Boky Voalohan'ny Tantara

Toko faha-2

1 Ireto no zanak'Israely: Robena, Simeona, Levì, Jodà, Isakara, Zabolona,

2 Dàna, Josefa, Benjamina, Neftalì, Gada, ary Asera. 3 Zanak'i Jodà: Hera, Onàna, sy Selà: izy telo lahy ireo no naterak'ilay zanakavavin'i Soe, ilay vehivavy Kananeana, taminy. Hera lahimatoan'i Jodà dia ratsy fanahy teo imason'ny Tompo, ka nasiany ho faty.

4 Thamara, vinantovavin'i Jodà, niteraka an'i Faresa sy Zarà taminy. Dimy ny lahy rehetra, zanak'i Jodà. 5 Zanak'i Faresa: Hesrona, sy Hamola.

6 Zanak'i Zarà: Zamrì, Etàna, Emàna, Kalkala, ary Darà: dimy lahy izy rehetra. 7 Zanak'i Karmì: Akara izay nanahirana an'Israely, tamin'ny fahadisoany momba ny zavatra natao anatema. 8 Zanak'i Etana: Azariasa. 9 Zanaka naterak'i Hesrona: Jerameela, Rama ary Kalobi.

10 Rama niteraka an'i Aminadaba. Aminadaba niteraka an'i Nahasona, lohan'ny taranak'i Jodà.

11 Nahasona niteraka an'i Salmà, Salmà niteraka an'i Booza, 12 Booza niteraka an'i Obeda, Obeda niteraka an'Isaia, 13 Isaia niteraka an'i Eliaba lahimatoany, Abinadaba lahiaivo, Simaà fahatelo, 14 Natanaela fahefatra, Radaia fahadimy, 15 Asoma fahenina, ary Davida fahafito. 16 Ny anabavin'ireo dia Sarvià sy Abigaila. Zanak'i Sarvià: Abisaia, Joaba, Asaela, telo lahy. 17 Abigaila niteraka an'i Amasà, ary ny rain'i Amasà dia Jetera, Ismaelita. 18 Kaleba zanak'i Hesrona, niteraka tamin'i Azoba vadiny, sy tamin'i Jeriota. Indreto ny zanany lahy naterak'i Azobà taminy: Jazera, Sobaba, sy Ardona.

19 Ary maty Azobà, ka naka an'i Efratà ho vady Kaleba; io no niterahany an'i Hora. 20 Hora niteraka an'i Orì, ary Orì niteraka an'i Bezeleela. 21 Manaraka izany, niray tamin'ny zanakavavin'i Makira, rain'i Galaada, Hesrona; efa enimpolo taona izy vao naka azy, ary niteraka an'i Segoba taminy, ravehivavy. 22 Segoba niteraka an'i Jaira, izay nanana tanàna telo amby roapolo tany amin'ny tany Galaada. 23 Nalain'ny Gesoriana sy ny Siriana taminy ny vohitr'i Jaira, sy Kanata mbamin'ny tanàna momba azy, tanàna enimpolo. Ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Makira, rain'i Galaada. 24 Efa maty tany Kaleba-Efrata, Hesrona, vao niteraka an'i Ashora rain'i Tekoà, taminy Abià vadiny. 25 Ny zanakalahin'i Jerameela lahimatoan'i Hesrona dia: Rama lahimatoany, Bonà, Aràna, Asoma, Akià.

26 Nanambady hafa koa atao hoe Atarà, Jerameela; io no renin'i Onama. 27 Ny zanakalahin-dRama lahimatoan'i Jerameela dia ireto: Moosa, Jamina, Akora. 28 Ny zanakalahin'i Onama, dia Semeia sy Jadà. Zanakalahin'i Semeia: Nadaba sy Abisora. 29 Ny anaram-badin'i Abisora dia Abihaila, ary izy niteraka an'i Ahobàna, sy Molida taminy. 30 Zanakalahin'i Nadaba: Saleda, sy Afaima. Maty tsy niteraka Saleda. 31 Zanakalahin'i Afaima: Jesì. Zanakalahin'i Jesì: Sesàna. Zanakalahin'i Sesàna: Oholaia. 32 Zanakalahin'i Jadà, rahalahin'i Semeia: Jetera sy Jonatàna. Maty tsy niteraka Jetera. 33 Zanakalahin'i Jonatàna: Faleta sy Zizà. Ireo no zanakalahin'i Jerameela. 34 Tsy nitera-dahy Sesàna, fa nanan-janaka vavy izy. Nanana ankizilahy Ejipsiana anankiray izy, atao hoe Jeraà, 35 nomeny ho vadin'io ny zanany vavy, ka niteraka an'i Eteia taminy. 36 Eteia niteraka an'i Natàna, Natàna niteraka an'i Zabada. 37 Zabada niteraka an'i Oflala, Oflala niteraka an'i Obeda; 38 Obeda niteraka an'i Jehò. Jehò niteraka an'i Azariasa. 39 Azariasa niteraka an'i Helesa, Helesa niteraka an'i Elasa, 40 Elasa niteraka an'i Sisamoia, Sisamoia niteraka an'i Seloma, 41 Seloma niteraka an'Ikamiasa ary Ikamiasa niteraka an'i Elisamà. 42 Zanakalahin'i Kaleba rahalahin'i Jerameela: Mesà, lahimatoany, rain'i Zifa, sy ny zanakalahin'i Maresà, rain'i Hebrona.

43 Zanakalahin'i Hebrona: Kore, Tafoà, Rekema, ary Samà. 44 Samà niteraka an-dRahama, rain'i Jerkaama; Rekema niteraka an'i Samaia. 45 Zanakalahin'i Samaia: Maona, ary Maona no rain'i Betsora. 46 Efah vaditsindranon'i Kaleba, niteraka an'i Haràna, Mosà ary Gazeza. Haràna niteraka an'i Gezea. 47 Zanakalahin'i Jahadaia: Regoma, Joatàna, Gosàna, Faleta, Efah, ary Saafa. 48 Maakà vaditsindranon'i Kaleba niteraka an'i Sabera sy Taranà. 49 Mbola niteraka an'i Saafa rain'i Madmenà, sy Soe rain'i Makbenà sy rain'i Gabaà koa izy. Ary ny zanakavavin'i Kaleba dia Aksa. 50 Izao no zanakalahin'i Kaleba. Zanakalahin'i Hora, lahimatoan'i Efratà: Sobala, rain'i Kariatiarima,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0501