Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-17

1 Ary namory ny miaramilany ny Filistina mba hiantafika ka tafangona tao Sokao, izay an'i Jodà, dia nitoby tao Efesa-Domina anelanelan'i Sokao sy Azeka.

2 Nivory koa Saola sy ny lehilahy amin'Israely, ka niorin-dasy tao amin'ny lohasahan'ny Terebinta, ary nilahatra tandrifin'ny Filistina. 3 Ny Filistina moa teo am-pita amin'ny tendrombohitra iray, ary Israely kosa teo am-pita amin'ny tendrombohitra iray, ka ny lohasaha no nanelanelana azy roa tonta. 4 Tamin'izay dia nivoaka avy teo amin'ny tobin'ny Filistina ity mpiady anankiray, Goliata no anarany, ary avy any Geta: enina hakiho sy irain-jehy ny halavany.

5 Satroka valala mihoatra no nanarona ny lohany ary fiarovan-tratra varahina mihelakelaka no nentiny, ary dimy arivo sikla varahina ny lanjan'ny fiarovan-tratra. 6 Kiraro varahina no teo an-tongony, lefompohy varahina no tao anelanelan'ny sorony; 7 tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona no haben'ny zaran-defony, vy lanjana enin-jato sikla ny lela lefony, ary nandeha teo alohany ny mpitondra ampingany. 8 Nitsatoka izy, dia niantso ny antokon'Israely ka niteny tamin'ny feo avo nanao tamin'izy ireo hoe: Ahoana ange no nivoahanareo hilahatra hiady? Moa tsy Filistina aho, ary hianareo kosa moa tsy mpanompon'i Saola? Koa mifidiana lehilahy anankiray hianareo, hidina hikatroka amiko. 9 Ka raha izy no mahery eo am-piadiana amiko ka mahafaty ahy, dia ho mpanomponareo izahay, fa raha izaho kosa no mandresy sy mahafaty azy dia ho ambany fahefanay hianareo sy ho mpanomponay. 10 Mbola nanohy ihany io Filistina io nanao hoe: Lasa izay ny fihaikako ny miaramilan'Israely anio,ka amoahy lehilahy anankiray aho dia hikatroka izahay! 11 Nivadi-po sy raiki-tahotra mafy Saola sy Israely rehetra, nony nandre izany tenin'ilay Filistina izany. 12 Ary Davida dia zanak'ilay Efrateana, tany Betleema any Jodà, atao hoe Isaïa izay nanan-janaka valo lahy. Ary lehilahy efa anti-panahy ihany izy sy efa nandroso fahanterana tamin'ny andron'i Saola.

13 Lasa nanaraka an'i Saola tany amin'ny ady ny telo lahy zokiny tamin'ny zanak'Isaïa; ary izao no anaran'ireo zanany telo lahy lasa tany amin'ny ady: Eliaba no lahimatoa, Abinadaba no lahiaivo, ary Samà no fahatelony. 14 Davida no faralahy. Izy telo lahy zokiny nanaraka an'i Saloa, 15 ary Davida kosa dia nivoivoy avy tany amin'i Saola hiandry ny ondrin-drainy any Betleema. 16 Nanatona marain-tsy hariva ilay Filistina, ary niseho nandritra ny efapolo andro.

17 Ary hoy Isaïa tamin'i Davida, zanany: Ento ho an'ny rahalahinao ity lango iray efaha ity, sy ireto mofo folo ireto ka mandehana faingana mankany an-toby amin'ny rahalahinao.

18 Ento koa ireto fromazy folo ireto, ho an'ny mpifehy arivony. Dia hamangy ny rahalahinao hianao, hizahanao raha tsara ihany izy, ary mitondrà famantarana avy any aminy. 19 Ao amin'ny lohasahan'ny Terebinta Saola sy izy telo lahy ary ny lehilahy rehetra amin'Israely miady amin'ny Filistina. 20 Nifoha maraina koa Davida, dia navelany tamin'ny mpiandry anankiray ny ondriny, noraisiny ireto vatsy ka nandeha araka ny nandidian'Isaïa azy izy. Tamin'ny nahatongavany tao amin'ny fitobiana indrindra dia nivoaka avy ao an-toby ndeha hilahatra hiady ny tafika, ka velona ny akoran'ady. 21 Samy nilahatra ny Israelita sy ny Filistina, nifanatrika ny tafika roa tonta. 22 Navelan'i Davida teo amin'ny mpiambina entana ny entany teny aminy, dia nihazakazaka nankeny amin'ny miaramila izy. Avy hatrany dia nanontany ny rahalahiny ny toe-pahasalamany. 23 Mbola niresaka amin'ireo rahalahiny eo Davida, no inty ilay mpiady, Goliata no anarany, ilay Filistina avy any Geta nitsoaka avy eo amin'ny laharan'ny Filistina, sy niteny tahaka ny teo aloha ihany ary ren'i Davida izany. 24 Raha mahita io lehilahy io Israely rehetra, dia mihataka teo anatrehany, raiki-tahotra mafy loatra. 25 Hoy ny Israelita anankiray nanao hoe: Jereo kely ity lehilahy mandroso eto! Hihaika an'Israely no androsoany. Ka izay lehilahy mahafaty an'io dia sady homen'ny mpanjaka harem-bevava no homeny ny zanany vavy ho vady, ary tsy hampandoaviny hetra ny tranon-drainy eo amin'Israely. 26 Dia hoy Davida tamin'ireo olona teo anilany: Ahoana sy ahoana avy ange no hatao amin'izay mahafaty io Filistina io, ka mahafa-tondromaso an'Israely? Zinona izay Filistina; ilay tsy mifora io no dia hanala baraka ny tafiky ny Andriamanitra velona! 27 Dia naverin'ny olona taminy ilay teny teo nataony hoe: izany sy izany no hatao amin'izay mahafaty an'io. 28 Nirehitra tamin'i Davida ny fahatezeran'i Eliaba zokiny lahimatoa, nony nandre azy niteny tamin'ireo olona ireo izy, ka hoy izy: F'inona moa no nidinanao aty? Ary iza no namelanao ireny ondry vitsy ireny, any an'efitra? Fantatro moa raha ny avonavonao sy ny haratsiam-ponao, ny hizaha ny ady fotsiny no nidinanao taty! 29 Hoy ny navalin'i Davida: Fa naninona re aho izao e? Moa tsy teny tsotra izao no nataoko? 30 Izay dia niala teo aminy izy, ka ny hafa indray no nitenenany ireo teny teo ihany, ary novalian'ny olona toy ny teo ihany koa. 31 Nony nandre ny teny nolazain'i Davida ny olona, dia nambarany tamin'i Saola izany, ka nampanalainy izy.

