Bokin'i Daniely

Toko faha-13

59 Ka hoy Daniely taminy: Izany tokoa, fa lainga lazainao izany, hahafaty anao; fa efa miandry ny fotoana hamakiany anao hisasaka ny anjelin'ny Tompo, mitan-tsabatra, hamono anareo. 60 Dia nihoraka mafy ny vahoaka rehetra tafavory, ary nisaotra an'Andriamanitra, fa mamonjy izay nanantena azy izy.

61 Nony inona nitsangana izy ireo, hamely an'ireto anti-dahy roa lahy, izay nataon'i Daniely vaky lainga, araka ny teny naloaky ny vavany ihany ho miampanga tsy marina; ka ny ratsy notadiaviny hatao tamin'ny namany ihany, no nataony tamin'izy roa lahy, 62 mba hahatanteraka ny lalàn'i Moizy; dia novonoiny ho faty izy ireo ary ny rà tsy manan-tsiny dia voavonjy tamin'izany andro izany. Nidera an'Andriamanitra noho ny amin'i Sozana zanany vavy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1759