Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Boky Voalohan'ny Makabeo

1 Makabeo toko 3
Nandresy hatrany Jodasa, ka azony indray Jerosalema; dia novelominy tao indray ny fanompoana an'Andriamanitra marina.

       1Dia nitsangana nandimby azy Jodàsa zanany, atao hoe Makabeo. 2Nanampy azy avokoa ireo rahalahiny mbamin'izay rehetra nanatona homba an-drainy, niady an-kavaliana ny adin'Israely. 3Nampitatra ny voninahitry ny fireneny izy, niakanjo fiarovan-tratra toy ny lehilahy mahery izy, namehy teo am-balahany ny fiadiany enti-miady dia nandrafitra ady, niaro ny tobin'Israely tamin'ny sabany. 4Teo am-pikatrohana izy, dia toy ny liona, sy nanahaka ny liona tanora mierona amin'ny rembiny. 5Nenjehiny ny mankahala ny fivavahana, nokarohiny hatrany am-piereny tany, ary nodorany amin'ny afo izay nanabataba ny fireneny. 6Nihemotra tsiravina teo anatrehany ny mpankahala ny fivavahana, nivadi-po avokoa izay rehetra mpampanao ratsy; ary ny tànany nanatanteraka soa aman-tsara ny fanafahana ny fireneny. 7Ny asa nataony nampiditra alahelo mangidy tamin'ny mpanjaka maro, sy hafaliana tamin'i Jakoba; ary ny fahatsiarovana azy, hankalazaina mandrakizay. 8Nitety ny tanànan'i Jodà izy, nandringana an'izay mankahala ny fivavahana, ka namily ny hatezerana tsy ho amin'Israely. 9Tonga nalaza hatrany am-paran'ny tany ny anarany, ary nangoniny izay efa teo am-bavan'ny fahafatesana.
       10Namory miaramila mpanompo sampy Apolloniosa, dia tafika lehibe, nalainy tany Samaria, hiady amin'Israely. 11Vao nilazana izany Jodasa dia nandeha hamely azy, naharesy azy izy, dia namono nahafaty azy; maro ny fahavalo maty, ary ny sisa nandositra. 12Ka nobaboin'ny Jody ny fananany, ary nalain'i Jodasa ny sabatr'i Apolloniosa, dia izay no nanaovany mandrakariva tamin'ny ady hatramin'izay.
       13Nony ren'i Serona filohan'ny tafiky ny Siriana, fa hoe: nahavory olona betsaka Jodasa, dia antokon'ireo Jody tsy nivadika, momba azy amin'ny ady, dia hoy izy: 14Hamelon-tantara ny anarako aho, dia hahazo voninahitra amin'ny fanjakana, hiady amin'i Jodasa sy ireo momba azy izay naniratsira ny didin'ny mpanjaka. 15Dia nanafika fanindroany tokoa izy; tafik'olona maro mpankahala ny fivavahana no niakatra niaraka taminy, mba hanampy azy, hamely ny zanak'Israely. 16Nony mby akaikin'ny fiakaran'i Betorona izy ireo, dia nandroso nitsena azy Jodasa nomba-miaramila vitsy foana. 17Raha nahita ny tafika tamy hamely azy ny miaramilany, dia nanao tamin' i Jodasa hoe: Hataontsika vitsy kely ireto ahoana no fiady amin'ireo vahoaka be loatra ireo? Indrindra fa isika dia efa reraka avy nifady hanina androany. 18Fa hoy Jodasa namaly azy ireo: Zavatra mora foana ny hangejan'ny olona vitsy kely eo am-pelatànany ny vahoaka maro be; tsy misy hafa amin'Andriamanitry ny lanitra, ny mamonjy amin'ny maro, na amin'ny vitsy. 19Satria ny fandresena amin'ny ady tsy avy amin'ny hamaroan'ny mpiady, fa avy any an-danitra no ihavian'ny hery. 20Izy ireo mandroso hamely antsika, feno avona amam-pankahalana ny fivavahana, mba hamono antsika mbamin'ny vady aman-janatsika sy handroba antsika. 21Fa isika kosa miady hiaro ny aintsika sy ny lalàntsika. 22Koa homontsanin'Andriamanitra eo anoloantsika ireo; ka aza matahotra an'ireo hianareo. 23Vao nitsaha-niteny izy, dia niantoraka tampoka tamin'izy ireo, ka resy Serona sady nahita ny tafiny montsana teo imasony. 24Nenjehin'i Jodasa nitsontsorika ny fidinan'i Betorona, hatrany amin'ny tany lemaka izy; valon-jato lahy no maty tamin'ny miaramilany, ary ny sisa nandositra any amin'ny tanin'ny Filistina. 25Izay vao niely ny tahotra an'i Jodasa mbamin'ireo rahalahiny, dia tsiravina ny firenena manodidina. 26Tonga hatrany amin'ny mpanjaka ny lazany, ary niresaka ny adin'i Jodasa avokoa izay vahoaka.
