Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Boky Voalohan'ny Makabeo

1 Makabeo toko 6
Fahafatesan'i Antiokosa Epifana - Ady tamin'i Antiokosa Eopatora - Nafahirano Jerosalema.

       1Tamin'izany Antiokosa mpanjaka nitety ireo faritany avo. Nony reny fa any Persa, any amin'i Elimaida, misy tanàna anankiray malaza amin-karena, be volafotsy sy volamena, 2manan-tempoly be zava-tsarobidy, misy fiadiana navelan'i Aleksandra, zanak'i Filipo, mpanjakan'i Masedoana, ilay nanjaka voalohany tamin'ny Greka, 3dia nankany izy, ka nitady haka sy hambabo ny tanàna; kanjo tsy nahomby izy, fa fantatr'ireo tompon-tanàna ny fikasany. 4Nitsanga-kiady aminy ireo, dia vaky nandositra izy, sy nihataka tamin'alahelo lehibe, hiverina ho any Babilona. 5Tamin'izay nisy iraka tonga tany Persa nilaza taminy ny faharesen'ireo miaramila niditra tamin'ny tanin'i Jodà, 6fa hoe: Nony nandorso nitondra tafika lehibe dia lehibe Lisiasa, dia voatery handositra teo anoloan'ny Jody, ka ireo kosa nampitombo ny heriny tamin'ny fiadiana mbamin'ny miaramila sy ny babo azony tamin'ny tafika resy; 7noravany ny fahavetavetana natsangany teo ambonin'ny otely, tany Jerosalema, nohodidininy manda avo toy ny taloha indray ny tempoly; toy izany koa no nataony tany Betsora, anankiray amin'ny tanànany. 8Raha nandre izany vaovao izany ny mpanjaka, dia azon-tahotra mafy sy notsindrian-tebiteby lozan-tany, ka nidaboka teo amin'ny fandriany, sy nandraiki-nararin'alahelo, fa tsy tanteraka ny faniriany. 9Andro maro izy teo ihany, ary nihonaka lava tamin'ny fahorian-tsainy lalina. Nony nataony fa efa antomotra ny hahafatesany, dia niantso ireo sakaizany izy, sy nilaza taminy hoe: 10Ny torimaso nandao ny masoko, ary ny alahelo mandreraka ny foko, 11ka hoy aho anakampoko: Alahelo lehibe manao ahoana ity mahazo ahy, ary hantsan-dalina manao ahoana ity nilatsahako izao? Ilay izaho tsara fo sy tiana teo amin'ny fanjakako teo iny! 12Tsaroako anefa izao ny ratsy nataoko tany Jerosalema fa nentiko avokoa ny fanaka volamena sy volafotsy hita tao, ary nandefa tafika aho handringana, tsy misy antony, ny mponina rehetra tany Jodea. 13Koa fantatro fa noho izany no niharan'izao loza izao amiko, ary indro aho ho faty amin'alahelo lehibe, aty an-tanin'olon-kafa. 14Dia niantso an'i Filipo, anankiray amin'ireo sakaizany izy, ka nanendry azy hitondra ny fanjakany manontolo. 15Nomeny azy ny satro-boninahiny, ny akanjony, ny fitomboka, ary nasainy hampianatra an'i Antiokosa zanany sy hanabe azy hitondra ny fanjakana. 16Dia maty teo amin'izany toerana izany Antiokosa mpanjaka, tamin'ny taona fahasivy amby efapolo amby zato. 17Rehefa nandre ny nahafatesan'ny mpanjaka Lisiasa, dia nantsangany hanjaka handimby azy Antiokosa zanany, izay notezainy hatramin'ny fahazazany sy nomeny anarana hoe Eopatora.
