Boky Voalohan'ny Makabeo

Toko faha-9

51 dia nametrahany miaramila mpiandry, hiady amin'Israely. 52 Nohamafisiny ny tanàna Betsora sy Gazara, ary ny trano mimanda dia nametrahany miaramila sy hanina fitahiry. 53 Nalainy ho antoka ny zanaky ny lohandohany amin'ny tany, dia notanany ho sambo-belona, tao amin'ny trano mimandan'i Jerosalema. 54 Tamin'ny taona fahatelo amby dimampolo amby zato, tamin'ny volana faharoa, nodidian'i Alsima hazera ny rindrin'ny kianja anatiny ao amin'ny fitoerana masina, ka nandrava ny asa nataon'ny mpaminany izy tamin'izany, ary efa nanomboka nanjera sahady.

55 Nokaphin'Andriamantra Alsima tamin'izany andro izany ka tsy afa-niteny intsony izy, na dia indraim-bava aza, tsy afa-nanome didy ny amin'ny raharaha tao an-tranony akory izy. 56 Dia maty tamim-pijalijaliana fatratra Alsima tamin'izany andro izany. 57 Nony nahita ity Alsima maty Bakidesa dia niverina ho any amin'ny mpanjaka, ka nandry fahizay ny tanin'i Jodà, nandritra ny roa taona.

58 Tamin'izay nifampidinika ny Jody nivadika rehetra, nanao hoe: Miadana sy mandry fahizay ity ry Jonatasa sy ny namany, ka ndao hohafarantsika Bakidesa, fa indray alina monja ireo dia azony avokoa. 59 Dia lasa tokoa izy ireo nifanaraka tamin'io. 60 Ka niainga Bakidesa nitondra tafika lehibe, sady nandefa taratasy mangingina izy, ho any amin'ireo rehetra mpiandany aminy any Jodea mba hisamboran'ireo an'i Jonatasa sy ny namany; kanjo tsy nahavoa ireo, fa fantatr'ireto ny heviny. 61 Ary tamin'ireo mponina amin'ny tany izay lohan'ny teti-dratsy dia dimampolo lahy no nosamboriny ka novonoiny. 62 Rahefa izany, niainga Jonatasa sy Simona mbamin'ireo nomba azy, nankany Betbasi, any an'efitra; namboariny izay rava tamin'io, dia nasiany manda. 63 Ren'i Bakidesa izany, ka novoriny ny miaramilany rehetra, nantsoiny koa ny momba azy amin'i Jodea, 64 dia tonga niorin-toby teo akaikin'i Betbasi izy, sy nanao fahirano io tanàna io, naharitra andro betsaka, sady nandrafitra milina. 65 Fa navelan'i Jonatasa tao an-tanàna kosa Simona rahalahiny, ka navoaka tany an-tsaha izy, vao niverina nitondra miaramila vitsivitsy. 66 Nasiany tao an-dainy aloha Odoaresa mbamin'ireo rahalahiny sy ny zanak'i Faserona, ary dia nandroso namely ny mpanao fahirano sy niady taminy tamin'ny miaramila be ihany. 67 Ry Simona sy ny namany koa, tatsy an-daniny, nivoaka sy nandoro ny milina fiadiana. 68 Nifandafaran'izy ireo Bakidesa ka nataony vaky nandositra ny tafiny ary fahoriana lalina no nampitondrainy azy, fa maty afo ny hevitra nokendreny sy ny fanafihany. 69 Loza ny hatezerany tamin'ireo Jody izay mpankahala ny fivavahana nanome hevitra azy ho tonga aty amin'ny taniny, ka namonoany marobe izy ireo; dia nanapa-kevitra hody any amin'ny taniny izy. 70 Fantatr'i Jonatasa izany, ka nandefa iraka izy hanao raharaham-pihavanana aminy, sy hifanaraka ny amin'ny hamerenana ny sambo-belona aminy. 71 Noraisin'i Bakidesa izy ireo, nekeny ny hevitra naposany taminy, nifanekeny tamin'i Jonatasa tamim-pianianana ny tsy hanisy ratsy aminy, raha mbola velona koa izy; 72 naveriny taminy ny sambo-belona azony taloha teo amin'ny tanin'i Jodà, dia lasa nody any amin'ny taniny izy, ka tsy niverina ho eo amin'ny tanin'i Jodà intsony. 73 Koa nivalona ny sabatra teo amin'Israely; ary niorim-ponenana tao Makmasa Jonatasa, dia nanomboka nitsara ny vahoaka sy nanesotra ny mpankahala ny fivavahana teo amin'Israely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0383