Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-14

1 Indray andro izay, hoy Jonatasy tamin'ny zatovo nitondra ny fiadiany: Andeha isika hiampita eny amin'ny antoko miaramilan'ny Filistina ery an-dafy. Tsy nolazainy tamin-drainy anefa izany.

2 Saola nitoetra teo an-tsisin'i Gabaà, ambanin'ilay ampongabendanitra any Magrona, ary sahabo ho enin-jato lahy ny vahoaka teo aminy. 3 Ary nitafy ny efoda Akiasy zanak'i Akitoba, rahalahin'i Ikaboda, zanak'i Finea, zanak'i Helì, mpisoron'ny Tompo tany Silao. Tsy nahalala ny vahoaka, fa hoe lasa Jonatasy. 4 Teo an-tenantenan'ny hadilàlana, notadiavin'i Jonatasy hankanesana eny amin'ny antoko-miaramilan'ny Filistina, dia nisy haram-bato kitso loha tamin'ny laniny iray, ary haram-bato kitso loha tamin'ny laniny iray; ny iray natao hoe Bosesa ary ny iray kosa Sene. 5 Ny iray tamin'ireo haram-bato ireo nijoro teo avaratra, tandrifin'i Makmasy; ny iray kosa teo atsimo, tandrifin'i Gabea. 6 Dia hoy Jonatasy tamin'ny zatovo nitondra ny fiadiany: Andeha isika ho any amin'ny antoko-miaramilan'ireo tsy mifora ireo; angamba hiasa hanampy antsika Iaveh, satria tsy misy mahasakana an'ny Tompo tsy hamonjy, na amin'ny maro, na amin'ny vitsy. 7 Dia hoy ity mpitondra fiadiana: Ataovy izay rehetra ao am-ponao; mandehana amin'izay rehetra tianao, fa inty aho momba anao, vonon-kanaraka anao. 8 Ary hoy Jonatasy: Izao àry, dia handeha amin'ireo olona ireo isika ary hiseho aminy koa isika. 9 Raha ataony hoe: Andraso aloha ho tonga any aminareo izahay, dia hiandry eo amin'izay itoerantsika isika, fa tsy hiakatra ho any aminy. 10 Fa raha ataony hoe: Miakara aty aminay, dia hiakatra isika, fa natolotry ny Tompo eo an-tànantsika izy. Famantarana ho antsika izany. 11 Dia niseho tamin'ny antoko-miaramilan'ny Filistina izy roa lahy, ka hoy ny Filistina: Indreto ny Hebrio mivoaka avy any an-davaka niereny.

12 Ary niteny tamin'i Jonatasy sy ny mpitondra fiadiany ny miaramila amin'io antokony io nanao hoe: Miakara aty aminay, fa hataonay mahita raha hianareo. Dia hoy Jonatasy tamin'ity mpitondra fiadiany: Manaraha ahy, fa efa natolotry ny Tompo eo an-tànantsika izy ireo. 13 Koa niakatra nandady tongotra aman-tànana Jonatasy narahin'ity mpitondra fiadiany. Ary lavo teo anoloan'i Jonatasy ny Filistina, sady namono teo aoriany koa ity mpitondra fiadiany. 14 Dia sahabo ho roapolo lahy aloha no matin'i Jonatasy sy ny mpitondra fiadiany tamin'io famelezany voalohany tao anatin'ny tany an-tsasaky ny vava asa amin'ny tany iray arpent. 15 Niely tao an-toby ny fahatahorana mafy, tany an-tany lemaka ary tamin'ny vahoaka rehetra; raiki-tahotra koa ny antoko-miaramila mbamin'ny tafi-pandringanana; nihorohoro ny tany. Fahatsiravina avy amin'Andriamanitra izany. 16 Tazan'ny mpitilin'i Saola izay tao Gabaàn'i Benjamina, ny ielezany sy ifanaritahan'ny vahoaka be tamin'ny Filistina.

