Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-8

1 Tamin'izany, novorin'i Salomona tao aminy, tany Jerosalema, avokoa ny loholon'Israely, sy ny lehibe rehetra isam-pokony, ary ny filoham-pianakavian'ny zanak'Israely, mba hamindra ny fiaran'ny faneken'ny Tompo avy amin'ny tanànan'i Davida, izany hoe any Siona.

2 Ka nivory tao amin'i Salomona mpanjaka avokoa ny lehilahy rehetra amin'Israely, tamin'ny fety, amin'ny volana Etanima, volana fahafito. 3 Nony tonga ny loholona rehetra amin'Israely, dia nentin'ny mpisorona ny fiara.

4 Nentiny ny fiaran'ny Tompo mbamin'ny trano lay fihaonana sy ny fanaka voahasina rehetra izay tao amin'ny trano lay, ka ny mpisorona sy ny Levita no nitondra ireo. 5 Ary Salomona mpanjaka sy ny fiangonan'Israely rehetra izay nantsoiny ho eo aminy, dia niaraka taminy teo anoloan'ny fiara. Ondry sy omby tsy hita isa sy tsy tambo isaina noho ny hamaroany no novonoiny ho sorona. 6 Dia nentin'ny mpisorona teo amin'ny fitoerany ny fiaran'ny faneken'ny Tompo, dia tao amin'ny fitoerana masin'ny trano, ao amin'ny fitoerana masina indrindra, teo ambonin'ny elatry ny kerobima. 7 Fa namelatra ny elany tambonin'ny fitoeran'ny fiara ny kerobima ka nanaloka ny fiara sy ny baony teo amboniny. 8 Lava be moa ny bao, ka dia hita izy raha eo amin'ny fitoerana masina anoloan'ny fitoerana masina; fa ny any ivelany no tsy mahita azy. Dia tao izy mandraka androany. 9 Tao anatin'ny fiara tsy nisy afa-tsy ny takela-bato roa, napetrak'i Moizy tao, tany an-tendrombohitra Horeba, fony Iaveh nanao fanekena tamin'ny zanak'Israely, tamin'ny nivoahany avy tany amin'ny tany Ejipta. 10 Nony nivoaka avy tao amin'ny fitoerana masina ny mpisorona dia nameno ny tranon'ny Tompo ny rahona, 11 ka tsy nahajanona hanao ny fanompoany tao ny mpisorona, noho ny amin'ny rahona, fa nameno ny tranon'ny Tompo ny voninahitry ny Tompo. 12 Tamin'izay, dia hoy Salomona: Sitrak'Iaveh ny honina ao anatin'ny aizina.

13 Nanao trano aho ho fonenanao, fitoerana hipetrahanao mandrakizay. 14 Dia natodiky ny mpanjaka ny tavany ary notsofiny rano ny fiangonan'Israely rehetra, ary tafatsangana avokoa ny fiangonan'Israely rehetra. 15 Ary hoy izy: Hankalazaina anie Iaveh Andriamanitr'Israely, fa ny vavany efa niteny tamin'i Davida raiko, ary ny tànany efa nanatanteraka izay nolazainy hoe: 16 Hatramin'ny andro nitondrako an'Israely vahoakako nivoaka avy tany Ejipta dia tsy nifidy tan1ana teo amin'ny fokon'Israely rehetra aho, hanaovan-trano hitoeran'ny anarako, fa efa nifidy an'i Davida hanjaka amin'Israely vahoakako aho. 17 Ary efa nanan-kevitra hanao trano ho an'ny anaran'ny Tompo Andriamanitr'Israely ihany Davida raiko, 18 kanefa hoy Iaveh tamin'i Davida raiko: Rahefa nanan-kevitra hanao trano ho an'ny anarako hianao, dia tsara ny nanaovanao izany hevitra izany. 19 Saingy tsy hianao no hanao ny trano, fa ny zanakao lahy, izay naloaky ny kibonao, no hanao ny trano ho an'ny anarako. 20 Ary notanterahin'ny Tompo ny teny efa nolazainy, fa nisandratra handimby an'i Davida raiko aho, ary nipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely, araka ny efa voalazan'ny Tompo ary nanao ny trano ho an'ny anaran'ny Tompo Andriamanitr'Israely. 21 Nasiako fitoerana teo, ho an'ny fiara misy ny faneken'ny Tompo izay nataony tamin'ny razantsika, fony izy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Ejipta. 22 Dia tao anoloan'ny otelin'ny Tompo Salomona, nanatrika ny fiangonan'Israely rehetra sy nanandratra ny tànany mankany an-danitra ka nanao hoe:

23 Ry Iaveh Andriamanitr'Israely ô, tsy misy Andriamanitra tahaka anao, na amin'ny lanitra ambony, na amin'ny tany ambany, fa hianao mitandrina ny fanekenao amam-pamindram-ponao, amin'ny mpanomponao, izay mandeha eo anatrehanao amin'ny fony tokoa,

24 araka ny efa nanatanterahanao ny voalazanao tamin'i Davida raiko mpanomponao; fa notanterahin'ny tànanao izay voalazan'ny vavanao, araka izao hita anio izao. 25 Koa ankehitriny, ry Iaveh Andriamanitr'Israely ô, noho ny fankasitrahanao an'i Davida raiko mpanomponao, dia tanteraho izay voalazanao taminy hoe: Tsy ho lany taranaka hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely eo anatrehako, hianao, raha mitandrina ny lalàny ny zanakao, ka mandeha eo anatrehako, toy ny nandehananao teo anatrehako. 26 Koa ankehitriny, ry Andriamanitr'Israely, dia aoka ho tanteraka anie ny teny nataonao tamin'i Davida raiko mpanomponao. 27 Fa moa dia marina va fa monina eto an-tany Andriamanitra? Indro, ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra aza, tsy omby anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!

