Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-8

51 fa vahoakanao sy lovanao izy ireo izay nentinao nivoaka avy tany Ejipta tany amin'ny memy vy, 52 mba hihiratan'ny masonao amin'ny fifonan'ny mpanomponao, sy ny fifonan'Israely vahoakanao, mba hihainoanao azy amin'izay rehetra hangatahiny aminao. 53 Fa navahanao tamin'ny vahoaka rehetra eto an-tany izy mba ho anao, mba ho lovanao, araka ny voalazanao tamin'i Moizy mpanomponao, fony hianao nitondra ny razanay nivoaka avy tany Ejipta, ry Iaveh Tompo ô! 54 Rahefa tapitra nataon'i Salomona tamin'ny Tompo izany vavaka amam-pifonana rehetra izany, dia nitsangana izy avy teo anoloan'ny otelin'ny Tompo izay nandohalihany sy namelarany tànana nanondro ny lanitra.

55 Nony nitsangana izy dia nitso-drano ny fiangonan'Israely rehetra nanao hoe: 56 Hankalazaina anie Iaveh, izay nanome fitsaharana an'Israely vahoakany araka izay rehetra voalazany. Fa amin'ny teny soa rehetra nampandrenesiny tamin'ny alàlan'i Moizy mpanompony dia tsy misy teny tsy tanteraka na iray aza. 57 Homba antsika anie Iaveh Andriamanitsika, toy ny efa nombany ny razantsika. Tsy handao antsika anie izy, na hahafoy antsika, 58 fa aoka hanongilana ny fontsika ho any aminy mba hizorantsika amin'ny làlany, sy hitandremantsika ny didiny aman-dalàny, ary ny fitsipiny izay nandidiany ny razantsika. 59 Izao teny fifonana nataoko teo anatrehan'ny Tompo izao, dia aoka ho mby akaikin'ny Tompo Andriamanitsika andro aman'alina, mba homeny rariny, araka izay ilaina isan'andro, izaho mpanompony sy Israely vahoakany, 60 mba ho fantatry ny firenena rehetra eto an-tany, fa Andriamanitra Iaveh ary tsy misy afatsy izy irery. 61 Ho an'ny Tompo Andriamanitsika anie ny fonareo manontolo, mba hanarahanareo ny làlany, sy hitandremanareo ny didiny, tahaka izao anio izao. 62 Ary nanatitra sorona teo anatrehan'ny Tompo ny mpanjaka sy Israely rehetra niaraka taminy.

63 Namono omby roa arivo sy roa alina ary ondry roa alina sy iray hetsy Salomona hatao sorom-pihavanana nateriny tamin'ny Tompo. 64 Nohamasinin'ny mpanjaka androtrizay ihany ny afovoan'ny kianja eo anoloan'ny tranon'ny Tompo, fa teo no nanolorany ny sorona dorana, sy ny fanatitra ary ny saboran'ny sorom-pihavanana; satria kely loatra ny otely varahina teo anoloan'ny Tompo, ka tsy omby ny sorona dorana sy ny fanatitra ary ny saboran'ny sorom-pihavanana. 65 Tamin'izany andro izany, Salomona sy Israely rehetra niaraka taminy, dia olona zavon-tany avy hatrany amin'ny vava lalan'i Emata, ka hatrany amin'ny ranon-driakan'i Ejipta, dia nankalaza ny fety teo anatrehan'ny Tompo Andriamanitsika nandritra ny fito andro, ary fito andro koa indray, dia efatra ambin'ny folo andro.

66 Nony tamin'ny andro fahavalo, dia nalefany nody ny vahoaka. Dia nisaotra andriana, sy nandeha nankany amin'ny fonenany avy, sady faly izy ireo no ravo ny fony noho ny soa rehetra nataon'ny Tompo tamin'i Davida mpanompony, sy tamin'Israely vahoakany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0383