17 Ka hoy Saola tamin'ny vahoaka nomba azy: Ataovy ny matso, ka zahao izay niala tamintsika. Dia nanao matso izy ireo, ka hita fa Jonatasy sy ny mpitondra fiadiany no tsy teo. 18 Ary hoy Saola tamin'i Akiasy: Ento mankaty ny fiaran'Andriamanitra, fa teo amin'ny zanak'Israely ny fiaran'Andriamanitra tamin'izany andro izany. 19 Raha mbola niteny tamin'ny mpisorona Saola dia nitombo ny tabataba teny an-tobin'ny Filistina, ka hoy Saola tamin'ny mpisorona: Tsoahy ny tànanao. 20 Rahefa izany dia nivory Saola mbamin'ny vahoaka rehetra nomba azy, ka nandroso tonga hatrany amin'ny toerana niadiana; ka indro fa izy samy izy no nifamely sabatra ary efa nifanaritaka be ihany. 21 Ny Hebrio, izay teo amin'ny Filistina taloha koa, dia niara-niakatra taminy ho eo an-toby, eny manodidina eny, ary rafitra niandany tamin'Israely nomba an'i Saola sy Jonatasy. 22 Ireo lehilahy rehetra amin'Israely, izay niery tany amin'ny tendrombohitr'i Efraima, nony nandre ny nandosiran'ny Filistina, dia rafitra nanenjika sy niady tamin'ireny koa. 23 Toy izany no nanafahan'ny Tompo an'Israely tamin'izany andro izany. Ary notohizany ny ady mandra-pahatonga any Bety-Avena. 24 Reraka mafy ny lehilahy amin'Israely tamin'izany andro izany. Nampianiana ny vahoaka Saola nanao hoe: Ho voaozona anie izay lehilahy mihinam-kanina, mandra-paharivan'ny andro, mandra-pamaliako ny fahavaloko. Ka tsy nisy olona nitendry hanina na dia iray aza.

25 Tonga tany amin'ny ala ny vahoaka ary nisy tantely teny ambonin'ny tany. 26 Ary niditra ny ala ny vahoaka ka nahita tantely nitsononoka, nefa tsy nisy sahy nanainga ny tànany ho eo am-bavany, fa natahotra ny fianianana ny vahoaka. 27 Tsy mba nandre anefa Jonatasy nony nampanaovin-drainy fianianana ny vahoaka, ka narosony ny loha tenina teny an-tànany dia natsoboka tao amin'ny toho-tantely ary nataony tao am-bavany ny tànany, dia nihiratra ny masony. 28 Fa niteny kosa tamin'izay ity olona iray tamin'ny vahoaka, nanao hoe: Rainao anie ka nampianiana ny vahoaka nanao hoe: Ho voaozona anie izay lehilahy mihinan-kanina anio! Efa reraka ery ny vahoaka. 29 Dia hoy Jonatasy: Nampidirin'i dada angano lahy ny vahoaka! Jereo ange ity fihiratry ny masoko, azon'ilay izaho nanandrana kely tamin'ny tantely teo! 30 Raha izay ny vahoaka no nihinana androany tamin'ny babo azony tamin'ny fahavalony dia ho mafy lavitra ny nandresena ny Filistina. 31 Namely ny Filistina hatrany Makmasy ka hatrany Ajalòna izy ireo tamin'izany andro izany, ka reraka indrindra ny vahoaka,

