Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko voalohany

51 Ary nisy nilaza izany tamin'i Salomona nanao hoe: Indro Adoniasa matahotra an'i Salomona mpanjaka, ary indro izy namikitra amin'ny tandroky ny otely, nanao hoe: Aoka hianiana amiko Salomona mpanjaka anio, fa tsy hamono ny mpanompony amin'ny sabatra. 52 Dia hoy Salomona: Raha miseho ho lehilahy mahery izy, dia tsy hisy latsaka amin'ny tany na dia singam-bolony iray aza, fa raha misy heloka hita aminy kosa, dia ho faty izy. 53 Ary naniraka olona hampidina azy hiala teo amin'ny otely Salomona; ka tonga niankohoka teo anatrehan'i Salomona mpanjaka izy, dia hoy Salomona taminy hoe: Mandehana any an-tranonao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2963