Bokin'i Daniely

Toko faha-13

51 Ka hoy Daniely tamin'ny vahoaka: Saraho hifanalavitra izy roa lahy, fa hotsaraiko izy. 52 Nony tafasaraka izy ireo, nantsoin'i Daniely ny anankiray, dia hoy izy taminy: Ry olona nihantitra tamin'ny fanaovan-dratsy ô, indreo hifototra aminao ny fahotana nataonao izay ela izay; 53 hianao efa namoaka fitsarana tsy marina, nanameloka ny tsy manan-tsiny, ary nandefa ny meloka; nefa hoy ny Tompo hoe: Aza mampamono ny tsy manan-tsiny sy ny marina. 54 Ka raha nahita an-drazazavavy ary hianao, dia lazao hoe: teo ambany hazo inona no niresaka izy ireo? Hoy ny navaliny hoe: Teo ambany lentisika. 55 Dia hoy Daniely: Izany tokoa fa lainga lazainao izany hahafaty anao, fa vonon-kanataka anao hisasaka ny anjelin'Andriamanitra, izay efa nahazo teny tamin'Andriamanitra sahady. 56 Nony nampihataka an'io izy, nasainy hampidirina indray ilay anankiray, ka hoy izy taminy: Ry taranak'i Kanaana, fa tsy mba taranak'i Jodà ô, sodokan'ny hatsaran-tarehim-behivavy hianao; ary voasimban'ny filan-dratsy ny fonao. 57 Izany no nataonareo tamin'ny zanakavavin'Israely; ary izy ireo, noho ny tahony anareo, dia niresaka taminareo; fa ity zanakavavin'i Jodà kosa tsy mba nety nandefitra izay faharatsianareo akory. 58 Koa mba lazao amiko ankehitriny hoe: teo ambany hazo inona moa no tratranao niresaka izy ireo? Hoy izy: Teo ambany oaka. 59 Ka hoy Daniely taminy: Izany tokoa, fa lainga lazainao izany, hahafaty anao; fa efa miandry ny fotoana hamakiany anao hisasaka ny anjelin'ny Tompo, mitan-tsabatra, hamono anareo. 60 Dia nihoraka mafy ny vahoaka rehetra tafavory, ary nisaotra an'Andriamanitra, fa mamonjy izay nanantena azy izy.

61 Nony inona nitsangana izy ireo, hamely an'ireto anti-dahy roa lahy, izay nataon'i Daniely vaky lainga, araka ny teny naloaky ny vavany ihany ho miampanga tsy marina; ka ny ratsy notadiaviny hatao tamin'ny namany ihany, no nataony tamin'izy roa lahy, 62 mba hahatanteraka ny lalàn'i Moizy; dia novonoiny ho faty izy ireo ary ny rà tsy manan-tsiny dia voavonjy tamin'izany andro izany. Nidera an'Andriamanitra noho ny amin'i Sozana zanany vavy. 63 Helkiasa sy ny vadiny, mbamin'i Joakima vadin-drazazavavy, sy ny havany rehetra, satria tsy nahitana zava-mahafa-baraka kely akory razazavavy. 64 Ary tonga nalaza teo anatrehan'ny vahoaka Daniely hatramin'izany andro izany, ka hatratý aorian'izany koa. 65 Nony voaangona tany amin'ny razany, Astiaza mpanjaka, dia Syrosa, ilay Persa, no nandray ny fanjakana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0759