Boky Voalohan'ny Makabeo

Toko faha-5

51 Novonoiny tamin'ny lelan-tsabatra ny lahy rehetra, noravany tsy nasiany niangana ny tanàna, nentiny ny babo teo aminy, ary faty no nodiaviny namaky azy. 52 Rahefa izany, nita an'i Jordany ny Jody, dia tonga teo amin'ny tany lemaka lehibe, tandrifin'i Betsana. 53 Nijanona tany amin'ny vody làlana Jodasa nampandroso ny mpitaredretra hahatratra ny namany, namporisika ny vahoaka teny an-dalana rehetra teny, mandra-pahatongany any amin'ny tanin'i Jodà. 54 Dia niakatra tao an-tendrombohitra Siona, tamim-pifaliana sy firavoravoana izy ireo, sy nanatitra sorona dorana, fa tonga soa aman-tsara, tsy nisy maty na dia iray aza, tamin'izy rehetra. 55 Raha mbola tany amin'ny tany Galaada Jodasa mbamin'i Jonatasa rahalahiny, ary tany Galilea anoloan'i Ptolemaisa koa Simona rahalahiny,

56 dia ren'i Josefa zanak'i Zakaria, sy Azariasa, samy lohan'ny tafika, ny herim-po lehibe nafitsok'izy ireo sy ny ady nataony. 57 Ka nifampilaza hoe izy: Ndao koa isika mba hampaneho laza ny anarantsika, ka andeha hiady amin'ireo firenena manodidina antsika. 58 Dia nomeny didy ny miaramila amin'ny tafiny, ka nandroso hamely an'i Jamnia izy ireo. 59 Ary nivoaka ny tanàna Gorjiasa mbamin'ny miaramilany, ka nandroso hitsena azy hianiany aminy. 60 Resy Josefa sy Azariasa, ka nenjehina hatreo amin'ny sisin-tanin'i Jodea, nahafatesana roa arivo lahy ny vahoakan'Israely, tamin'izay andro izay. Ny vahoakan'Israely no voan'izany faharesena lehibe izany 61 dia noho izy tsy nihaino an'i Jodasa mbamin'ireo rahalahiny, fa nataony ho fanehoan-kerim-po izany. 62 Kanefa izy ireo tsy mba isan-taranak'ireo olona izay nametrahana ny famonjena an'Israely. 63 Jodasa mahery fo, mbamin'ireo rahalahiny, nahazo voninahitra lehibe, teo anatrehan'Israely rehetra sy ny firenena rehetra, izay nanononana ny anarany. 64 Nivory nanodidina azy ny olona hiarahaba azy. 65 Nanaraka izany, niainga indray Jodasa mbamin'ireo rahalahiny, hiady amin'ny taranak'i Esao, eo amin'ny tany atsimo; azony Hebrona mbamin'ny tanàna momba azy, noravany ny mandany, nodorany ny tilikambo teo amin'ny manda manodidina azy.

66 Nony avy nangorona ny lainy izy dia nankany amin'ny tany Filistina sy namaky an'i Mareza. 67 Tamin'izany andro izany nisy mpisorona maro, maty an'ady fa te-hanampatra ny herim-po fotsiny, ka mba nisosoka niady, tsy amim-pahamalinana, koa. 68 Rahefa izany, nizotra ho any Azota tamin'ny Filistina Jodasa, noravany ny otelin'ireny, nodorany ny sarin-tsampy voasokitr'ireny, ary nony efa nobaboiny ny tanànany, dia niverina ho amin'ny tanin'i Jodà izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0386