28 Kanefa, ry Iaveh Andriamanitra ô, tsimbino ny vavaka amam-pifonan'ny mpanomponao, henoy ny fiantsoam-pifaliana sy ny fangatahana ataon'ny mpanomponao eo anatrehanao anio; 29 ka ataovy mihiratra andro aman'alina amin'ity trano ity anie ny masonao, dia amin'ny fitoerana izay nilazanao hoe: Ho ao ny anarako; ka henoy ny vavaka ataon'ny mpanomponao amin'ity fitoerana ity. 30 Henoy ny fifonan'ny mpanomponao sy Israely vahoakanao, raha mivavaka amin'ity fitoerana ity izy; mihainoa any amin'ny fitoeram-ponenanao any an-danitra, mihainoa, ka mamelà heloka. 31 Raha misy olona manota amin'ny namany, ka asaina hanao fianianana izy, ary tonga hianiana eto anoloan'ny otelinao amin'ity trano ity,

32 dia mihainoa azy any an-danitra, ary manefà, dia mitsarà ny mpanomponao, manameloka izay meloka, mampitsingerina amin'ny lohany ny nataony, manambara ny tsy manan-tsiny ho marina sy mamaly azy araka ny tsy fananany tsiny. 33 Nony resin'ny fahavalony Israely vahoakanao noho izy nanota taminao, raha miverina aminao sy manome voninahitra ny anaranao izy, ka manao fivavahana sy fifonana aminao eto amin'ity trano ity,

34 dia mihainoa azy hianao any an-danitra, ka avelao ny fahotan'Israely vahoakanao ary ampodio amin'ny tany nomenao ny razany izy. 35 Nony mihantona ny andro ka tsy milatsaka ny orana, noho ny nanotan'izy ireo taminao, raha mivavaka aminao eto amin'ity fitoerana ity izy, sy manome voninahitra ny anaranao, sady miala amin'ny fahotany, fa nampahorinao,

36 dia mihainoa azy hianao any an-danitra ka avelao ny fahotan'ny mpanomponao sy Israely vahoakanao sady manoroa azy ny làlana tsara tsy maintsy alehany, ary alatsaho ny ranonorana amin'ny tany nomenao ny vahoakanao ho lovany. 37 Raha misy mosary amin'ny tany, na misy pesta, na misy aretim-bary, na niela, na valala, na kasily, na avy izay hanaovan'ny fahavalo fahirano azy amin'ny taniny, amin'ny vavahadiny, na hisian'ny loza aman'aretina, na inona na inona izy,

38 raha manao fivavahana sy fifonana ny olona na iza na iza sy Israely rehetra vahoakanao, sady samy mieky ny ferin'ny fony ka mamela-tànana manandrify ity trano ity, 39 mihainoa any an-danitra any amin'ny fitoeran'ny fonenanao, ka mamelà heloka azy, tanteraho ka valio araka ny làlany rehetra avy izy, fa hianao mahalala ny fony, hianao irery no mahalala ny fon'ny zanak'olombelona rehetra, 40 mba hatahorany anao amin'ny andro rehetra hiainany ety ambonin'ny tany nomenao ny razany. 41 Ny amin'ny vahiny, izay tsy isan'Israely vahoakanao fa avy any an-tany lavitra, noho ny amin'ny anaranao,

42 fa ho ren'ny olona ny anaranao be voninahitra sy ny tànanao mahery ary ny sandrinao mihenjana, ka ho avy hivavaka eto amin'ity trano ity izy, 43 dia mihainoa any an-danitra any amin'ny fitoeran'ny fonenanao, ka arak'izay rehetra hangatahin'ny vahiny aminao no aoka hataonao aminy, mba ho fantatry ny olona rehetra amin'ny tany ny anaranao, ka hatahorany anao, tahaka an'Israely vahoakanao, ary hahalalany fa antsoina amin'ity trano nataoko ity ny anaranao. 44 Nony hivoaka hiady amin'ny fahavalony ny vahoakanao, manaraka ny làlana hasainao alehany, ka mivavaka amin'ny Tompo izy mitodika ny tanàna voafidinao sy ity trano nataoko ho an'ny anaranao ity,

45 dia henoy any an-danitra ny vavaka amam-pifonany, ka omeo ny rariny izy. 46 Raha avy izay hanotany aminao, fa tsy misy olombelona tsy manota, ka tezitra aminy hianao, ary manolotra azy amin'ny fahavalony, ary ny mpandresy hitondra azy ho babo, any amin'ny tanim-pahavalo, na ho lavitra na ho akaiky,

47 raha mieritreritra ao am-pony izy nony mby any amin'ny tanin'ny mpandresy azy, ka mibebaka izy sy manolotra fifonana aminao, any amin'ny tanin'ireo nambabo azy, manao hoe: Efa nanota izahay, efa nanao ratsy izahay, efa nahavita heloka izahay! 48 sady miverina aminao amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy, any an-tanin'ny fahavalony izay nitondra azy ho babo, ka manao fivavahana aminao mitodika atý amin'ny taniny izay nomenao ny razany, sy atý amin'ny tanàna voafidinao, ary atý amin'ny trano nataoko ho an'ny anaranao, 49 dia henoy any an-danitra, any amin'ny fitoeran'ny fonenanao ny vavaka amam-pifonany, ka omeo rariny izy; 50 avelao ny fahotan'ny vahoakanao sy ny fahadisoany rehetra izay nataony taminao, ataovy mangoraka azy ireo namabo azy, ka hamindra fo aminy;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1552