Boky Voalohan'ny Tantara

Toko voalohany

1 Adama, Seta, Enosa,

2 Kainàna, Malaleela, Jareda, 3 Henaoka, Matosale, Lameka, 4 Noe, Sema, Kama, Jafeta. 5 Zanak'i Jafeta: Gomera, Magoga, Madaia, Javàna, Tobala, Mosaoka, ary Thirasa.

6 Zanak'i Gomera: Aseneza, Rifata, ary Togorimà. 7 Zanak'i Javana: Elisa, Tarsisa, Setima, ary Dodanima. 8 Zanak'i Kama: Kosa, Mesraima, Fota, Kanaana.

9 Zanak'i Kosa: Sabà, Hevilà, Sabatà, Regmà ary Sabatakà. Zanak'i Regmà: Sabà sy Dadàna. 10 Kosa niteraka an'i Nemroda; izy ity no nanomboka nanam-pahefana teto ambonin'ny tany. 11 Mesraima niteraka ny Lodima, ny Anamima, ny Laabima, ny Neftohima, 12 ny Fetrosima, ny Kaslohi,a izay nihavian'ny Filistina, sy ny Kaftorima. 13 Kanaàna niteraka an'i Sidona, lahimatoany, sy Heta, 14 ary koa ny Jeboseana, ny Amoreana, ny Jerzeseana, 15 ny Heveana, ny Arakeana, ny Sineana, 16 ny Aradiana, ny Samareana, ny Hamateana. 17 Zanak'i Sema: Elama, Asora, Arfaksada, Loda, Arana, Hosa, Hola, Getera ary Mosaoka.

18 Arfaksada niteraka an'i Sale, ary Sale niteraka an'i Hebera. 19 Roa no zanakalahy naterak'i Hebera: ny anaran'ny anankiray dia Falega, fa tamin'ny androny no nizarana ny tany; ary ny anaran'ny rahalahiny kosa dia Jektana. 20 Ny naterak'i Jektàna dia Elmodada, Salefa, Asrmota, Jare, 21 Adorama, Hozala, Deklà, 22 Hebala, Abimaela, Sabà, 23 Ofira, Hevilà ary Jobaba. Izy rehetra ireo dia zanakalahin'i Jektàna. 24 Sema, Arfaksada, Sale,

25 Hebera, Falega, Regao, 26 Seroga, Nakora, Tare, 27 Abrama, izay hoe: Abrahama. 28 Zanak'i Abrahama: Isaaka sy Ismaela. 29 Ka izao no taranak'ireo: Nabaiota, zanak'Ismaela lahimatoa, Sedara, Adbeela, Mabsana, 30 Masmà, Domà, Masà, Hadada, Temà, 31 Jetora, Nafisa, Kedmà. Irao no zanakalahin'Ismaela. 32 Zanakalahin'i Setorà, vaditsindranon'i Abrahama: ny naterany dia Zamrama, Jeksàna, Madàna, Madiana, Jesbaoka, ary Soe. Zanak'i Jeksàna: Sabà sy Dadàna.

33 Zanak'i Madiana: Efah, Efera, Henaoka, Abidà, ary Eldaà. Izy rehetra ireo dia zanak'i Setorà. 34 Abrahama niteraka an'Isaaka. Zanak'Isaaka: Esao sy Jakoba.

35 Zanak'i Esao: Elifaza, Rahoela, Jehosa, Ihelona ary Kore.

36 Zanak'i Elifaza: Temàna, Omara, Sefè, Gatàna, Seneza, Tamnà; 37 Zanak'i Rehoela: Nahatà, Zarà, Samà, ary Mezà. 38 Zanak'i Seira: Lotàna, Sobala, Sebeona, Anà, Sisona, Esera, ary Disàna.

39 Zanak'i Lotàna: Horì, sy Homama. Anabavin'i Lotàna: Thamnà. 40 Zanak'i Sobala: Aliàna, Manahata, Ebala, Sefà, ary Onama. Zanak'i Sebeona: Aià sy Anà. Zanak'i Ana: Disona. 41 Zanak'i Disona: Hamrama, Esebàna, Jetrana, ary Karàna. 42 Zanak'i Esera: Balaàna, Zavàna ary Jakàna. Zanak'i Disàna: Hosa sy Aràna. 43 Ireto no mpanjaka efa nanjaka tany amin'ny tany Edoma, talohan'ny nisian'ny mpanjaka nanjaka tamin'ny zanak'Israely: Belà, zanak'i Beora, ary Denabà no anaran-tanànany.

44 Maty Belà, ka Jobaba zanak'i Zare avy any Bosrà no nanjaka nandimby azy. 45 Maty Jobaba, ka Hosama avy any amin'ny tanin'ny Temanita no nanjaka nandimby azy. 46 Maty Hosama, ka Hadada zanak'i Badada no nanjaka nandimby azy; izy no nandresy an'i Madiana tany amin'ny tanin'i Moaba. 47 Maty Hadada, ka Semlà, avy any Masrekà no nanjaka nandimby azy. 48 Maty Semlà, ka Saola avy any Rohobota, amoron'ny Ony, no nanjaka nandimby azy. 49 Maty Saola ka Balanàna zanak'i Akobora no nanjaka nandimby azy. 50 Maty Balanana ka Hadada no nanjaka nandimby azy; Fao no anaran-tanànany, ary ny anaran'ny vadiny dia Meetabela, zanakavavin'i Matreda, zanakavavin'i Mezaaba.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1068