32 Ary izao no nolazain'i Davida tamin'i Saola: Aza misy mamoy fo ny olona fa handeha hiady amin'io Filistina io ny mpanomponao. 33 Fa hoy Saola tamin'i Davida: Tsy azonao atao ny mandroso hihaona amin'io Filistina io mba hiady aminy, fa hianao mbola zaza, izy efa lehilahy mpiady hatramin'ny fahatanorany. 34 Ary hoy Davida tamin'i Saola: Raha niandry ny ondrin-drainy tany an-tsaha ny mpanomponao, ka nisy liona na orsa tonga naka iray tamin'ny andian'ondry,

35 dia rafitra nanenjika azy aho sy nikapoka azy ka naka ny ondry teny am-bavany, ary raha nitsangana hamely ahy izy nohazoniko amin'ny valaoranony, nokapohiko dia novonoiko ho faty. 36 Efa samy novonoin'ny mpanomponao ihany ny liona sy ny orsa, ka ho tahaka ny iray amin'ireny koa ilay Filistina ilay tsy mifora io; fa efa naniratsira ny tafiky ny Andriamanitra velona. 37 Dia hoy koa Davida: Iaveh izay efa namonjy ahy tamin'ny liona sy ny orsa, no hamonjy ahy koa amin'ny tànan'io Filistina io. Ka hoy Saola tamin'i Davida: Andeha àry, ary homba anao anie Iaveh. 38 Dia nampiakanjoin'i Saola an'i Davida ny akanjony, nasatrony ny lohany ny satroka valala mihoatra, nasalony azy ny fiarovan-tratra,

39 nafehin'i Davida teo ambonin'ny akanjo fiadiany koa ny sabatr'i Saola, dia nanandrana namindra izy, fa mbola tsy nanandrana na oviana na oviana. Hoy Davida tamin'i Saola: Tsy afa-mamindra amin'ireto fiadiana ireto aho, fa tsy mba zatra amin'itony. Dia nesorin'i Davida ireny; 40 ny tehiny no noraisiny teny an-tànany, vato kilonjy dimy no nofantenany teny amin'ny rian-driaka sy nataony tao an-kitapo fitondran'ny mpiandry ondry, kotra fasiany haza; ary ny antsamontadiny no nataony an-tànana, dia nandroso nanatona ilay Filistina izy. 41 Nanatona an'i Davida tsikelikely ity Filistina, nialohan'ny lehilahy nitondra ny ampingany.

42 Nijery ilay Filistina ka nahita an'i Davida, ary naneso azy, fa tanora kely, mena volo ary tsara tarehy. 43 Hoy ilay Filistina tamin'i Davida: F'izaho angaha alika, no tehina no hankanesan'ialahy aty amiko? Dia nanozona an'i Davida amin'ireo andriamaniny ilay Filistina. 44 Ary hoy ilay Filistina tamin'i Davida hoe: Mankanesa ety amiko ange ialahy, raha tsy omeko ny voro-manidina sy ny biby any an-tsaha ny nofon'ialahy e! 45 Fa hoy kosa ny navalin'i Davida an'ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin'ny sabatra aman-defona sy lefom-pohy, fa izaho kosa manatona anao amin'ny anaran'ny Tompon'ny tafika, ny Andriamanitry ny foloalindahin'Israely, izay notsiratsirainao. 46 Anio dia hatolotry ny Tompo eo an-tànako hianao, ka hasiako hianao, ary hoesoriko eo amboninao ny lohanao; anio dia homeko ny voro-manidina any an-danitra sy ny bibin'ny tany ny fatin'ny tafiky ny Filistina, ka ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra Israely; 47 ary ho fantatr'izao vahoaka rehetra izao fa tsy sabatra na lefona no amonjen'ny Tompo, fa azy ny ady, ka efa natolony eo an-tànanay hianareo. 48 Nitsangana ilay Filistina dia niainga nandroso hitsena an'i Davida, dia nohazakazahin'i Davida nohatonina teo amin'ny laharan'ny miaramila kosa izy,

49 ka natsofok'i Davida tao anatin'ny kotrany ny tànany, notsoahany avy tao ny vato iray, ary nalefany tamin'ny antsamotady. Nahavoa ilay Filistina tamin'ny handriny izy, sady niletra tamin'ny handriny ny vato, ka lavo niankohoka tamin'ny tany izy. 50 Nahomby noho ilay Filistina izany Davida tamin'ny antsamotady iray sy ny vato iray, dia novonoiny ho faty ilay Filistina. Tsy nisy sabatra teny an-tànan'i Davida.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1139