Boky Voalohan'ny Makabeo

Toko faha-6

51 Niorin-toby teo anoloan'ny fitoerana masina izy, naharitra andro maro, ka nanangana tilikambo fandefasam-bato, milina fiadiana, milina fandefasan-java-maranitra mirehitra mbamin'ny vato, maingoka fandefasan-jana-tsipika, ary antsamotady. 52 Ireo nafahirano koa nanao milina hanoherana ny an'ireto namahirano ka nampaharitra ela ny nanoherany azy. 53 Nefa tsy nisy hanina tao amin'ny magazay, satria taona fahafito ny tamin'izay, ary ny sisa napetraka hotahirizina, lanin'ny Israelita izay nandositra tany Jodea, teo anoloan'ny firenena. 54 Ka Jody vitsy foana sisa tafajanona tao amin'ny fitoerana masina, fa nihahaka samy nody any aminy avy izy, satria nandroso nandroso teo ihany ny hanoanana. 55 Tamin'izany Filipo, ilay notendren' i Antiokosa mpanjaka, fony izy mbola velona, hanabe sy hampanjaka an'i Antiokosa zanany,

56 no tonga avy any Persa sy Media, nomban'ny miaramila nanaraka ny mpanjaka, ka nitady handray ny raharaham-panjakana ho eo an-tanany. 57 Nony nahare izany vaovao izany Lisiasa dia tsy nisy nahadodoka azy intsony afa-tsy ny hiala eo ihany. Hoy izy tamin'ny mpanjaka sy ny lehiben'ny tafika ary ny miaramila: Isika ity mihena an-toerana isan'andro, ny hanina kely sisa ananantsika, ny toerana ataontsika fahirano voamanda, kanefa ny raharaham-panjakana izao tokony ho raharahaintsika. 58 Koa ankehitriny, ndao hifandray tànana amin'ireo olona ireo, manaova fanekem-pihavanana aminy sy amin'izy rehetra iray firenena; 59 ekeo ny hahazoany manao toe-piainana araka ny lalany toy ny taloha, fa noho ny amin'ireo lalàna ireo, izay notadiavintsika ho foanana ihany, no nahatezitra azy sy nahavitany izao zavatra rehetra izao. 60 Sitraky ny mpanjaka sy ny mpifehy izany teny izany, ka naniraka olona hanao raharaham-pihavanana amin'izy ireo izy, ary nanaiky izany izy. 61 Nankatoavin'ny mpanjaka sy ny mpifehy tamim-pianianana ny fanekena, ka dia nivoaka ny manda ireo natao fahirano. 62 Kanjo nony tafiditra tao an-tendrombohitra Siona ny mpanjaka, ka nahita izato manda, dia nivadihany ny fianianana nataony, ka nanome didy handrava ny manda manodidina izy. 63 Izay izy dia niainga maika dia maika hiverina ho any Antiokia, izay nahitany an'i Filipo, efa tonga tompon'ny tanàna, ka niady taminy izy, dia azony ny tanàna.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0396