32 dia nirotsaka nianjady tamin'ny babo ny vahoaka: nalainy ny ondry, ny omby mbamin'ny zanak'omby, ka novonoiny tamin'ny tany, dia nohanin'ny vahoaka mbamin'ny rany. 33 Ary nisy nilaza tamin'i Saola, nanao hoe: Indro, manota amn'ny Tompo ny vahoaka, fa homan-javatra miaraka amin'ny rany. Ka hoy Saola: Efa nanao hadisoana hianareo, ka kodiavo vato lehibe ho aty amiko izao ankehitriny izao ihany! 34 Ary hoy Saola: Mieleza any amin'ny vahoaka, ka lazao aminy hoe: Samia mitondra ny ombiny na ny ondriny aty amiko sy mamono azy eto, vao hihinana, ka tsy hanota amin'ny Tompo hianareo amin'ny fihinanan-javatra miaraka amin'ny rany. Dia samy nitondra ny ombiny, tamin'ny tànany, nandritra ny alina ny vahoaka rehetra, ka namony azy teo. 35 Nanangana otely ho an'ny Tompo Saola: io no voalohan'otely natsangany ho an'ny Tompo. 36 Ary hoy Saola: Dieny mbola alina ny andro dia ndeha hidina manenjika ny Filistina isika; hobabointsika mandra-pahazavan'ny andro izy, ary tsy hasiantsika miangana na dia iray aza. Hoy izy ireo: Ataovy izay sitrakao rehetra. Ary hoy ny mpisorona; Andeha hanatona an'Andriamanitra etoana.

37 Dia nanontany an'Andriamanitra Saola nanao hoe: Hidina hanenjika ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tànan'Israely va ireny? Fa tsy nomeny valy izy, tamin'izay andro izay. 38 Hoy Saola: Avia aty hianareo rehetra loholon'ny vahoaka. Zahao ka fantaro izay fahotana natao androany. 39 Fa raha velona koa Iaveh mpanafaka an'Israely dia tsy maintsy maty izay hahitana izany, na dia Jonatasy zanako aza. Ary tsy nisy namaly azy teo amin'ny vahoaka rehetra. 40 Ka hoy izy tamin'Israely rehetra: Aoka hianareo ho an-daniny, ary izaho sy Jonatasy zanako kosa ho an-kilany. Dia hoy ny vahoaka tamin'i Saola: Ataovy izay sitrakao. 41 Ary hoy Saola tamin'ny Tompo: Ry Andriamanitr'Israely ô, asehoy izay marina! Dia Jonatasy sy Saola no voatondro, ka ny vahoaka afaka. 42 Ka hoy Saola: Ataovy filokana izaho sy Jonatasy zanako. Dia Jonatasy no voatondro. 43 Ka hoy Saola tamin'i Jonatasy: Ambarao amiko izay nataonao. Dia nambaran'i Jonatasy azy, ka hoy izy: Nanandrana tantely kely tamin'ny loha tehina tety an-tànako, ary inty aho manaiky ny ho faty. 44 Dia hoy Saola: Hasian'Andriamanitra mafy indrindra anie aho, raha tsy hatao maty tokoa hianao, ry Jonatasy! 45 Fa hoy ny vahoaka tamin'i Saola: Jonatasy izay nanao izao famonjen-dehibe izao tamin'Israely indray ve no ho faty e! Sanatria izany! Raha velona koa Iaveh tsy hisy latsaka amin'ny tany, na dia ny singam-bolondohany iray akory aza; fa ny nataony androany dia niarahany tamin'Andriamanitra. Toy izany no namonjen'ny vahoaka an'i Jonatasy, ka tsy maty izy. 46 Saola niakatra fa tsy nanenjika ny Filistina ary tafaverina tany amin'ny taniny ny Filistina. 47 Rahefa azon'i Saola ny fanjakana tamin'Israely, niady tamin'ny fahavalony rehetra manodidina izy, dia tamin'i Moaba, tamin'ny taranak'i Amona, tamin'i Edoma, tamin'ireo mpanjakan'i Sobà ary tamin'ny Filistina, ka izay nitodihany rehetra na aiza na aiza resiny avokoa.

48 Nampiseho herim-po tany an'ady izy, dia namely an'i Amaleka, ka nanafaka an'Israely teo an-tànan'izay namabo azy. 49 Ny zanakalahin'i Saola dia Jonatasy, Jesoaì, Melkisoà, ary ny anaran'ny zanany roa vavy, dia Meroba ny zokiny ary Mikola ny zandriny.

50 Ny anaran'ny vadin'i Saola kosa dia Akinoama, zanakavavin'i Akimaasy. Ny anaran'ny lehiben'ny foloalindahy dia Abnera zanak'i Nera, rahalahin-drain'i Saola.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0899