary Mizaela no namonjena azy tamin'ny lelafo. 60 Ny tsy fananany tsiny no namonjena an'i Daniela tamin'ny vavan'ny liona. 61 Diniho amin'izay, eran'ny taona rehetra, fa tsy mba resy izay rehetra nanantena azy. 62 Aza matahotra izay rahombavan'olona mpanota, fa mivarin-ko amin'ny fahalòvana aman-kankana ny voninahiny. 63 Anio izy manandra-tena, ary rahampitso izy tsy ho hita intsony, satria miverin-ko amin'ny vovony izy; ka levona foana ny fisainany. 64 Koa matanjaha sy mahereza fo hianareo, anaka, hiaro ny lalàna, fa izy no hanananareo voninahitra. 65 Indro Simona rahalahinareo, fantatro fa lehilahy tsara torohevitra izy, ka mihainoa azy mandrakariva, fa dia hanjary ray ho anareo izy. 66 Aoka Jodàsa Makabeo, lehilahy mahery sy be herim-po hatramin'ny fahatanorany, no ho lohan'ny tafikareo sy hitarika ny ady amin'ny firenena. 67 Ataovy homba anareo izay rehetra mitandrina ny lalàna, ary mamalia ny ratsy natao tamin'ny firenenareo. 68 Valio ny nataon'ny firenena tamin'Israely, ary tandremo ny didin'ny lalàna. 69 Nony avy nitso-drano azy ireo izy, dia nangonina any amin'ny razany. 70 Tamin'ny taona fahenina amby efapolo amby zato izy no maty, ary tao amin'ny fasan-drazany ao Modìna izy no nalevin'ireo zanany ary nisaona azy tamin'ny fisaonana lehibe Israely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0384