Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-22

51 Ary nodimandry any amin'ny razany Josafata, ka nalevina ao amin'ny razany, ao an-tanànan'i Davida rainy, dia Jorama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

52 Tamin'ny taona fahafito ambin'ny folon'i Josafata mpanjakan'i Jodà no vao tonga mpanjakan'Israely tany Samaria Okoziasa zanak'i Akaba, ary roa taona no nanjakany tamin'Israely.

53 Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo izy, dia nandeha tamin'ny làlan-dreniny ary tamin'ny làlan'i Jeroboama zanak'i Nabata, izay nampanota an'Israely. 54 Nanompo an'i Baala izy, ary niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an'ny Tompo Andriamanitr'Israely tahaka izay rehetra nataon-drainy ihany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0372