       18Ny miaramila tao amin'ny manda dia namahy an'Israely tao amin'ny manodidina ny fitoerana masina, nataony lalandava izay hahasosotra azy ary nitsangan-ko fohan'ny firenena. 19Tapakevitra ny handrava azy Jodasa ka namory ny vahoaka rehetra hanao fahirano azy. 20Dia nivory izy rehetra, nanao fahirano azy, tamin'ny taona fahadimampolo amby zato, ary nanorina tilikambo fanipazam-bato sy milina hamelezana azy, izy ireo. 21Afa-nandositra anefa ny sasany tamin'izay nafahirano, sady nisy Israelita maromaro mankahala ny fivavahana koa, nikambana tamin'izy ireo. 22Ka nandeha nankany amin'ny mpanjaka, nilaza taminy hoe: Miandry mandra-pahoviana hianao vao hanome rariny anay, sy hamaly ny ratsy natao tamin'ny rahalahinay? 23Nilatsaka an-tsitra-po tamin'ny fanompoana an-drainao izahay, nanefa izay nolazainy sy nanatanteraka ny didiny izahay. 24Noho izany dia tonga fahavalonay ny zanaky ny vahoakanay; izay rehetra aminay tafalatsaka eo an-tanany dia voavono avokoa, ny lovanay norobainy. 25Ary tsy taminay ihany izy no naninji-tànana, fa tamin'ireo tany mifanolotra aminay rehetra koa. 26Jereo ange: efa mitoby eo anoloan'ny mandan'i Jerosalema izy izao, mba hanafahany azy, ary efa nohamafisiny koa ny tempoly, ary Betsora koa. 27Ka raha tsy sakananao faingana mialoha izy, dia handroso handroso eo ihany, ka tsy ho azonao tohaina intsony.
       28Nentin-katezerana ny mpanjaka, nony nandre izany, ka nantsoiny avokoa ny sakaizany, ny mpitari-tafiny, mbamin'ireo mpifehy ny mpitaingin-tsoavaly. 29Nisy miaramila mpikarama koa, tonga teo aminy, avy amin'ny fanjakana hafa sy amin'ny nosin-dranomasina. 30Izao no isan'ny tafiny: miaramila an-tongotra iray hetsy, an-tsoavaly roa alina, ary elefanta zatra ady roa amby telopolo. 31Nandroso nihazo an'Idomea izy ireo, dia niorin-toby teo anoloan'i Betsora, niady naharitra ela izy, sady nanorina milina fiadiana, fa nivoaka nandoro azy ny Jody naneho herim-po lehibe. 32Tamin'izay, nialan'i Jodasa ny manda ka lasa izy nitoby tao Beta-Zakaria, tandrifin'ny tobin'ny mpanjaka. 33Nifoha maraina koa ny mpanjaka, nasainy niainga tampoka nihazo ny làlana mankany Beta-Zakaria ny tafiny, ka dia nivonon-kamely sy nampaneno trompetra ny miaramila. 34Norosoany ranom-boaloboka amam-boaroihazo, teo imason'ny elefanta, mba hamporisika azy hiady. 35Nozarainy hatao anelanelan'ny isan-tokony avy ireo biby ireo, ka isan'elefanta dia notronin'ny miaramila arivo miakanjo fiarovan-tratra, makarakara vy, misatroka satroka varahina, ary mpitaingin-tsoavaly diman-jato voafantina, nilahatra teo anilany. 36Ireo an-tsoavaly ireo dia raikitra ho eo amin'izay misy ity biby mandrakariva; izay alehan'io no alehan'ireo koa, fa tsy misaraka aminy na oviana na oviana ireo. 37Eo ambonin'ny isan'elefanta, nisy tilikambo hazo mafy, ho fiarovana azy, mifatotra manodidina ny tenany, amin'ny anja-koditra, ka mpiady roa amby telopolo lahy, miady ao amin'io tilikambo io, no entin'ny elefanta iray, afa-tsy ny mpiandry azy. 38Ny mpitaingin-tsoavaly sisa, dia nalahatr'izy ireo, ho eo an-daniny roa, amin'ny tafika, mba hanahirana ny fahavalo sy hiaro ny antoko-miaramilany. 39Nony mitaratra amin'ny ampinga volamena sy varahina ny tana-masoandro, dia mamirapitratra ny tendrombohitra tarafin'ireo kosa, ka manjopiaka ohatran'ny fanilo afo. 40Ny laniny iray amin'ny tafiky ny mpanjaka nivelatra teo amin'ny tendrombohitra avo, ny laniny iray kosa teo amin'ny lohasaha, ary nandroso tamim-pandeha matotra sy milahatra tsara izy ireo. 41Nivadi-po avokoa ny olona tamin'ny akoralavan'izany vahoaka izany, sy ny firodorodon'ny diany, ary ny fikitrakitran'ny fiadiany. Fa tena tafika maro indrindra sy mahery tokoa izany.
