Boky Voalohan'ny Makabeo

Toko faha-3

51 Ny fitoeranao masina efa voahosihosy sy voaloto, ny mpisoronao dia ao anatin'ny fisaonana aman-kenatra. 52 Ary indreo tafavory hamely anay ny firenena mba hamongotra anay; fantatrao ny fikasany hamely anay. 53 Hataonay ahoana no fahaleo azy ireo, raha tsy vonjenao izahay? 54 Dia nitsoka trompetra izy ireo, ary nandefa feo fitarainana mafy. 55 Nanaraka izany, nanendry mpifehy ny vahoaka Jodasa, tompon'arivo, tompon-jato, tompon-dimampolo, tompom-polo. 56 Ary izay vao avy nanorin-trano, na nampaka-bady, na namboly voaloboka, mbamin'izay natahotra, dia nilazany mba hody any an-tranony avy araka ny lalàna. 57 Rahefa izany dia nanainga ny tafika, ka nandeha nitoby teo atsimon'i Emaosa. 58 Ary hoy Jodasa: Misikìna hianareo, ary samia mitomban-dahy, mivonòna ho amin'ny rahampitso maraina, hiady amin'ireo firenena tafakambana hamono antsika ireo, dia isika sy ny fitoerana masintsika. 59 Fa tsaratsara kokoa ho antsika ny maty mitam-piadiana toy izay mahita ny loza manjo ny firenentsika sy ny fitoerana masintsika voaloto. 60 Ary na inona na inona sitra-pon'ny lanitra dia aoka ho tanteraka izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0377