Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-17

51 Nihazakazaka Davida dia niato teo akaikin'ilay Filistina, ary nalainy ny sabany, notsoahany tamin'ny tranony, ka namonoany azy, sy nanapahany ny lohany. 52 Nony hitan'ny Filistina fa maty ilay olo-maheriny, dia vaky nandositra izy ireo. Ary nitsangana ny lehilahy amin'Israely sy Jodà sady nanakora ary nanenjika ny Filistina hatrany amin'ny fidirana ao Geta, sy hatrany am-bavahadin'i Akarona. Niampatrampatra teny an-dàlana ny fatin'ny Filistina hatrany Saraima ka hatrany Geta sy Akarona.

53 Avy nanenjika ny Filistina ny zanak'Israely dia namabo ny tobiny. 54 Ary ny lohan'ilay Filistina nalain'i Davida sy nampitondrainy any Jerosalema, ary ny fiadiany napetrany tao an-dainy. 55 Nony efa nahita an'i Davida nandroso hiady amin'ilay Filistina Saola dia nanontany an'i Abnera, lehiben'ny foloalindahy hoe: Zanak'iza moa iny zazalahy iny, ry Abnera: Ary hoy Abnera: Marina toy ny maha-velona ny fanahinao, raha mba fantatro velively, ry mpanjaka.

56 Ka hoy ny mpanjaka: Anontanio kely àry na zanak'iza na zanak'iza iny zazalahy iny. 57 Nony niverina avy namono an'ilay Filistina Davida, dia nalain'i Abnera ka nentiny nankeo anatrehan'i Saola; ny lohan'ilay Filistina dia teny an-tànany. 58 Dia hoy Saola taminy: Zanak'iza moa hianao, ry zatovo? Ary hoy Davida namaly hoe: zanak'Isaïa mpanomponao any Betleema.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1514