       42Dia nandroso nitondra ny tafiny hiady Jodasa, ka enin-jato lahy no nitsingidina tamin'ny tafiky ny mpanjaka. 43Eleazara, natao hoe koa Abarona, nahatazana iray tamin'ireo elefanta, niravaka firongon'ny elefantan'andriana, sady avo mihoatra noho ny namany. 44Noheveriny fa tao ny mpanjaka, ka nahafoy ny ainy izy hamonjy ny fireneny, sy hamelon-tatara tsy maty ny anarany mandrakizay. 45Niezaka an-kasahiana nanatona an'io izy, namaky ny antoko-miaramila, namono ny teo an-kavanany sy teo an-kaviany; ka nisava nankeo an-daniny roa teo anoloany ny fahavalo. 46Dia nitsorofoka tao ambanin'ny elefanta izy, dia notrabarany io ka matiny, fa nidaraboka tamin'ny tany teo amboniny kosa ny elefanta, ka maty teo Eleazara. 47Nahita ny herin'ny fanjakana sy izato fimamamaman'ny miaramila anefa ny Jody, ka nihataka teo anoloany.
       48Niakatra ho ao Jerosalema tamin'izay ny miaramila tamin'ny tafiky ny mpanjaka, hitsena ny Jody: dia niorin-toby hamely an'i Jodea sy ny tendrombohitra Siona ny mpanjaka. 49Nanaovany fanekem-pihavanana ny tao Betsora dia nivoaka ny tanàna izy ireo, fa efa tsy nisy hanina ho enti-mihiboka ho azy ireo ao an-tanàna, satria taona fampitsaharana ny tany tamin'izay. 50Izany no nahazoan'ny mpanjaka an'i Betsora sy nametrahany miaramila hiambina azy. 51Niorin-toby teo anoloan'ny fitoerana masina izy, naharitra andro maro, ka nanangana tilikambo fandefasam-bato, milina fiadiana, milina fandefasan-java-maranitra mirehitra mbamin'ny vato, maingoka fandefasan-jana-tsipika, ary antsamotady. 52Ireo nafahirano koa nanao milina hanoherana ny an'ireto namahirano ka nampaharitra ela ny nanoherany azy. 53Nefa tsy nisy hanina tao amin'ny magazay, satria taona fahafito ny tamin'izay, ary ny sisa napetraka hotahirizina, lanin'ny Israelita izay nandositra tany Jodea, teo anoloan'ny firenena. 54Ka Jody vitsy foana sisa tafajanona tao amin'ny fitoerana masina, fa nihahaka samy nody any aminy avy izy, satria nandroso nandroso teo ihany ny hanoanana.
       55Tamin'izany Filipo, ilay notendren' i Antiokosa mpanjaka, fony izy mbola velona, hanabe sy hampanjaka an'i Antiokosa zanany, 56no tonga avy any Persa sy Media, nomban'ny miaramila nanaraka ny mpanjaka, ka nitady handray ny raharaham-panjakana ho eo an-tanany. 57Nony nahare izany vaovao izany Lisiasa dia tsy nisy nahadodoka azy intsony afa-tsy ny hiala eo ihany. Hoy izy tamin'ny mpanjaka sy ny lehiben'ny tafika ary ny miaramila: Isika ity mihena an-toerana isan'andro, ny hanina kely sisa ananantsika, ny toerana ataontsika fahirano voamanda, kanefa ny raharaham-panjakana izao tokony ho raharahaintsika. 58Koa ankehitriny, ndao hifandray tànana amin'ireo olona ireo, manaova fanekem-pihavanana aminy sy amin'izy rehetra iray firenena; 59ekeo ny hahazoany manao toe-piainana araka ny lalany toy ny taloha, fa noho ny amin'ireo lalàna ireo, izay notadiavintsika ho foanana ihany, no nahatezitra azy sy nahavitany izao zavatra rehetra izao. 60Sitraky ny mpanjaka sy ny mpifehy izany teny izany, ka naniraka olona hanao raharaham-pihavanana amin'izy ireo izy, ary nanaiky izany izy. 61Nankatoavin'ny mpanjaka sy ny mpifehy tamim-pianianana ny fanekena, ka dia nivoaka ny manda ireo natao fahirano. 62Kanjo nony tafiditra tao an-tendrombohitra Siona ny mpanjaka, ka nahita izato manda, dia nivadihany ny fianianana nataony, ka nanome didy handrava ny manda manodidina izy. 63Izay izy dia niainga maika dia maika hiverina ho any Antiokia, izay nahitany an'i Filipo, efa tonga tompon'ny tanàna, ka niady taminy izy, dia azony ny tanàna. >