Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-22

1 Nandry fahizay ny tany nandritra ny telo taona, fa tsy niady i Siria sy Israely.

2 Nony tamin'ny taona fahatelo, nidina nankany amin'ny mpanjakan'Israely, Josafata mpanjakan'i Jodà. 3 Ary hoy ny mpanjakan'Israely tamin'ny mpanompony: Fantatrareo va fa antsika Ramota any Galaada no tsy manao na inona na inona isika mba hanatsoaka azy eo an-tanan'ny mpanjakan'i Siria? 4 Dia hoy izy tamin'i Josafata: Mba hiaraka amiko hamely an'i Ramota any Galaada va hianao? Ka hoy ny navalin'i Josafata tamin'ny mpanjakan'Israely: Hahazo ahy ny hahazo anao, ary hihatra amin'ny oloko ny hihatra amin'ny olonao, ary hihatra amin'ny soavaliko ny hihatra amin'ny soavalinao. 5 Ary tamin'izay Josafata niteny tamin'ny mpanjakan'Israely hoe: Miangavy anao aho, mba hanontany ny tenin'ny Tompo ankehitriny. 6 Dia novorin'ny mpanjakan'Israely ny mpaminany tokony ho efa-jato lahy, ka hoy izy tamin'izy ireo: Handeha hamely an'i Ramota any Galaada va aho, sa tokony hijanona? Ka hoy ny navalin'ireo: Mandehana, fa atolotry ny Tompo eo an-tanan'ny mpanjaka izany. 7 Nefa hoy Josafata: Moa tsy misy mpaminanin'ny Tompo intsony va eto, azontsika anontaniana koa? 8 Dia hoy ny mpanjakan'Israely namaly an'i Josafata: Mbola misy lehilahy anankiray ihany eto, azontsika anontaniana amin'ny Tompo, dia Mikea, zanak'i Jemlà; nefa halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy, fa loza ihany. Ka hoy Josafata: Aza manao izany, ry mpanjaka. 9 Izay ny mpanjakan'Israely vao niantso eonoka anankiray, nilazany hoe: Asaovy mankatý miaraka amin'izay Mikea zanak'i Jemlà. 10 Tamin'izany ny mpanjakan'Israely sy Josafata mpanjakan'i Jodà, samy efa tafapetraka eo amin'ny seza fiandrianany, sy samy efa niakanjo ny akanjony avy, teo amin'ny kianja anoloan'ny vavahadin'i Samaria; ary ny mpaminany rehetra, samy naminany teo anatrehan'izy ireo.

11 Sedesisa zanak'i Kanaana nanao tandro-by ho azy, ka nilaza hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Ireto tandroka ireto no hanotoanao ny Siriana, mandra-paharingany. 12 Ny mpaminany rehetra koa naminany torak'izany, ka nanao hoe; Miakara any Ramota any Galaada, ka maharese, satria hatolotry ny Tompo eo an-tanan'ny mpanjaka izany. 13 Ary ilay iraka lasa niantso an'i Mikea dia niteny taminy nanao hoe: Indro fa iray teny avokoa ny mpaminany izao, samy milaza soa ho an'ny mpanjaka, ka mba ampifanaraho amin'ny azy ireo tsirairay avy koa ny teninao, mba milazà soa.

14 Fa hoy ny navalin'i Mikea: Velona Iaveh! dia izay holazain'ny Tompo amiko ihany no hambarako koa. 15 Nony tonga teo amin'ny mpanjaka izy, dia hoy ny mpanjaka taminy: Handeha hanafika an'i Ramota any Galaada va isika, ry Mikea, sa tokony hijanona kosa? Ary hoy ny navaliny azy: Mandehana, maharese, fa hatolotry ny Tompo eo an-tanan'ny mpanjaka izany! 16 Fa hoy ny mpanjaka taminy: Impiry no hiangaviako anao, mba tsy hilaza amiko, amin'ny anaran'ny Tompo, afa-tsy ny marina ihany? 17 Dia hoy ny navalin'i Mikea: Indreny Israely rehetra hitako miely eny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ka hoy Iaveh: Tsy manan-tompo ireo olona ireo, ka aoka samy hody soa amantsara any an-tranony avy. 18 Ary hoy ny mpanjakan'Israely tamin'i Josafata: Tsy efa voalazako taminao va? Tsy mba maminany soa ho ahy io, fa ny loza ihany. 19 Dia hoy Mikea: Henoy ary ny tenin'ny Tompo: Efa hitako Iaveh nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany ary ny tafiky ny lanitra rehetra nitsangana teo akaikiny teo an-kavanany sy teo an-kaviany.

20 Ary hoy Iaveh: Iza no hanambaka an'i Akaba mba hiakarany any Ramota any Galaada hahafaty azy any? Dia namaly izy ireo, nefa ny iray toy izao, ny iray toy izao. 21 Tamin'izay dia tonga ny fanahy, nitoetra teo anatrehan'ny Tompo ka nanao hoe: Izaho no hanambaka azy. Fa hoy Iaveh taminy: Hataonao ahoana? 22 Ary hoy ny navaliny: Hivoaka aho, ka ho tonga fanahy mandainga eo am-bavan'ny mpaminany rehetra. Dia hoy Iaveh: hanambaka azy hianao, sady hahomby amin'izany, ka mivoaha ary, ataovy izany. 23 Koa indro, Iaveh nanisy fanahy mandainga eo am-bavan'ireo mpaminaninao rehetra eo ireo. Ary Iaveh efa nanonona loza hanjo anao. 24 Fa nanatona kosa Sedesiasa zanak'i Kanaana, ka namely ny takolak'i Mikea ary nanao hoe: Fa taiza leity no nivoahan'ny fanahin'ny Tompo tamiko, hiteny amin'ialahy a?