       27Nisafoaky ny hatezerana Antiokosa mpanjaka, nandre izany vaovao izany, nanome didy izy sy namory ny miaramila rehetra teo amin'ny fanjakany, izay tafika lehibe dia lehibe. 28Nosokafany ny firaketany dia nomeny ny karamany amin'ny herin-taona ny miaramilany, sady nandidy izy hatao vonona amin'izay rehetra hilana azy izy ireo. 29Hitany tamin'izay anefa fa tsy ampy ny vola tao am-batany, sady kely ny hetra avy amin'ny faritaniny, noho ny fikorontanana sy ny loza nampidiriny tamin'ny tany, tamin'ny nitadiavany hamongorana ny lalàna efa narahina hatramin'ny fahagolan-tany. 30Natahorany sao ho toraka izay efa nahazo azy matetika, ka tsy hanan-kandoavana ny lany sy hanomezam-be izy, fa efa fanaony taloha ny mitobatoba be loatra, sy mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany aza. 31Noho izany fahasahiranany mafy izany, tapa-kevitra ny ho any Persa izy hamory hetra amin' ireo faritany ireo sy hanangom-bola be. 32Ka dia Lisiasa lehilahy ambony sy anisan'ny finakavian'ny mpanjaka, no napetrany ho lohan'ny raharaha teo amin'ny fanjakana hatramin'ny ony Eofrata ka hatramin'ny sisin-tanin'i Ejipta, 33sy hikarakara an'i Antiokosa zanany, mandra-piveriny. 34Napetrany aminy ny antsasaky ny miaramilany sy ny elefanta, ary nomeny didy izy hanatanteraka ny hevitra voakasany rehetra, indrindra ny amin'ny mponina any Jodà sy Jerosalema. 35Tsy maintsy handefa tafika Lisiasa handrava sy hamongotra ny fahefan'Israely mbamin'izay sisa ao Jerosalema, ary hanafoana ny fahatsiarovana azy, amin'izany toerana izany, 36dia hamponina taranak'olon-kafa firenena eo amin'ny taniny rehetra, ka ireo no hizarany ny taniny amin'ny filokana. 37Rahefa izany, nentiny homba azy ny antsasaky ny miaramilany, dia niala tao Antiokia renivohiny ny mpanjaka tamin'ny taona fahafito amby efapolo amby zato, nita ny ony Eofrata dia namaky ny tany avo.
       38Ptolemea zanak'i Dorimena sy Nikanora ary Gorjiasa kapiteny mahay, sady sakaizan'ny mpanjaka, no nofidin'i Lisiasa, 39ary miaramila an-tongotra efatra alina sy an-tsoavaly fito arivo no nalefany hiaraka amin'izy ireo hanafika any amin'ny tanin'i Jodà sy handrava azy, araka ny didin'ny mpanjaka. 40Dia niainga izy ireo, mbamin'ny miaramilany rehetra, ka nony tonga tany, dia nitoby teo amin'ny tany lemaka, akaikin'i Emaosa. 41Vao nandre ny fahatongavany ireo mpandranto teo amin'ny tany, dia nitondra volafotsy sy volamena betsaka ary parapaingo koa nentiny nakao amin'ny tobin'ny Siriana hividianany ny zanak'Israely hataony andevo. Nikambana tamin'io tafika io koa ny miaramilan'i Siria sy ny teo amin'ny tanin'ny Filistina.
       42Hitan'i Jodasa sy ireo rahalahiny, fa nihamafotaka ny raharaha sady efa mitoby eo amin'ny sisin-taniny ny tafiky ny fahavalo; fantany koa ny didy nomen'ny mpanjaka mampandringana sy mampamongotra ny fireneny, 43ka dia nifampilaza hoe izy ireo: Atsangano indray ny firenentsika rava; ary miadia ho an'ny firenentsika sy ny fitoerana masintsika. 44Dia nivory ny fiangonana, hioman-kiady sy hivavaka hangata-pitsimbinana amim-pamindram-po. 45Ary Jerosalema dia tsy nisy mponina, fa toy ny efitra; ny zanany tsy nisy niditra na nivoaka teo; ny fitoerana masina voahosihosy, ny trano mimanda dia tànan'ny zanaky ny firenena hafa, fonenan'ny firenena izy. Niala teo amin'i Jakoba ny hafaliana, ary tsy re intsony ny filiotra amana harpa. 46Nony tafavory izy ireo, dia nankao Masfa tandrifin'i Jerosalema, fa nisy fitoeram-pivavahana ho an'Israely tao fahiny. 47Tamin'izany andro izany, izy ireo nifady hanina, nisamboritra lasàka, nanisy lavenona ny lohany, ary nandriatra ny fitafiany. 48Novelariny ny bokin'ny lalàna izay nokarohin'ny firenena hanoratany ny sarin-tsampiny, 49nentiny ny fitafiam-pisoronana, ny voaloham-bokatra, ny fahafolon-karena, ary nasainy nanatona ny Nazareana efa nahatapitra ny fotoan'ny voadiny; 50dia niantso tamim-peo avo nitaraina tamin'ny lanitra izy nanao hoe: Inona no hataonay amin'ireto olona ireto, ary aiza no hitondranay azy? 51Ny fitoeranao masina efa voahosihosy sy voaloto, ny mpisoronao dia ao anatin'ny fisaonana aman-kenatra. 52Ary indreo tafavory hamely anay ny firenena mba hamongotra anay; fantatrao ny fikasany hamely anay. 53Hataonay ahoana no fahaleo azy ireo, raha tsy vonjenao izahay? 54Dia nitsoka trompetra izy ireo, ary nandefa feo fitarainana mafy. 55Nanaraka izany, nanendry mpifehy ny vahoaka Jodasa, tompon'arivo, tompon-jato, tompon-dimampolo, tompom-polo. 56Ary izay vao avy nanorin-trano, na nampaka-bady, na namboly voaloboka, mbamin'izay natahotra, dia nilazany mba hody any an-tranony avy araka ny lalàna. 57Rahefa izany dia nanainga ny tafika, ka nandeha nitoby teo atsimon'i Emaosa. 58Ary hoy Jodasa: Misikìna hianareo, ary samia mitomban-dahy, mivonòna ho amin'ny rahampitso maraina, hiady amin'ireo firenena tafakambana hamono antsika ireo, dia isika sy ny fitoerana masintsika. 59Fa tsaratsara kokoa ho antsika ny maty mitam-piadiana toy izay mahita ny loza manjo ny firenentsika sy ny fitoerana masintsika voaloto. 60Ary na inona na inona sitra-pon'ny lanitra dia aoka ho tanteraka izany. >