25 Ary hoy ny navalin'i Mikea: Ho hitanao izany, amin'ilay andro handehandehananao isan'efi-trano hierenao. 26 Dia hoy ny mpanjakan'Israely: Raiso Mikea ka ento any amin'i Amona governoran'ny tanàna sy amin'i Joasa zanaky ny mpanjaka, 27 lazao hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka: Ataovy an-tranomaizina ity olona ity ka mofom-pahoriana aman-dranom-pahoriana no amelomy azy, mandra-piveriko soa amantsara. 28 Fa hoy kosa Mikea: Tsy niteny tamin'ny alalako Iaveh matoa tafaverina soa amantsara hianao. Sady nampiany hoe: Samia mihaino izany hianareo vahoaka rehetra. 29 Dia niakatra nankany Ramota any Galaada ny mpanjakan'Israely sy Josafata mpanjakan'i Jodà.

30 Ary hoy ny mpanjakan'Israely tamin'i Josafata: Hanao fitafiana hafa aho no handroso any amin'ny ady, fa hianao kosa ny akanjonao ihany entina. Dia nanao fitafiana hafa ny mpanjakan'Israely, ka nandroso tany amin'ny ady. 31 Ary nisy didy nomen'ny mpanjakan'i Siria an'ireo roa amby telopolo lahy, lehiben'ny an-kalesiny nataony hoe: Aza mamely na ny kely na ny lehibe fa ny mpanjakan'Israely ihany. 32 Nony nahatazana an'i Josafata ny lehiben'ny kalesy, dia nanao hoe: Iny tokoa ny mpanjakan'Israely; sady nitodika nanatrika azy izy hamely azy. Niantso mafy Josafata. 33 Ka nony hitan'ny lehiben'ny kalesy fa tsy ny mpanjakan'Israely io, dia nivily niala taminy. 34 Tamin'izay nisy kosa lehilahy anankiray, nandefa kitoatoa ny zana-tsipìkany, ka nahavoa ny mpanjakan'Israely, teo anelanelan'ny fikatonan'ny akajom-piadiana sy ny fiarovan-tratrany. Dia hoy ny mpanjaka tamin'ny mpampandeha kalesiny: Ahodino ka ento miala eto amin'ny ady aho, fa voa. 35 Ary nihamafy ny ady tamin'izany andro izany; notohanana ihany ny mpanjaka, hitsangana teo ambony kalesiny, tandrifin'ny Siriana, ary maty izy nony hariva; ny ra tamin'ny ratrany, niraraka tao anaty kalesy. 36 Nony efa ho faty ny masoandro, niely eran'ny toby izao antsoantso izao: Samia mody any an-tanànany avy, samia mody any amin'ny taniny avy! 37 Toy izany no nahafatesan'ny mpanjaka. Nentina ho any Samaria izy, dia nalevina tany Samaria ny mpanjaka.

38 Nony nosasana tao am-parihin'i Samaria ny kalesy dia nolelafin'ny alika ny ran'i Akaba, ary nandro teo ny vehivavy janga araka ny teny voalazan'ny Tompo. 39 Ny sisa tamin'ny asan'i Akaba, mbamin'izay rehetra nataony, ny trano ivoara naoriny, ny tanàna rehetra naoriny, moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'Israely va izany?

40 Nodimandry any amin'ny razany Akaba, ary Okoziasa zanany no nanjaka nandimby azy. 41 Tamin'ny taona fahefatr'i Akaba mpanjakan'Israely no nahatongavan'i Josafata zanak'i Asà ho mpanjakan'i Jodà.

42 Dimy amby telopolo taona Josafata, fony tonga mpanjaka, ary dimy amby roapolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Azoba, zanak'i Salaia. 43 Nandeha tamin'ny làlana rehetra nalehan'i Asà rainy izy, sady tsy nivily tamin'izany, fa nanao izay mahitsy eo imason'ny Tompo. 44 Saingy ny fitoerana avo tsy rava, ny vahoaka mbola nanohy ny fanateran-tsorona aman-java-manitra eny amin'ny fitoerana avo. 45 Ary Josafata nihavana amin'ny mpanjakan'Israely. 46 Ny sisa tamin'ny asan'i Josafata, ny herim-po nasehony, ny ady nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'i Jodà va izany?

47 Nofongorany hiala amin'ny tany ny mpijangajanga sisa izay nijanona teo, tamin'ny andron'i Asà rainy.

48 Tsy nisy mpanjaka tany Edoma fahizany, fa governora no solo-mpanjaka. 49 Nanao sambon'i Tarsisa folo Josafata mba hankany Ofira haka volamena, nefa tsy nankany izy, fa fefika tao Asiongabera ny sambo. 50 Dia hoy Okoziasa zanak'i Akaba tamin'i Josafata: Avelao ny mpanompoko hiaraka amin'ny mpanomponao eny an-tsambo. Nefa tsy nety Josafata.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0379